Nohalefahan'ny Governemanta Amerikàna Ny Sazy Mba Hahafahana Manondrana Fitaovam-pifandraisana Ho An'ny Olon-tsotra Ao Sodàna

Students at the University of Geneina, Sudan. Photo by Albert González Farran - UNAMID, used under license CC BY-NC-ND 2.0.

mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Geneina, Sodàna. Sary an'i Albert González Farran – UNAMID, nampiasàna ny fahazoan-dàlana CC BY-NC-ND 2.0.

 Namoaka fahazoan-dàlana ankapobeny ny birao misahana ny Fanarahana maso ny raharaha ivelany (OFAC) ao anatin'ny Departemantan'ny Fitantanambolan'ny governemanta Amerikàna mba hanitsiana ireo sazy natao tamin'i Sodàna. Ilay fanomezan-dàlana ankapobeny dia manome alàlana ny fanondranana mankany Sodàna sy fanohizana ny efa naondrana tany aloha tamin'ny resaka rindrambaiko, fitaovana elektronika sy tolotra mahakasika ny fitaovam-pifandraisana ho an'ny olon-tsotra ety anaty aterineto.”

Eo ambanin'io fahazoan-dàlana vaovao io, nambara tamin'ny 17 Janoary 2015, dia tokony ho hanam-pahafahana hiditra, eny hatramin'ny hividy aza, ireo teknolojian'ny fitaovam-pifandraisana ho an'olon-tsotra ny Sodaney izay efa nahazatra azy ireo ny nampiasa azy ireny teo aloha teo ambany fameperana sy faneriterena. Tafiditra amin'izany ny smartphones, tablety, solosaina finday, ireo fitaovana momba ny tambajotra sy ny maro tsy ho voatanisa momba ny tolotra ety anaty aterineto toy ny fampiantranoana tranonkala, ireo toeram-pivarotana zavatra fampiasa amin'ny finday, ny tolotra “cloud”, ankoatry ny maro hafa.

Manaraka ireo sasany efa noraisin'ny governemanta Amerikana momba ireo firenena hafa efa niharan'ny sazy tato anatin'ny taona vitsivitsy  ity fanapahankevitra ity, isan'ireny i Kiobà, Iran ary Syria, fanapahankevitra izay ikendrena hampiroboroboana ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra amin'ny alàlan'ny famelàna ny sasantsasany amin'ny teknolojian'ny fifandraisana ho tonga any amin'ireo olom-pirenena any amin'ireny firenena ireny.

Fanehoankevitra Feno Haravoana

Teny anaty media sosilay, dibo-kafaliana ireo Sodane nahare ny vaovao, ny sasany nivazivazy mikasika ny fanaovam-beloma farany ny tolotra VPN, raha ny hafa kosa niahiahy mikasika ny mety ho fiantohana ny fanarahan'ireo orinasa amerikàna ireo fepetra vaovao.

Nibitsika i Maha Elsanosi hoe:

Vaovao tsara ho amin'ny fiovàna ao Sodàna. Veloma ry VPN, tena halahelo anao ve izahay?

@iYousif , mpampiasa Twitter, indray anao faraveloma ho an'ny fampitandremana ho an'ny daholobe izay mivoaka isaky ny mba miditra amin'ireny toeram-pivarotana zavatra fampiasa manokana sy tolotra ety anaty aterineto ireny ianao ao Sodàna:

Mandria am-piadanana ry Error 1009

Nanamarika i  @dabiggmoe, mpampiasa Twitter, fa tsy mbola nifarana akory ny tolona :

Dingana voalohany ny fanesorana amin'ny ampahany nataon'ny Amerikàna ny #sazyTeknolojika. Ny dingana faharoa dia ny fanosehana ireo orinasa sy mpisehatra ao amin'ny OTT mba hanaraka ireo lalàna vaovao

Saingy ny fahatsapàna ankapobeny dia angamba ity bitsika miaty fihetsehampo manokana ity no mahafehy azy :

Tsy noeritreretiko mihitsy ny hahita izany andro hanesoran'i Etazonia ny sazy momba ny resaka dizitaly amin'ny fifandraisana izany. *ranomaso sy ranon-delo ràraka*

Tolona maharitra

Ao amin'ny Twitter, i Dalia Haj-Omar, mpikatroka mafàna mpiaro zon'olombelona no namaritra ny fanitsiana ireo sazy ho toy ny ‘fandresena’ iray, vitan'ny ezaka tsy nitsahatra nataon'ireo fiarahamonim-pirenena Sodane sy ny tambajotra erantanin'ireo fikambanana Amerikàna na tsia, mpikatroka momba ny zo dizitaly. Tamin'ny taona lasa, nanoratra i Haj-Omar mikasika ny fanentanana misy amin'izao fotoana izao ataon'ireo Sodane mpikatroka mba hanesorana ireo sazy mahazo ny resaka dizitaly ao Sodàna:

Kendren'ilay fanentanana ny hanabe ny vahoaka Sodane sy ireo Amerikana mpanao lalàna mikasika ny fiantraika miiba aterak'ireo sazy atao amin'ny fahalalahana miditra amin'ny teknolojian'ny fifandraisana sy fampahalalam-baovao (ICT) ary ny aterineto ao Sodàna. Marik'ireo ezaka fisoloana vava nandritry ny taona maro ity famerenana ity, ezaka izay nahitàna ireo fifampiresahana niarahana tamin'ireo fiarahamonim-pirenena hita any Etazonia sy ny Departemantam-panjakana Amerikàna.

Tamin'ny taona lasa no nisy fanentanana iray ho fanesorana ireo sazy dizitaly ataon'ny Etazonia amin'i Sodàna, fanentanana nataon'ireo Sodaney mpikatroka mafàna fo nikendry ny hampiseho masoandro ny fomba fiantraikan'ireo sazy dizitaly amin'ny fifandraisana napetrak'i Etazonia amin'ny vahoaka Sodaney.

Ireo mpanao gazety, mpikatroka ara-politika ary mpiaro zon'olombelona ao Sodàna no tena ianjadian'ny toe-javatra ratsy indrindra mikasika ny zon'olombelona ao amin'io firenana io. Tao anatin'ny folo taona farany, mitàna lohalaharana amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety i Sodàna ao anatin'ireo tondro momba ny fahalalahana navoakan'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona.

Raha ny momba ny fahalalahan'ny aterineto, voasokajy ‘ho tsy malalaka’ i Sodàna ao anatin'ny Tondron'ny Fahalalahan'ny aterineto, taona 2013 sy 2014 navoakan'ny “Freedom House”.

Ny Làlana Haleha

Tao anaty taratasy misokatra nalefa tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Masoivoho Amerikana tao Khartoum, nandefa fampieritreretana momba ny fiantraika miabo entin'ilay fepetra ho an'ny vahoaka Sodaney ny Masoivoho sy mpiandraiki-draharaha, Jery Lanier:

Inoako fa ireny fanitsiana ireny, ho an'ireo Sodaney mpianatra, mpandraharaha, mpanao gazety, mpitarika sivily, sy ny hafa koa, dia hanome fahafahana tsaratsara kokoa hahazo ireo fitaovana teknolojika momba ny fifandraisana izay ilain-dry zareo handratoana fahalalàna, hamoronana, hiroboroboana, ary hanampiana ny fiarahamonina misy azy. Hanalefaka ireo fahasarotana sasany sedrain'ny vahoka Sodaney amin'ny fiainany andavanandro, ary amin'ny lafiny iray dia hanatsara ny fifandraisana sy ny fifamatoran'izy ireo amin'ny vahoaka Amerikàna.

Raha nahafinaritra ny dingana voalohany vita, dia mbola voafetra ihany ireo fanitsiana vaovao natao, raha ny sehatra hahafahany miasa, ary mbola manana ny antom-pisiany hatrany ireo fanamby betsaka atrehan'ny vahoaka Sodaney. Mahatsiaro tena manokana ho voahilikilika bebe kokoa ireo tanora mpandraharaha ary tsy afaka ny hiditra ao anatina vondrom-piarahamonina erantany mba hanatràrany ny nofinofiny hitondra zava-baovao sy handraharaha.

“Ilaintsika ankehitriny ny manosika azy ity ho lasa lavitra!”, hoy i Mohamed Hashim Kambal, mpikatroka ety anaty aterineto sady mpandrindra ny fanentanana ‘Esory ny Sazy Dizitaly Ataon'i Etazonia Amin'i Sodàna’ tamin'ny Skype nifampiresahany tamin'ny Global Voices. Nitanisa ohatra marobe i Kambal. ohatra nahitàna ny fiantraikan'ireny sazy ireny tamin'ny vahoaka Sodaney. “Na dia eo ambanin'ilay fahazoan-dàlana vaovao aza, tsy afaka mahazo fanamarinana avy amin'ireo indostria any Etazonia sy ireo mpanome tolotra na mpivarotra tsy Amerikàna avy ao anatin'i Sodàna ihany ireo tanora injeniera matianina sy mpamokatra rindrambaiko. Tsy afaka misokatra ao Khartoum ny fanadinana sy ny fakàna sertifikà,” hoy ny fanazavàny. Mitarika ny maro amin'ireo tanora matianina hiraviravy tànana io amin'ny fanohizany ny asany ao Sodàna, mahatonga azy tafiditra amin'ny lazaina fa fifindrà-monina faobe ataon'ireo hery famokarana nahazo fiofànana manokana. Ireo matianina amin'ny sehatry ny fitsaboana, ny asa fanasoavam-bahoaka ary misahana fampandriana fahalemana dia samy miatrika olana mitovy daholo.

Tany aloha, ny “Electronic Frontier Foundation” ao Etazonia dia nanakiana ny antsoiny hoe “fomba fanatonana mitsipotipotika” ataon'ny governemanta amin'ny alàlan'ireny sazy ireny, tamin'ny filazàny fa manohintohina ny asa famoronana sy ny fampandrosoana any amin'ireo firenena iharan'ny sazy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.