Mahasakana Resa-Pankahalana ao Myanmar Ve ny Peta-Taratasy #Panzagar (Resa-Boninkazo) ao Amin'ny Facebook?

Image from Panzagar Facebook page

Sarty tao apmin'ny pejy Facebook Panzagar

Manasongadina andiam-peta-tsary (sticker) vaovao isan-karazany ny Facebook ankehitriny izay azon'ireo mpiserasera trohana ho fanoherana ny resa-pankahalana antserasera ao Myanmar.

Noforonin'ny fikambanana Birmana ny peta-tsary “Lazao Panzagar” (lahateny tolotra voninkazo na lahateny tsara) izay mitovy anarana amin'ny fikambanana ho setrin'ny fitomboan'ny resa-pankahalana ao amin'ny firenena.

Tamin'ny taona 2012 no tsapa voalohany izany toe-javatra malaza mampanahy izany raha nameno ny Facebook ny resa-pankahalana sy ny fifandraisana mamaivay teo amin'ireo mpiserasera Bodista sy Miozolomana ao Myanmar. Maro ireo nihevitra fa nandray anjara tamin'ny gidragidra teo amin'ny fiarahamonina samihafa nifikitra tamin'ny firenena tao anatin'izay taona vitsy izay ny fihanaky ny resaka mpanavakavaka  sy manilikilika.

Mponina Bodista ny ankamaroan'ny mponina ao Myanmar saingy manana vondrom-poko maherin'ny 100 izy. Tao anatin'ny telo taona, niampanga ny Miozolomana vitsy an'isa ho mikasa hanjakazaka ao amin'ny firenena ny sasany tamin'ireo vondrona Bodista mahery fihetsika.

Nitarika rotaka izay nampifindra toerana ireo olo-tsotra maro ny fifanenjanana, anisan'izany ny Rohingya, vondrom-poko Miozolomana izay tsy ankatòavin'ny governemanta  Myanmar.

Myanmar Panzagar Stickers

Hoy ny sasany amin'ireo sticker Panzagar “mieritrereta alohan'ny hizarànao” (andalana faharoa, voalohany avy aty ankavia); “aza manaparitaka fankahalana, ao?” (andalana fahatelo, voalohany avy aty ankavia); “milamìna/raiso mora, ry namana” (andalana fahatelo, faharoa avy aty ankavia); “Tsy mino izany (aho)” (andalana fahaefatra, fahaefatra avy aty ankavia); ary “azafady aza mianiana” (andalana fahadimy, fahatelo avy aty ankavia).

Mpisera Facebook, Aung Kyaw Khaing niarahaba ny fahatongavan'ny peta-taratasy Panzagar:

Today I am very happy to see the spread of the flower speech stickers on Facebook. I have been excited since I learnt that flower speech stickers will be available and I am so glad that now it is actually available. I am also proud to use Myanmar language stickers on Facebook.

Thanks Support Panzagar: End Hate Speech with Flower Speech & Panzagar

Faly dia faly aho androany mahita ny fihanaky ny peta-taratasy resa-boninkazo ao amin'ny Facebook. Tena nientanentana tokoa aho hatramin'ny nahafantarako fa ho azo ampiasaina ireo peta-taratasy voninkazo ary tena faly aho fa ankehitriny dia efa azo ampiasaina izany, mirehareha ihany koa aho mampiasa ny peta-taratasy (stickers )amin'ny teny Myanmar ao amin'ny Facebook.

Misaotra Tohano Panzagar: Atsaharo amin'ny resa-boninkazo ny resa-pankahalana & Panzagar

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 2014 ny hetsika Panzagar mba hampiroboroboana ny fampiasana aterineto tompon'andraikitra. Misy ireo mpandray anjara sasany nizara bokikely tany amin'ireo tanàna lehibe ao Myanmar mampahatsiahy ny vahoaka fa ankoatra ny “sivana henjana” dia ny “resa-pankahalana tsy tompon'andraikitra” no fandrahonana hafa mihantona eo amin'ny fahalalaham-pitenenana.

Natsangan'ilay bilaogera fata-daza Nay Phone Latt ny Panzagar, nosamborin'ny fitondrana miaramila teo aloha izy noho ny famoahana vaovao momba ny hetsi-panoherana manohana ny demokrasia izay nanjary fantatra amin'ny anarana ho Revolisiona veloro ao amin'ny bilaoginy. Navotsotra izy tamin'ny 2012.

Nanoratra tao amin'ny bilaoginy i Kenneth Wong SF fa tokony hitandrina tsara ny olona mikasika izay lazainy indrindra eo amin'ny sehatra antserasera satria mety hiteraka voka-dratsy tsy ampoizina izany:

I see Panzagar as a movement that brings out the best in us. It reminds us to look beyond our different religious rituals, skin colors, and lifestyles; and to seek our common humanity. It holds us accountable for what we write and say. That's important in the digital era, where everyone has the ability to draw blood with sharp pixels, but few will ever be called to face their victims or witness the wounds they cause.

Hitako ho hetsika mitondra ny tsara indrindra avy ato amintsika ny Panzagar. Mampahatsiahy antsika mba hijery lavitra mihoatra ny fombafomba ara-pivavahana, ny volon-koditra sy ny fomba fiainana isan-karazany izany; ary mikaroka ny maha-olombelona iombonantsika. Mametraka antsika ho tompon'andraikitra amin'izay soratantsika sy lazaintsika izy. Zava-dehibe izany eo amin'ny vanim-potoana nomerika izany, ary afaka mandatsa-drà amin'ny tebo-tsary maranitra ny olona tsirairay avy, saingy vitsy ireo olona voantso hiatrika ireo nihara-boinany na hanatrimaso ny ratra naterak'izy ireo.

Antenaina fa hitohy hiteraka fientanam-po betsaka sy hanohana hampihena na koa hampitsahatra mihitsy ny fihanaky ny resa-pankahalana ao amin'ny habaka tambajotra sosialy malaza indrindra ao amin'ny firenena ny vokatra tsara avy amin'ny hetsika peta-taratasy “Resa-boninkazo” avy amin'ireo mpisera Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.