Noraofin'i Japana noho ny Tahotra ISIS ny Pasipaoron'ny Mpakasary Iray Miozona ho any Syria

CAPT

Saripika: Saku Takakusaki. Lisansa: Fanononana anarana-Zarao tahaka izao 4.0 Iraisampirenena Creative Commons

Noraofin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Japoney tamin'ny 7 Febroary teo ny pasipaoron'ilay Japoney mpanao gazety mpaka sary mahaleotena Yuichi Sugimoto noho ny fikasany handeha ho any Syria.

Niafara tamin'ny hetsi-panoherana, indrindra fa tamin'ny alalan'ny fampitam-baovao vahiny izay nandresy lahatra fa manitsakitsaka ny zon'i Sugimoto, ny fanapahan-kevitra tsy mahazatra nataon'ny minisiteran'ny raharaham-bahiny japoney.

Video: Sugimoto's press conference at the Foreign Correspondents’ Club of Japan (with English translations).

Lahatsary: Valandresaka hoan'ny mpanao gazety nataon'i Sugimoto tao amin'ny Klioban'ny solontenan'ny fanaovan-gazety vahiny ao Japana (miaraka amin'ny dikantsoratra amin'ny teny anglisy)

Ity fifandiran-kevitra ity no mamoaka ho ao amin'ny mazava fa, raha oharina amin'ny kolontsaina na fihetsiky ny fiarahamonina any Etazonia sy Eoropa, dia azo atao ny mandresy lahatra fa tsy manana kolontsaina vonona hiaro ny zon'ny tsirairay tahaka ny firenen-kafa loatra i Japana.

Tonga noho ny famonoana mampihoron-koditra ireo teratany japoney mirahalahy, ny mpanao gazety Kenji Goto sy Haruna Yukawa, nataon'ny ISIS tamin'ny janoary teo, no nahatonga ny governemanta japoney hifoaka ny pasipaoron'i Sugimoto. Nanohina hatrany amin'ny lalina tao Japana amin'ny ankapobeny ny famonoana azy ireo, fa nialoha ny vono olona ny Japoney dia tsy mba nieritreritra velively fa mety ho “fahavalo” na mpifanandrina amin'ny vondron'olona na iza izy na iza.

Niova izany fomba fijery izany hatramin'io fotoana io. Misy ankehitriny ao Japana ny fahatsapana manjavozavo fa misy ny toerana tsy azo ekena handehanana. Raha tokony hanontany ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny hoe fa maninona ny zon'ny mpanao gazety no noesorina, ny nataony indray dia hoe, “Maninona no mbola misy olona te-handeha any?”

Miharihary fa tsy misy Japoney mbola te-hahita vono olona mampihoron-koditra tahaka iny indray, ary izay fihetseham-po manjaka amin'ny fiaraha-monina izany no nibahan-toerana tamin'ny fanapahan-kevitry ny minisiteran'ny raharaham-bahiny handraoka ny pasipaoron'i Sugimoto.

Na izany aza, na inona na inona ny antony, dia tsy tokony ho mora takonana ny zava-misy fa misy mpanao gazety mpaka sary mahaleotena iray nalain'ny fanjakana ny pasipaorony. Raha azo ampiasaina ho antony mitombina ny fakana ny pasipaoron'i Sugimoto tsy handehanany any Syria, dia tokony atao amin'ny alalan'ny adihevitra ny miroso ho amin'izany raha mbola misy raharaha hafa tahaka izao mipoitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.