35 Taty Aoriana, Ankatoavina Ny Asa-Vavolombelon'i Óscar Romero

Mural en homenaje a Monseñor Romero hecho por Jamie Morgan, San Francisco. Imagen de Flickr del usuario  Franco Folini (CC BY-SA 2.0).

Hosodoko an-drindrindra manome voninahitra ny Monsignor Romero nataon'i Jamie Morgan, San Francisco. Sary avy amin'ny mpisera Flickr Franco Folini (CC BY-SA 2.0).

Alatsinainy 24 Marsa 1980 angamba no nanomboka ny andavanandron'ny mpiangona ao San Salvador manatrika ny raharaham-panompoan'i fiangonana ao amin'ny Hopitaly Andriamanitra Mpiahy. Nosembanin'herisetra, anefa, izany andro izany, ary heverina hatrany ho andron'ny fahafaham-baraka 35 taona aty aoriana. Maty voatifitra nandritra ny nanaovany ny raharahany ny mpanatotonsa anjara vavaka, ny Monsignor Óscar Arnulfo Romero. Nandalo ny fony ny bala. 62 taona izy tamin'izany fotoana izany. 

Tamin'ny Febroary 2015, taorian'ny ezaka maharitra nataon'ny El Salvadoriana, dia notokanan'ny Eglizy Katolika ho olomasina i Romero.

Ankoatra ny maha-mpitondra fivavahana azy dia fanta-daza teo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona ihany koa i Romero. Ny omalin'ny andro namonoana azy dia niteny tamin'ny miaramila manamboninahitr'i El Salvador tahaka izao izy:

Yo quisiera hacer un llamamiento muy especial a los hombres del Ejército, y en concreto a las bases de la Guardia Nacional, de la policía, de los cuarteles: Hermanos, son de nuestro mismo pueblo, matan a sus mismos hermanos campesinos y, ante una orden de matar que dé un hombre, debe de prevalecer la ley de Dios que dice: ‘No matar’. Ningún soldado está obligado a obedecer una orden contra la ley de Dios. Una ley inmoral, nadie tiene que cumplirla.

Te-hanao antso manokana ny lehilahin'ny Tafika aho, ary indrindra hoan'ny Mpiambina Nasionaly, ny polisy, ary ireo toby miaramila: Rahalahy, avy amin'ny vahoaka ianareo, vonoinareo ny rahalahinareo tantsaha, ary raha baikoan'ny olona hamono olona hafa, dia ny lalàn'Andriamanitra no tsy maintsy manjaka—ilay miteny hoe: “Tsy hamono ianao.” Tsy tokony hisy miaramila hanoa baiko mifanohitra amin'ny lalàn'Andriamanitra. Amin'ny lalàna tsy mifaditrovana, tsy tokony hisy hanoa izany.

13 taona taorian'ilay famonoan'olona, tamin'ny 1993, dia nisy fikambanana iray najoro hanadihady ny heloka bevava ratsy indrindra nitranga nandritra ny ady an-trano Salvadoriana, ny Vaomieran'ny Fahamarinana, nanatsoaka hevitra fa mpitofitra nanao kendritohina no nahafaty an'i Romero. Ny anaran'ilay mpitam-basy dia i Marino Samayor Acosta, kaporalin'ny MPiambina Nasionaly efa tsy misy intsony amin'izao fotoana izao ary tao anatin'ny mpiandraikitra ny fiarovana ny filoham-pirenena. Nolazaina fa nomena 114 dolara i Marino Samayor Acosta tamin'io famonoana io. Tamin'ny 6 Novambra 2009, nanapa-kevitra ny hanokatra ny famotorana tamin'ny famonoana an'i Romero ny filoha tamin'izany fotoana izany Mauricio Funes, ho fanarahana ny didy avy amin'ny Fitsarana Iraisan'ny Amerikana Misahana ny Zon'Olombelona tamin'ny 2000.

Tamin'ny 24 marsa 1990, folo taona taorian'ny vono olona, efa nandeha tany ambadika tany ny ezaka haha-olomasina an'i Romero. Efa ho 15 taona taty aoriana, tamin'ny 3 Febroary 2015, nanambara ampahibemaso an'i Óscar Romero ho maritioran'ny Fiangonana ny Papa Fransoà, novonoina noho ny “fankahalana ny finoana.”

Na dia efa 30 taona lasa aza izao no nitranga ny famonoana, dia mbola tsarovan'ny fampitam-baovao isan-karazany hatrany ny Monsignor Romero, tahaka izany ny tranonkala LupaProtestante, izay nanoratra vao haingana hoe:

Esa voz comprometida lo llevó [a Romero] a denunciar a los ricos y poderosos. A exigir la defensa de la vida, las corrupciones a todo nivel, la mentira sistemática y estructurada que encubría desde la tortura hasta las desapariciones y los asesinatos. No rehuía presentar casos concretos en sus homilías y reclamarles a los gobernantes y a las fuerzas armadas respeto por la dignidad humana, la promoción de la paz con justicia y preservar para las futuras generaciones una patria en la que cupieran todos y todas en fraternidad y libertad plena.

Fa nanolo-tena hitondra feo izy [Romero] hiampanga ny mpanankarena sy ny matanjaka. NItaky ny hiarovana ny aina, [hiampanga] ny kolikoly amin'ny ambaratonga rehetra, ny lainga averimberina sy lalimpaka afenina amin'ny alalan'ny fampijaliana ka hatramin'ny fampanjavonana sy ny famonoan'olona. Tsy nitsaha-nanambara tranga manokana izy nandritra ireo fotoana nanaovany servisy [nitarihany fotoam-pivavahana] ary nanambara fa tokony hanaja ny famahendrehan'olombelona ny ao amin'ny hery mitam-piadiana. Nampiroborobo ny fandriampahalemana misy ny rariny izy ary niezaka hitandro hoan'ny taranaka hoavy ny tandrindrazana ahafahan'ny rehetra miaina tanteraka ao anatin'ny firahalahiana sy ny fahalalahana.

Ny blaogy SuperMartyrio, mandritra izany fotoana izany, manaiky fa misy fandraisana anjaran'ny filoha teo aloha Funes tamin'ny fampanaovana an'i Romero ho olo-masina.

Hay que empezar reconociendo el bien que ha hecho el Pdte. Funes: el primer presidente en reconocer el valor de Mons. Romero para la sociedad y cultura de El Salvador—ya no se diga ser el primer presidente en reconocer la responsabilidad estatal por su asesinato, y pedir perdón por ella. Sus esfuerzos a favor de la canonización también han sido apreciables.

Tsy maintsy miainga amin'ny fankatoavana ny zavatra nataon'ny filoha Funes isika: [izy no] voalohany nanaiky ny zava-dehibe vitan'ny Monsignor Romero hoan'ny fiarahamonina sy ny kolontsain'i El Salvador—hamela ny filoha voalohany hanaiky ny andraikitry ny fanjakana tamin'ny famonoana azy sy ny fangatahana famelan-keloka. Goavana ihany koa ny ezaka nataony tamin'ny fampizorana ny raharaha hankany amin'ny fanamasinana ho olo-masina.

Mandritra izany fotoana izany ny tranonkala Opiniones impertinentes, nijery ny fahadisoana sasany nataon'i Romero:

Romero no lo hizo todo bien. Romero tuvo errores, se comprometió a veces en exceso con la izquierda […]. Durante todo el tiempo contó con el apoyo expreso de Pablo VI, al que visitó dos veces en sus tres años de gobierno, y de Juan Pablo II, que le conoció en Roma en 1979.

Tsy voatery ho mety daholo ny zavatra nataon'i Romero. Nanao fahadisoana i Romero, nanao zavatra be loatra hoan'ny elatra ankavia izy indraindray […]. Nahazo fanohanana miharihary avy amin'i Paoly VI, izay notsidihany in-droa tao anatin'ny telo taona nitondrany, izy sy fanohanana avy amin'ny Joany Paoly II, izay nihaona taminy tao Roma tamin'ny 1979.

Anton-dresaka tao amin'ny Twitter ihany koa i Romero:

Nanao antso tao Ciudad Barrios [tokony ho 160 kilaometatra avy ao San Salvador] androany ny Evekan'i Santiago de María, Rodrigo Orlando Cabrera, mba haneken'ny Katolika ny asa vavolombelona [maha-maritiora] nataon'ny Monsignor Romero.

Niady tamin'ny tsy rariny sy ny herisetra ny Monsignor Romero. Toy ny maneso ihany fa ny [antoko politikan'ny filoha Funes] ny Farabundo Martí National Liberation Front [Mandam-Panafaham-Pirenena Farabundo Marti] ihany no afa-nijoro tao El Salvador tamin'ny fanaovan-javatra mifanohitra amin'izay notorian'i Romero.

Mampalahelo ny mahita olona miresaka tsy misy fanajana ny monsignor Romero… Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hanovany ny toe-tsain'izy ireo indray andro any.

Io no fatorian'ny Monsignor Romero tamin'izany fotoana izany. Fantaro bebe kokoa ny fiainany. [rohy]

Tsy nohenoina ny Monsignor Romero. Natanjaka ny fankahalan'ny olombitsy nanjaka, ary noho ny naha-pretra Katolika azy no namonoana azy. Izany no asa-vavolombelona nataony [naha-maritiora azy].

Ao amin'ny “zohin'ny” Katedraly Metropolitana an'i San Salvador no milevina ny nofo mangatsiakan'i Romero.

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Laura Vidal.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.