Mandrahona Mpanao Kisary Maneso Ao amin'ny Aterineto Ny Filoha Ekoatoriana

Meme de @CrudoEcuador con presidente Rafael Correa

Naverin'i CrudoEcuador hifototra ho toa ny fifaninanana SuperBowl ny tantara ratsiny miaraka amin'i Rafael Correa. (“Vatsian'izy ireo vola ianao,” vakin'ny tenin'i Correa etsy anaty kiboribory.)

Mandefa lahatsoratra mampihomehy momba ny lohahevitra ho amin'ny tombontsoam-pirenena Ekoatoriana ny kaonty Twitter CrudoEcuador, indrindra fa mikasika manokana ireo mpanao politika toa ny Filoha Rafael Correa, iza  tsy faly mihitsy tamin'ny nandrosoana azy ho fampihomehezana ho an'ny vondrona. Nahazo onjam-panohanana tamina haino aman-jery sosialy ny pejy Facebook n'ny CrudoEcuador taorian'ny nanafihan'ny Filoha Correa ampahibe-maso azy. Nahantona koa ny kaonty Twitter -n'ilay vondrona taty aoriana.

Tao amin'ny fanehoan-keviny tsy tapaka tamin'ny fahitalavitra–onjam-peo, vao haingana no nasongadin'i Correa ny CrudoEcuador, tamin'ny filazàny fa ampahany amin'ny tambanjotra “karamain'ny mpanohitra mba hanalam-baraka ny fitondram-panjakana” io. Nandrahona mihitsy aza i Correa ny hampiharihary ny mombamomba ireo mpanoratra ao amin'ny CrudoEcuador.

Ny tsy noheverin'ny filoha Ekoateriana anefa, dia nampiakatra ambony ny lazan'ilay pejy hatramin'ny 900 isan-jato amin'ireo mpanjohy azy ny tsikerany. Ny fanakianany an'ilay kaonty manesoeso koa niteraka fampielezan-kevitra ho fanohanana amin'ny tenifototra toy ny #YoSoyCrudoEcuador (IAmCrudoEcuador), #VenParaMemearte (ComeGetMemed), ary ny #mashiberrinche (kilalaonteny amin'ny anaran'ny kaonty Twitter-n'i Correa sy ny teny ho an'ny “tantrum”).

Tsy vao voalohany akory i Correa no namely ny fahafahana maneho hevitra. Nisy zava-nitranga toy izany koa tamin'ny fiandohan'ity taona ity nahatafiditra ny mpanao sariitatra Xavier “Bonil” Bonilla sy ny gazety El Universio, izay tsy maintsy niatrika fanenjehana araka ny lalàna tamin'ny famoahana ireo sary sasany izay nomelohan'ny governemanta.

Naato vonjimaika nandritra ny ora maro ny Twitter-n'ny CrudoEcuador, ny 28 janoary, noho ny fitarainana milaza azy ho nandika ny fepetran'ny tolotr’ilay tambanjotra sosialy. Tao amin'ny tafatafa niaraka tamin'ny gazety  El Comercio, nilaza ny mpanoratra ao ambadiky ny CrudoEcuador fa ireo “rakakabesolan'ny governemanta” no nanidy ny kaonty. Toy izao no nolazain'ny CrudoEcuador rehefa niverina tety anaty aterineto ilay kaonty:

Ora 2 mialoha: Naaton'ny Twitter ny kaonty @CrudoEcuador. Kanto tokoa ny fanasazian-dry zareo ny baranahiny sy tsy fanajàna. Asaivo manao zavatra amin'ny fahalalam-pomba ry zareo!

Ora 2 taty aoriana: Niteny ve ny olona hoe #IShutDownCrudo (#AkatokoNyCrudo)? Miala tsiny aho raha miteny #AzaMampijalyTena sy #NdehaHanàlaAzy.”

#IShutDownCrudo nilaza hoe… #SomosMas nilazahoe… #AllYouNeedIsIMODIUM (#IMODIUMnoTenaIlainareo) pic.twitter.com/94ttMUjeay

Taminà bitsika maro be, tsy niahotra ireo mpanaraka ny CrudoEcuador niarahaba azy ireo tafaverina soa:

Arahaba tafaverina soa amantsara, ry @CrudoEcuador! Ekoatoriana an'arivony no manohana anareo

Ny tenifototra #JeSuisCharlie (CharlieAho) no namboarin'ireo hafa hanehoany ny fanohanany:

#YoSoyCrudoEcuador (CrudoEcuadorAho) @CrudoEcuador Omeko anao ny fanohanako tsy misy fepetra

Nohararaotin'ny sasany ny fotoana mba hitsikerana ny governemanta:

Niverina ny @CrudoEcuador ary dia eny amin'ny tavan'ny @FAlvaradoE @SomosMasEc sy ireo rehetra rakakabesola masiaka mpangala-bola

Mandritra izany fotoana izany, nibitsika mifangaro vazivazy ny mpihira AU-D

Tsy maty mamo fotsiny aho, hahaha @CrudoEcuador

Nalaza be tamin'ireo mpanaraka sasany tao anatin'ny andro vitsivitsy lasa izay ny kisarin'ny AU-D :

1875: “Novonoin'ny peniko izy.” | 2015: “Nofantsihan'ny kisariko lery”.

@CrudoEcuador nofantsihan'ny kirasinao izy @MashiRafael pic.twitter.com/06VK9pbU5b

Fikambanana sahala amin'ny Internet Users of Ecuador sy Fundamedios no niantso ny Filoha Correa mba haneho fanajàna bebe kokoa ho an'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo momba ny tsy fitononana anarana, izay zo voarakitra ao anaty lalàm-panorenana Ekoatoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.