Korea Atsimo: Ady seza-na metro eo amin'ireo taranaka tsy mitovy fotoana

Any Korea Atsimo, saiky isanandro vaky ny ady seza mitranga any amin’ny metro eo amin’ireo tsy mitovy vanimpotoana niainana. Ny filàm-baniny mihatra amam-batana na atao amin’ny vava mikasika io resaka seza malaza io no taterina anat aterineto ary be hafatra vaovao mitaraina noho ny fihetsika mihantsy asehon’ireo zokiolona any anaty metro hita mipariaka any anaty tranonkala.

Tranga iray nahazendana vahiny iray izay voalohany no tonga tao Korea ny nahita seza telo tery amin’ny zoron’ny metro nefa tsy misy sahy mipetraka. Matetika ireo mpizahatany no vavolombelona manatri-maso ny zava-mitranga tsy dia mahazatra loatra ahitana zatovo na vatombatony sendra makamaka aina amin’ireny seza voatokana ireny mitsamboatra mitsangana tampoka raha misy zokiolona avy manatona

Noyak no iantsoana io seza io, fomba iray ilazana ny toeram-piantsonana natokana ho an’ny sembana, natokana ho an’ireo efa voky andro sy osa. Na dia lazaina aza fa ny Noyak dia natao ho an’ny antitra, sembana, vehivavy bevohoka na vehivavy mitaiza kely, matetika dia ny beantitra no tena mibodo azy ireny.

Be ny fitarainana momba ny fihetsika maherisetra ataon’ireny zokiolona ireny amin’ny fakàna ireny seza ireny no taterina any anatin’ireo media ao an-toerana sy any anaty blaogy any. Misy ireo zokiolona no manositosika ireo mpianatra efa reraka, olona eo amin’ny 20 na 30 taona eo, ary vehivavy tanora bevohoka mba hiala amin’ilay seza. Maro ireo zokiolona ireo no mandaka ara-bakiteny sy mihaza ireo tanora amin’ny tehina eny aminy mba hialan’ireto farany amin’ny seza. Ny taimbava mandratra atao amin’ireo tanora sy mahatonga azy ireo ho sadaikatra mafy tokoa mandra-pialana amin’ny sezany dia efa zavatra fahita matetika any anaty metro, ny sasany aza moa tonga mihitsy hatrany amin’ny fanozonana ireo reny niteraka satria hoe tsy nampianatra fahalalam-pomba sy fanajana ny zokiolona an’ireo zanany. Ireny fifandonana ireny, raha sendra manapa-kevitra ny hamaly ilay tanora, dia matetika no mivadika fifampivazavazana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, fifampikasihan-tànana na hatrany amin’ny fandratràna sy fifanenjehana araka ny lalàna ataon’ny media ao an-toerana ambetin-dresaka.

Ny gazety koreana tatsimo Hankook Ilbo dia namoaka ny tatitry ny orinasa mpitantana ny metro ao Seoul izay mampiseho ny firongatry ny fifanandrinan’ireo zokiolona mitaky ny zony amin’ny fampiasana ny Noyak, sy ireo tanora beloha izay matetika misafidy ny tsy hanome haja.

서울도시철도공사(5~8호선)에 따르면 지난해 노약자 석을 놓고 벌어진 자리다툼 관련 민원은 총 121건에 달했다. 올 들어 지난 4월까지 접수된 민원도 총 84 건으로 증가 추세를 보이고 있다.

Araka ny tatitry ny Seoul Metropolitan Rapid Transit Corporation (miandraikitra ny zotrana metro faha-5 sy faha-8), fitarainana 121 mikasika ady seza no voaray tamin’ny taona lasa. Ny Janoary hatramin’ny Aprily tamin’ity taona ity, efa tafakatra ho 84 sahady ny tranga voarakitra, manamarika fiakarana mazava izany.

Omena maimaim-poana ny tapakilana metro ho an’ny olona maherin’ny 65 taona ary ampiasain’ireo zokiolona izany maha maimaimpoana azy izany mba hipetrahana foana hatrany amin’ny fara-fiantsonana. Karsonic, mpitoraka blaogy iray dia nanoritra fa na dia azo takarina ihany aza ny fanamaroana ireo seza Noyak any anaty metro raha ny fihazakazaky ny fahanteran’ny vahoaka koreana no jerena, ireo be antitra dia lasa mpivenjivenjy malalaka ao anaty fiarahamonina miteraka fatiantoka goavana ara-bola.

노약자석이 부족하다고 말하는 사람들이 점점 늘어나고 또 우리 나라가 고령화 사회로 접어드는 관계로, 이제는 수도권 전철 각 운영 주체들간의 노약자석 늘리기가 대세인 것 같습니다. 게다가 또 다른 문제는, 어르신들이 운임을 단 한 푼도 내지 않고 있다는 것입니다. 아시다시피 65세 이상 노인들의 지하철 운임은 무료입니다. 하지만 이 분들은 이 운임 무료를 이용해서 소요산, 천안, 인천 등 종점이란 종점은 다 돌아다녀서 운영주체들의 적자에 한 몫 제대로 하고 계십니다.

Satria maro ireo olona manondro mivantana ny tsy fahampian’ireo seza Noyak noho ny fiarahamonina Koreana mankany amin’ny fahanterana, dia nanapa-kevitra ireo orinasa mpitantana ny metro fa hanampy isa ireo seza Noyak. Saingy ny olana dia ireto zokiolona ireto mandeha maimaimpoana tsy mandoa vola, na dia singana penny iray monja aza. Manararaotra loatra an’ireo tapakila maimaimpoana ireny ireo olona ireo mba hivezivezena eraky ny làlana mandroso sy miverina toy ny any amin’ny Soyo Mt. station, Cheonan station ary Inchon station ka miteraka fatiantoka ara-bola goavambe ho an’ny orinasa.

Ireo olona maherin’ny 60 taona dia ireo sisam-paty tamin’ny adin’i Korea izay nandrava ny taniben’i Korea, ireo izay nizaka ny fepetra tsy refesi-mandidy sy ny fiovana mahery vaikan’ny fikisahan’ny fiarahamonina KoreanaTatsimo niala tamin’ny fifotorana amin’ny asa fanajariana ny tany ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria ary tao anatin’ny taonjato iray latsaka kely dia lasa fiarahamonina mifototra amin’ny fahalalàna sy ny fahaizana.

‘Yoon Tae’ mpitoraka blaogy ao amin’ny Daum ‘ dia nampivoitra fa ireo zokiolona dia ireo nizaka ny fotoana sarotra indrindra nodiavin’ny tantaran’i Korea fony mbola natokana ho ana vondron’olona azo nisaina tamin’ny rantsan-tànana ny fanabeazana maoderna sy sahaza ka ankehitriny izy ireny dia mihevitra ny tenany ho toy ny nahiliky ny fiarahamonina.

노인들은 대부분 어려운 시기에 교육을 제대로 받지 못했습니다. 그렇다보니 나이가 들면 보상심리와 함께 세대적 상대적 박탈감이 많이 작용 할 수 있으며…

Tsy nisy nahazo fanabeazana sahaza izany ireo zokiolona ao Korea hatramin’ny nahaterahan-dry zareo ary nitombo tao anatina vanimpotoana sarotra (ara-tantara). Satria efa antitra izy ireo, mahatsapa ry zareo fa tokony hahazo onitra ary sahala amin’ny mihevitra fa tsy mahazo ny anjarany…

Ny filàna maika nisy teo amin’ny Korea Atsimo mba hijoro ho tena firenena sy hifaninana amin’I Korea Avaratra dia niteraka firoboroboana ara-toekarena nampivanaka saiky tamin’ny sehatra rehetra mihitsy, saingy novidiana lafo izany ho an’ny ampahany sasany tao amin’ny fiarahamonina. Hayan111, mpitoraka blaogy ao amin’ny Naver dia nanamarika fa ny nametrahan’i Korea ny firoboroboana ara-toekarena ho laharam-pahamehana dia nitarika tany amin’ny tsy fijerena ny zon’ny sasany, ary dia miverina mitaky ny toerany eo anivon’ny fiarahamonina ireo beantitra.

한편 노인들의 권리가 이 정도까지 실추되게 된 배경은 우리 모두가 알고 있다시피 이분들이 시대의 변화에 적응하지 못한데다, 마땅히 노인들의 권익을 보호해 주었어야 하는 우리 사회 역시도 권익 보호에는 안중에도 없이 앞만 보며 달려왔기 때문입니다. 자기 관리에 실패한 노인을 더 이상 공경만을 할 수는없는 시대가 오면서 이들은 지하철의 ‘자리 하나'를 확보하는 것으로 잃어버린 자존심의 일각이나마 회복하려하는 눈치이건만, 이분들이 연세에 걸맞는 지혜와 품위를 가지지 못한다면 단지 나이가 많다는 이유만으로 공경받을 수 있는 평화로운 세상은 다시는 찾아오지 않을 겁니다.

Nihen-danja ny toerana (zo) misy ireo beantitra, tsy hoe noho izy ireo tsy nahavita niditra tao anatin’ity fiarahamonina haingam-pivoatra ity fotsiny, fa satria koa ny fiarahamonina Koreana dia tsy nijery afa-tsy ny fikatsahana fandroasoana sy tena nanamaivana ny zon’ny beantitra. Noho ireo beantitra ireo tsy afaka mizaka tena, nanjary toa lasa zava-tsarotra ny hiandrandra fanajana avy amin’ny olona satria hoe antitra izy ireo. Miezaka ny hamerina na dia ampahany monja amin’izay hajan’izy ireo veriny ireo zokiolona amin’ny fibodoana ny sezan’ny metro. Na izany aza raha tsy vitan’izy ireo ny manangona fahendrena sy fahamendrehana andrasana amin-dry zareo noho ny maha-be taona azy, tsy hisy paradisa azo hanajana an-dry zareo amin’izany.

Ny fametrahana seza Noyak maro fanampiny dia nanainga fanakianana mivaivay avy amin’ireo tanora vao misondrotra ary nisy mihitsy aza olona sasany nandroso hevitra ny amin’ny tokony hametrahana fiaran-dalamby natao ho an’ny antitra samirery. Noho ny fifampitankosenana dia toa tsy azo ihodivirana ny fifandirana any anaty metron’ny Seoul.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.