Misaona Tovovavy Mpianatra Nisy Namono Tamin-Kerisetra i Tiorkia

Picture of Ozgecan Aslan, a 20 years old women who got kidnapped and murdered in Mersin, Turkey.

Sarin'i Ozgecan Aslan, tovovavy 20 taona nisy naka an-keriny sy nisy namono tao Mersin, Tiorkia. Nifampizaràna be. 

Ny Zoma lasa teo, tao anaty fahatairana i Tiorkia taorian'ny nahitàna tao anaty renirano iray ny vatana nisy nandoro an'i Ozgecan Aslan, tovovavy 20 taona mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo, tsy hita nanomboka ny 11 Febroary. Lehilahy iray 26 taona, mpamily fiara fitaterana no nibaboka ho namono azy.

Suphi Altindoken, izay miatrika vesatra famonoana olona ankehitriny dia heverina ho nitondra azy nody. Araka ny fijoroany vavolombelona dia nezahany naolana aloha i Aslan, ary rehefa nanohitra sy niady mafy, dia notsindroniny antsy ho faty.

Taorian'ilay herisetra, dia nodoran'ny rainy Altindoken, 50 taona, sy i Fatih Gökce namany ny razana mba tsy hisian'ny porofo.

Herisetra isanandro manjo ny vehivavy

Ao anatin'ity firenena ity, izay efa lasa fomba fanao mampahatahotra ny herisetra atao amin'ny vehivavy, nitarika tany amin'ny fahafenoan'ny kapoakan'ny olona ity fahafatesana mahonena, feno herisetra sy habibiana nanjo ilay tovovavy ity. Nanomboka tamin'ny nahitàna ny fatin'i Aslan, an'arivony maro ireo olona nifamory nanerana an'i Tiorkia nitaky ny rariny noho ny nahafatesany ary ny hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao amin'ity firenena ity.

Asongadin'ny sary iray, nalaina nandritry ny fifamorian'ny olona tao an-tanànan'i Trabzon ao amin'ny Ranomasina Mainty, ny habetsahan'ny olona voaentana noho ny fahafatesan'i Aslan:

Tao Trabzon, an'aliny ireo nidina teny an'arabe ho an'i Ozgecan Aslan.

Ao amin'ny media sosialy, ny tenifototra #OzgecanAslan, #Ozgecanicinsiyahgiy (mitafia mainty ho an'i Ozgecan) no ampiasain'ny olona rehefa miresaka ny raharaha Aslan.

Afaka mijoro miaraka aminay ve ianao? Mitafia MAINTY ho an'i #ÖzgecanAslan amin'ny 16  FEBROARY 16

 

Aza izay ho fitafiny no ampianarina ny vehivavy fa ny zanakao lahy no ampianaro hanaja vehivavy. #OzgecanAslan #Ozgecanicinsiyahgiy.

Tantara tsy mbola hita fiafaràna

Niteraka ny tenifototra #sendeanlat (lazao koa ny tantaranao) ihany koa ilay vono olona, hanangonana ny zavatra niainan'ireo vehivavy niharan'ny filàm-baniny sy ny herisetra. An'arivony ny valiny azo rehefa mikaroka ao amin'ny Twitter :  

Tsy azoko ny aiko rehefa izaho irery no hany vehivavy ao anaty minibus, fiara fitateram-bahoaka, na dolmus [karazana fiara iraisan'ny daholobe] rehefa alimbe. #sendeanlat.

 

ary mba ahoana ny amin'ireo lehilahy manatona anao amin'ny fiara rehefa ilay ianao miandry fiara fitaterana eo amin'ny fiantsonana iny, na miandry fiara karetsaka eny an-dàlana? #sendeanlat

 

#sendeanlat Ary avy eo koa misy ireo fomba fanao amin'ny filàm-baniny ara-tsaina: ‘tsy afaka ataonao io’, ‘osa ianao’, sns.

 

Saino ny momba ireo zavatra voasoratra mifanaraka amin'io tenifototra io, avy eo alaivo sary ao an-tsaina ireo bitsika izay nofafàna tsy mbola nalefa akory. Tsy vita ny hamaritra azy. #sendeanlat

 Rehefa resaka herisetra manjo ny vehivavy sy fitoviana lenta dia,matetika no voakinan'ny fiarahamonim-pirenena noho ny fihetsika ataony ireo manampahefana avy amin'ny fanjakàna sy ireo mpikambana ao amin'ny antoko AKP (Rariny) mpifikitra amin'ny nentin-drazana. Na dia nilaza aza ny Praminisitra Ahmet Davutoglu, rehefa nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka ho an'i Aslan natao tao Antalya ny 15 Febroary, fa “hanao izay rehetra azony atao” mba hampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, hatreto aloha tsy nisy dingana miroso vitan'ny governemanta mba hoe nametrahana tolo-dalàna mivaingana ho entina miady amin'ilay olana.

Ao anatin'izany tsy fahampian'ny hevitra atolotry ny fanjakàna izany no nanandratra ny feony mba hifampiady hevitra ireo olo-malaza toa an'i Nurullah Ardıc, mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Saingy toa vao mainka mampiseho ny fitsaràna an-tendrony efa lalim-paka ao anatin'ny fiarahamonina Tiorka ny hevitr'i Ardıc hametraka ny ‘fiara fitaterana miloko mavokely‘ fa tsy hitondra vahaolana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.