Malaizia: Rava ny fonja manan-tantara

Na dia teo aza ny fanoherana nataon’ireo vahoaka, mpanakanto, ary mpahay tantara dia mbola nanapa-kevitra ny handrava ilay fonja Pudu izay efa nahatratra 115 taona,  nanamarika ny tantaran’i Kuala Lumpur, ihany ny fanjakàna Malaiziana. Tamin’ny herinandro lasa teo, noravàna ny rindrina atsinanan’ny fonja Pudu mba hanatanterahana tetik’asa fanitarana làlana. Hisy toeram-pivarotana lehibe iray hivelatra eo amin’io faritra io ato ho ato.

Diso fanantenana I Badan Warisan izay teratany Malésie ny tamin'ny nandavan'ny fanjakana ny fanangonan-tsonia nataony mba hanekena ny fonja ho toy ny lova manan-tantara.

Tsara ho fantatra ireo fepetra tokony hananan’ny trano lehibe na toerana iray mba handraisan’ny fanjakana azy ho anisan’ny lova.

Tsy azo lavina fa ampahany amin’ny porofo mivaingana eo amin’ny tantara'ny sazy mihatra ary ampahany amin’ny rafitry ny fitsaràna ny fonja. Amiko dia tsy tokony hoadinoina koa fa nandritra ny tantarany 100 taona mahery, tsy fonja nanagadràna ireo olo-meloka ihany izy. Tao ihany koa, no nogadraina ireo miaramila avy amina firenena maro izay niady ho an'ny fiarovana ny tanintsika, nandritra ny fanjanahan'ireo Japoney. Anisan’ny zavatra iray tsy mampirehareha antsika eo amin’ny tantaran’ny firenentsika ary ve izany?

Na dia mety efa tara loatra aza ny hamonjena ny fonja Pudu, dia manantena I Badan Warisan fa ny fahatsiarovan-tena naterak'izany dia hanamafy ny finiavan’ny vahoaka ho tonga saina eo amin’ny mahasaro-bidy ny lova ary mba hiadian’izy ireo hatrany ho an'ny fiarovana, ny fitandrovana ary ny fitahirizana izany.

Nanoratra momba ny lanjan’ny fonja eo amin'ny tantara ny mirage.studio7

Efa mahatratra 100 taona mahery ny fonja Pudu, naorin’ny firenena Britanika miaraka amin’ny mpiasa madinika avy any India, nampiasain’ny firenena Japoney ho toerana fampijaliana ireo teratany Sinoa ary nampiasain’ny fanjakàna ankehitriny koa ho fanantonana ireo olo-meloka miisa 1000 hatramin’ny taona sivifolo.

Tiako ny hahita ny fonja ho toerana fisarihana mpizaha tany eny na dia ny vavahadiny fotsiny aza. Dia mbola mamerina manoratra sy mamotsy ny tantara indray ny fanjakàna ankehitriny.

Tsy mino I Sarah Kushairi hoe mbola mila toeram-pivarotana lehibe hafa io tanàna io

Somary tezitra kely aho raha nanapa-kevitra ny handrava ilay fonja Pudu manan-tantara ny fanjakàna [mba hanitarana ny tany] ho toerana iray izay hisian'ireo hotely sy trano tsara tarehy vaovao. Blah blah blah. Ohatran’ny hoe mbola tsy ampy ireo lalan-kely fivarotana sy trano ao Malaizia.

Tezitra mafy ihany koa i From A to Zi satria tsy eo intsony ilay rindrina misy hoso-doko (iray amin’ireo sary hoso-doko lava indrindra maneran-tany) izay nandravaka ny fonja

Mino aho fa tsy izaho irery no tezitra mafy manoloana ny toe-javatra rehetra miseho.

Nitoeran’ireo olo-meloka efa tena nalaza ratsy tany Malaizia io fonja io. Koa maro noho izany ireo tantara niseho tao no very – ary tsy mieritreritra aho fa tsy afaka hifampitaha amin'ny haren'ny tantarany ny toeram-pivarotana lehibe, raha ny resaka famolavolàna na asa no jerena. (Ireo soratra eny amin’ny rindrin’ny efitry ny fonja, ny sary sikotra, ny fanendahana ny loko eny amin’ny rindrina … Nahoana re isika no manimba tantara e?)

Tsy mila lalan-kely fivarotana hafa mihitsy i Kuala Lumpur. Mahafinaritra loatra ary tsy manam-paharoa tokoa ny tantara sy kolontsaintsika, ahoana no tsy ahitanareo izany? Azontsika aseho sy amidy amin'izao tontolo izao izany.

Tongasoa eto amin’ny taon-jato faha 21 eto amin’ny Kyala Lumpur, taona voalohany amin’ny fahasimban’ny kolontsaintsika. Fanabeazana ara-kolontsaina no tena ilaintsika fa tsy ireo magazay mivarotra ny lamaody avy any ivelany.

BJ Thoughts dia mahatsiaro ny ireo sary hoso-doko

Toerana fanta-daza tao KL ity – Efa zatra nahita ilay sary hoso-doko teo amin’ny rindrina aho rehefa mitaingina fiara fitaterana, ka mitohana ny fifamoivoizana amin'ny lalako miverina any an-tranon'ny renibeko, taona maro lasa izay

Eo an-dalam-pahasimbàna noho ny fampandrosoana, ilay fonja maharikoriko antsoina hoe Pudu, tsy dia mahagaga loatra anefa izany. Izany hoe raha afaka mitsiriritra toby miaramila mbola miasa ireo adalam-bola sasany hanaovany fampandrosoana ara-barotra, tsy misy tsara mihoatra ny fonja efa rava eo afovoan’i KL

Nikarakara hetsika “fandevenana” nandraisan'ny olona maro anjara ireo mpanakanto, ny andro mialohan'ny fandravàna. Nanoratra blaogy mikasika izany i Arteri. Fa tsy dia nanohana izany kosa i pagarmerah

Na dia manohatra ny fanjakàna sy ny fikambanana mandràva zavatra mba hanorenana toeram-pivarotana mijoalajoala aza aho nefa ahitàna magazay isaky ny kion-dàlana eny ary mbola tsy manan-kialofana ny vahoaka, dia tsy handrehitra jiro aho hanehoana ny fahadisoam-panantenako satria tsy neken’ny fanjakàna ho anisan’ny lovan’ny firenena ny fonja Pudu.

Azo jerena ao amin’ny tranonkalan’i Michael Yip sy Rabiatul Adawiyah ny sarin’ny fonja Pudu. Mamoaka horonan-tsary mampiseho ny fandravàna an'i Pudu ny Fat Bidin Media.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.