Afghana Miravo Amin'ny Fiadiana Ho Tompondaka Erantany Voalohany Ho Azy Amin'ny Lalao Cricket

Demotix image ID: 4058137.  Afghanistan cricket fans wave flags during the match against Bangladesh in Asia Cup 2014 at Khan Saheb Osman Ali Stadium in Fatullah, Narayanganj. Image by md Manik.

sary Demotix ID: 4058137. Afghanampankafy ny lalao cricket manofahofa saina nandritry ny lalao nifanatrehany tamin'i Bangladesh tamin'ny Asia Cup 2014 tao amin'ny Kianja Khan Saheb Osman Ali ao Fatullah, Narayanganj. Sary avy amin'i md Manik.

Manomana ny fandraisany anjara voalohany amin'ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany amin'ny lalao Cricket ny ekipam-pirenena ao Afghanistan, lalao hatao any Aostralia sy New Zealand manomboka ny 14 Febroary hatramin'ny 29 Martsa. Ilay ekipa, izay i Andy Moles no mpanazatra azy, ary i  Mohammad Nabi Esakhi no kapiteny, dia efa tonga sahady any Aostralia ary hiatrika an'i Bangladesh amin'ny 18 Febroary.

Na eo aza ny tsy fahampiana ara-bola sy ny ho enti-mànana ara-pitaovana, avo dia avo ny lazan'ny cricket any amin'ny fireneny, manome fitaovana iray ho fampiraisana ny firenena.

Ny Filankevitra Iraisampiren'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany amin'ny Lalao Cricket 2015 (ICC) dia ahitàna tarika 14 izay misy an'i Afghanistan, Aostralia, Bangladesh, Angletera, India, Ireland, New Zealand, Pakistana, Ecosse, Afrika Atsimo, Sri Lanka, Emirà Arabo Mitambatra, Antilles, ary Zimbaboe.

Ekipam-pirenena Afghana mpilalao cricket, miaraka amin'ny filoha Ghani. Sary nalaina tao amin'ny pejy Faceboook an'ny  Afghanistan Cricket Board.

An'arivony maro ireo Afghana nidina an'arabe hankalaza ny fandresen'ny ekipan-dry zareo nanoloana an'i Nepal tamin'ny dingan'ny fifanintsanana. Tsy vaovao ho an'ity repoblika ity ilay lalao, repoblika mifampizara sisintany amin'i Pakistana adalanà cricket sy India, saingy nandritry ny ady naharitra am-polon-taona maro, nisovoka naka toerana ny fanatanjahantena.

Izany indrindra no nitranga fony teo ambany fitondran'ireo Taliban, izay nalàza tamin'ny fandraràny ny lalao baolina kitra ary nampiasa ny kianjam-pirenena ho toerana famonoana imasom-bahoaka. Ny Cricket no iray amin'ìreo hetsika ara-panatanjahantena tsy misy herisetra ara-batana hany mba nomen'ilay fitondràna radikaly tombony, saingy kely ny zava-bita mba hampiroboroboana ny lalao.

Tao amin'ny Twitter, Bilal Sarwary nizara ny sarin'ireo olona milalao ilay lalao ankafizin-dry zareo :

#AFG mahavariana: laza misonga ho an'ny cricket ao Afghanistana. Sary natolotr'i Mohmmad Nabi.

Shaista Sadat Lameh, Afghana mpanao gazety, naniry ny hahombiazan'ilay tarika:

Maniry fandresena ho an'ny ekipako aho! Androany, nanainga ho any Aostralia ny ekipam-pirenena Afghana

Ary lehilahy mpandraharaha iray no toa nanao fanambaràna fa hanome valiso ho an'izay Afghan mpively voalohany mahavita mampiditra ny lalaony ho ao anatin'ny tantaran'ny taonjato:

Abdul Yasini , Afghana iray nanambara hanome valisoa 15.000$ ho an'izay mpilalao cricket mahavita 100 “runs” manoloana an'i Bangladesh ..

مدثر اسلامی namintina fa efa lasa ny fomba fanohanana taloha (fanohanana amin'ny fomba miafinafina), efa manana ny ekipany izao ny firenena ary afaka ny hirehareha amin'izany :

Efa lasa ny andro fahiny izay ny nahazatra antsika dia ny nihiaka nanohana an'i #Pakistan. Izao isika mientanentana ho an'ny ekipa #Afghan. Mahavità soa Afg!

Na dia resy taminà lalao iray fiomanana nanoloana an'i India aza, vitan'ny Afghana ny niantoka ny fandreseny nanoloana an'i Ireland sy i Ecosse, sady nanomana ny fifaninanana. Nitondra fiverenam-pitokisana ireny fandresena azo ireny ho amin'ny lalao voalohany amin'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany hifanatrehany amin'i Bangladesh. Saingy ho an'ny maro amin'ireo olon-tsotra Afghana, ny fahatongavany any no tena zava-dehibe indrindra rehefa elabe nanarahana fifaninanana ara-panatanjahantena iraisampirenea avy any lavitra any. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.