Avy amin'ny Zaikabe Global Voices 2015, Miakatra sy Misavoana

Angamba izahay tsy hita avy eny an'habakabaka izahay, tahaka ny mandaben'i Shina. Saingy nisy fakantsary nentin'ny tatelimby [drone] naka sary anay teo anoloan'ny Lapam-Paritanin'i Cebu tamin'ny folakandron'i 25 Janoary izay nihevaheva tokony ho zato metatra tamboninay, sombin'ny mpikamban'ny Global Voices mendrika fijery – raha heverina ny halakin'ny nanaovana tsanganana sy boribory nentina nampisehoana ny fahafolo taona nisianay.

Feno folo taona izahay tamin'ny Desambra, ka ny Global Media Citizen Summit [Vovonan'ny Olompirenena Manerantany Tia Mampita Vaovao] tamin'ny Janoary tao Cebu City, Philippines, dia fotoana hafa hankalazana izany, ny hany alahelonay dia ny tsy nahafahanay mitondra ireo mpikambana mavitrika 800 mihoatra hanatrika izany. 

Noho ity fotoana ity ahafahan'ny fikambanana virtoaly mihaona mifanatri-tava mivantana, dia kitro ifaharan'ny fampandrosoana ny fikambanana ny Vovonana fanaonay isaky ny roa taona. Tafiditra ao anatin'ny Zaikabe 2015 ny fivoriana anatiny maharitra efatra andro, izay mahatratra ny faratampony mandritra ny valandresaka misokatra hoan'ny rehetra ao amin'ny Cebu Provincial Capitol [Lapam-Paritanin'i Cebu] amin'ny lohahevitra The Open Internet: Local Perspectives, Global Rights [Aterineto Misokatra: Fijery isan-toerana, Zo maneratany]. Tamin'ny fanokafana ny lanonana no nanaovana, tamin'ny fotoana mety sy mampihetsi-po, fanambarana novakian'ny mpikamban'ny Global Voices ny famotsorana ireo mpiasan'ny fampitam-baovao sy ireo mpikatroka hivoaka ny fonja. Nambara nandritra ny Vovonana ihany koa ireo nahazo loka tamin'ny fifaninanana manoratra tantara notohanan'ny Google.

Maro dia maro ireo olona ankasitrahanay tamin'ny nanaovana izay hampahomby ny Zaikabe 2015 ho nahazo fahombiazana tahaka izao:

Ireo mpandray anjara fitenenana, tamin'ny nanomezana an-kahalalahana ny fahaizanareo manokana nandritra ireo lahavolana samihafa nandritra ny Zaikabe (jereo ihany koa ny tatitra sy ny lahatsary ao amin'ny tranonkalan'ny Vovonana).

Ireo mpanatrika izay teo akaiky na avy lavitra tao Filipina, ary avy amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao, ho mpandray anjara amin'ny lanonana.

 Ireo mpanohana anay eo amin'ny sehatra iraisampirenena: Ford Foundation, MacArthur Foundation, Google, Open Society Foundations, Knight Foundation, Yahoo! ary Automattic.

 Ary tsy ho nahomby ny Zaikabe raha tsy nisy ny fanohanana goavana azonay avy amin'ny tanàna mampiatrano anay. Fankasitrahana mivoaka avy amin'ny hoan'ny mpanohana ara-pampitam-baovao SunStar Publishing, sy ireo mpanohana ara-teknika Globe Telecom sy Smart Communications. Hoan'ny Province of Cebu [faritanin'i Cebu] tamin'ny namelany anay hampiasa ilay Provincial Capitol Building [lapam-paritany] goavana nandritra ny roa andro manontolo. Hoan'ny Departemantan'i Philippine misahana ny fizahantany noho ny fandraisana mafana sy ny lanona-pamaranana nokarakarainy tao amin'ny Museo Sugbo. Ary hoan'i Doris Isubal-Mongaya sy ny ekipany ao amin'ny PRWorks noho ny talentam-pitantanam-pikarakarana sy ny fahaiza-manaony nahatonga ny fotoana nandalovanay tao Cebu ho miavaka manokana amin'ny lafiny maro—ary tamin'ny nanaovany ho fanomezana ny lahatsary nalaina tamin'ny tantelimby [drone].

 Ary mandroso sy miakatra izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.