Very An'Iza Isika Amin'ny Fanivànana Sy Fifehezana Ny Aterineto?

Tehran sunset. Photo by Hamed Saber via Flickr (CC BY 2.0)

Fiposahan'ny masoandro tao Tehran. Sary avy amin'i Hamed Saber tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Tamin'ny 2011, nangataka Iraniana iray mpikatroka sy mpiaro zon'olombelona tao Tehran aho mba hitady fomba fiteny tsotra vitsivitsy, ampahany amin'ny andrana hitsapàna ny sivana atao amin'ny aterineto. Adinoko izy io izao, saingy raha tsy diso aho dia tahakahàka izao ilay teny: “American football”. Novaliany fa natahotra izy. Tsy vitany ny hanao izany.

Fa tsy tia mikarokaroka izany ianao?, hoy aho nanontany. Tsia. Tsy tia intsony. Tena tsy tia mikarokaroka intsony mihitsy aho. Tsy mametraka fanontaniana. Na dia ny hanontany izay zavatra tiako ho fantatra aza tsy ataoko. Tsy maninona izany. Efa zavatra taloha izany.

Ary dia notapahany ny fifandraisana. Tsy niteny intsony mihitsy izy avy eo.

Nanomboka nandalina ny resaka sivana anaty aterineto aho tamin'ny 2009. Nanomboka tamin'izany fotoana izany dia noresahana betsaka ny amin'ireo revolisiona nokendain'ny sivana an-tserasera na ireo fotoana fanararaotra hitondràna fiovàna ara-politika sy sôsialy very rehefa nofehipehezina ny aterineto. Isan-taona dia vola dolara an-tapitrisa no mirotsaka ho fanampiana an'io hevitra io, hamokarana horonantsary fanadihadiana, ary lahatsoratra tsy tambo ho isaina erak'ireo media erantany, izay aminavinan'ny tsirairay ny aterineto ho toy ny fantsona iray ho an'ny fahalalahana maneho hevitra, fahafahan'ny tena miteny ary mahafantatra ny hafa, ka amin'ny fanaovana izany dia mahaforona fiovàna ara-politika manana ny lanjany. Fa ny teny farany avy amin'ilay namako dia mampiseho hoe misy olona iray banga ao anatin'io tantara io, ary tsy ilay mpikatroka ara-politika na ilay idealista demaokraty. Olona tsy misy idirany loatra amin'ny politika. Nanery ahy hanontany tena ilay teniny farany : Very an'iza isika amin'ny fanivànana ny aterineto?

Tamin'ny 2006, tafaporitsaka ireo tantaram-pikarohana manokana nataon'ny olona maherin'ny 600.000 nampiasa AOL. Ny tantaram-pikarohana nataon'ny iray tamin'ireny mpampiasa ireny, nitondra ny laharam-pamantarana 711391, no nanjary lasa matoan-dresak'ilay andianà sarimihetsika fohy mahavariana mitondra ny lohateny hoe “Tiako i Alaska.” Ny fikarohana nataonà vehivavy iray tokan-tena, mpino, manambady any Amerika Atsimo, ireo no ivon'ny fitantaràna ao anatin'ireo sarimihetsika. Mikaroka ny antom-pisiany izy, very hevitra mikatsaka ny maha-izy azy manokana ao anatin'ny tokantranony, ary nanandrana nijabaka tamin'ny fanitsakitsahana tokantrano, niaraka tamin'ny fandalovana fotoana vitsy tao anatin'ny nenina, ny fiankinan-doha tamin'ny aterineto, ary ny faniriana fatratra handositra ny fiainany ka hifindra any Alaska.

Misintona ireo mpijery handeha lavitra hiala amin'ny masoben'ny “big data” – angon-drakitra lehibe – ilay sarimihetsika. Fa kosa, olona mamadibadika ny momba ny tenany manokana ao anaty tontolo iray tsy nataony ho an'ny daholobe no hitantsika, tontolo izay ahafahantsika miseho amin'ny tena maha-isika antsika manontolo: ny aterineto. Afaka amin'ny tsindry sôsialy sy ny fitsaratsaràn'ny hafa, ahariharin'i #711391 ny fomba amelàn'ny aterineto antsika ho afaka hirotsaka aminà endrika fandinihan-tena lalina sy fikarohana, làlana iray hitolomana amin'ireo kasinga hafa manome ny “isika” izay mety atahorantsika ny fiarahana mitrandraka azy amin'ny hafa — kasinga izay tsapantsika ho azo antoka kokoa amin'ny fikarohana atao amin'ny alàlan'ny milina iray tsy itononana anarana. Tsy tao an-tsain'i #711391 ny hoe voasivana sy voara-maso ary voafehy anie io aterineto fantany io. Nahatsiaro tena ho afaka mametraka fanontaniana faran'izay mahakasika ny tenany manokana izy tao anaty toerana iray mety tsy nahitàny fitsaratsaràna. Ireto ny sasantsasany tamin'ny fikarohana nataony :

2006-05-09 noheveriko fa ho haiko ny hitantana fijangajangana saingy hay tsy vitako
2006-05-09 azon'Andriamanitra sitranina ny fijangajangàna
2006-05-12 mahatsiaro ho voa be any anatiko any aho noho ny fijangajangana vitako
2006-05-15 ahoana no ahafahanao miteny raha toa nasian'ny vadinao rindrambaiko fitsikilovana ao anaty solosaina
2006-05-16 ahoana no atao mba hiverenany indray

Ho an'ilay namako ao Teheran, manangoly izay rehetra fahafahanao mitrandraka ny aminao manokana ny fifehezana ny aterineto – mety tsy hametraka fanontanina mikasika na inona na inona intsony izy, izay mety hampidi-kizo azy. Araka izany dia mety hijanona mandrakizay tsy ho voatrandraka ny ampahany lalina sy tsy mbola fantatra momba azy. Firifiry amin'ireo tanora ao anatin'ny faharoapolo taona misy azy no mijanona ho tsy hitany sy tsy fantany akory? Na dia azo antoka aza fa misy fitaovana hafa afaka hitrandrahantsika ny momba ny tenantsika manokana, tsy ny fanontaniana rehetra no ho azo trandrahana imasom-bahoaka, indrindra fa ireo miresaka fadifady henjana ara-piarahamonina sy kolontsaina. Efa mahazatra angamba ny sasany amin'ireny fanontaniana ireny: mpitia mitovy taovam-pananahana amiko ve aho? Misy ve Andriamanitra? Olona ratsy ve aho? Misy olona tahaka ahy ve any ho any? Tsara ve ny mitoetra ho amin'izay efa maha-izaho ahy? Fa maninona ny olona miaraka amiko no midaroka ahy ?

Misy amintsika mametraka ireny fanontaniana ireny ety anaty aterineto, amin'ny fampiasàna ny milina fikarohana mba hametrahana fanontaniana mitovy amin'izany, izay tokony ho Andriamanitra no nanontaniantsika azy tany amin'ny takontakona. Saingy mametraka ireny fanontaniana mikasika ny tenantsika manokana ireny ihany isika, mba hikatsahana finamànana sy fahatakàrana ny hoe iza isika ary hahafantarana ny toerantsika eto amin'ity tontolo ity, indrindra rehefa tsy misy izay fahatakàrana izay eo amin'ny fiainantsika andavanandro na ny fiarahamonina misy antsika. Mandritry ny fotoana fohy, ny fahitàna singa bitika ety anaty serasera amin'ny fanekena na fahatakarana ny tena ety nanaty serasera dia afaka ho ilay elanelana misy eo amin'ny fiainana entanin'ny fahavitrihana sy ny fanahy, ary ny fiainana amin'ny maha-olo-miaina fotsiny izao. Ary ny fiainana ara-panahy dia mivelona amin'ny alàlan'ny fahafantaran'ny olona iray fa ekena sy tiana tokoa amin'ny maha-izy azy izy.

Very amin'io sivana sy fanarahamaso atao amin'ny aterineto io ny fahafahantsika ny ho tena ilay isika miafina ao anaty ao – ilay iray izay isika rehefa tsy misy na iza na iza intsony eo amin'ny manodidina, indraindray amin'ny alimbe alohan'ny hiakarana ao am-pandriana – ary ilay karazan'olona teo am-pahaterahana voatendry ho isika fotsiny izao.  Afaka miaina finaritra amin'ny fomba feno sy tanteraka ny fisiantsika eto anivon'ny tontolo isika rehefa mijanona amin'ny maha-tena isika antsika.

Tsy tokony hisy fetra io raha anatinà fanatontosana an-tsehatra iray. Ny olona iray mety ho liana aminà fandalinana mikasika ny finoana iray voaràra, ireo fanontaniany hatrizay tsy nahazoany fahafahampo tamin'izay zavatra mba azony nidirana. Angamba ny olona iray hafa mety mahita fomba fijery metafizika kokoa ao anatin'ny demaokrasia raha miohatra amin'ny politika , karazana fanafahan-tena fa tsy fanafahana ara-politika, nefa tsy hahalala velively azy io satria voasivana ny teny hoe “demaokrasia”. Mety koa io ho olona mpakasary “sahisahy” te-ho mpandray anjara ao anatin'ny làla-nodiavin'ny olona iray mba hitsaboany ny ratran'ny herisetra an-tokantrano, na mety ny herisetra an-tokantrano mihitsy no tena vaindohan-javatra katsahan'ilay olona voalohany indrindra, saingy mikatona daholo, voafehy sy voaara-maso izay rehetra mba làlana azo hitrandrahana sy hitadiavana fitoniana ho an'ny tena manokana.

Niresaka taminà Iraniana iray , mpikatroka mitsoa-ponenana ao Amsterdam aho ny faramparan'io taona io. Navoitrako ny tahotra ny aterineto. Tsy nila niteny betsaka aho, satria tonga dia fantany avy hatrany. Nolazainy fa tsy hainy mihitsy ny fandehany, nefa kosa nahakitika fery aho. Nampahatahotra ny hanontany tena sy ny hametraka fanontaniana. Tena tsy nilaina akory. Na ao Eoropa aza izy, dia misy singa ao anatiny momba azy manokana nobahanany mihitsy, izay nila fantatra tamin'ny alalan'ireo fikarohana atao amin'ny aterineto : fisalasalàna momba ny resa-pananahany, ny fanambadiany aloha loatra taminà lehilahy izay tsy dia ahoany akory, ary ny fiezahany hampifanaraka ny finoany amin'ireo tsy fahatomombanan'ny olombelona.

Fa taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny 2009 sy ny famoretana ny aterineto, dia lasa saro-tahotra amin'ny fikaroham-baliny izy – fantany fa nanara-maso ny aterneto ny governemanta. Nahavaky fo ny kafe farany niarahanay nisotro : lasa mifamatotra tafahoatra tsy afa-miova amin'ilay olona noforoniny ho solon'ilay tena izy taminy ikala mba ho fomba hanohizany miaina. Ho an'ny tenany ihany dia lasa olona tsy fantatra izy, noho ny tahotra tsy ahasahiany mitady ilay tena “iziny” latsaka anaty ao aminy.

Ho an'ny sasany dia tetikady politika ny fanivànana sy fanaraha-maso ny aterineto, iray mampiseho ny famotehana ireo nofinofy demaokratika amin'ny fananganana rindrina hibahanana ny fivezivezen'ny vaovao erantany. Nefa koa manangana rindrina ao anatintsika ihany izy io, manohitra ny tenantsika ihany. Ho ahy, nandevina ny fotoana nampitolagaga antsika noho ny amin'ny tenantsika ihany ny fanivànana ny aterineto, nanolo azy io tamin'ny vanim-potoana iray vaovao izay tsy ametrahantsika fanontaniana intsony momba ny tenantsika manokana satria ambony loatra ny raho-mitatao aterany. Ity no tena zava-doza be mahazo ny tena manokana noho ny sivana sy fanaraha-maso ny aterineto :  ireo tovolahy sy tovovavy izay mino fa efa zavatra taloha izany fotoana fametrahana fanontaniana izany. 

Tsy hoe mifarana akory ny fomba nianarantsika hifandray sy hitrandraka ny maha-isika antsika rehefa injay miova ny jeografia sy ny toe-javatra. Efa nianarana sy niraikitra tsikelikely nanaraka ny ambaratongan-tahotra sy horohoro samihafa io, zavatra izay mety ho atrehana mandritry ny andro iainana.

Ny fotoana farany niresahanay, nampianarin'ilay tanora mpitsoa-ponenana tao Amsterdam ahy ny fomba anarahan'ireny fitondrantena azontsika ireny antsika any amin'izay toerana rehetra alehantsika. Nibanjina ahy izy, niteny tamin'ny feo nalefaka toy ny tsy avy aminy no sady tsy tamin'ny fotoanany: “te-hanidina hiala amin'ity fiainana ity aho. Hanidina hiala an'i Amsterdam, hiala ny zavatra rehetra. Saingy tsy afaka. Naniry hianatra an'io aho, nefa efa adinoko hoe amin'ny fomba ahoana.”

Cameran Ashraf dia Iraniana-Amerikana mpikatroka amin'ny fiarovana zo, no sady mpandraharaha sosialy izay manomana PhD any UCLA amin'izao fotoana izao, momba ny toerana   geopolitiques tànan'ny aterineto. Nahazo ny loka voalohany tamin'ny fifaninanana #GV2015 Summit ity lahatsoratra andrana ity, “Ahoana no Fiantraikan'ny Aterineto Eo Amin'ny Vondrom-piarahamonina Misy Anao [Eng]?” 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.