Valopy Menan'ny Taombaovao Shinoa Nahazo Ravaka Elo Mavo ao Hong Kong

A set of yellow umbrella red envelopes distributed by Um dot dot dot.

Andiam-balopy mena misy elo mavo zarain'ny Um dot dot dot.

Manatona ny Voalohan'ny Taona Manara-bolana Shinoa, ary midika izany fa hitahy ny zokiolona sy ny ankizy amin'ny alalan'ny fanomezana valopy mena manokana ny vahoakan'i Hong Kong.

Araka ny fomba, ny valopy mena, izay misy vola, dia atao printy miaraka amin'ny fiarahabana sy ny firariantsoa, tahaka ny “fanambinana mitovy amin'ny voninkazo mamelana”, “harena tsara amin'ny taombaovao”, “ho salama tsara”, ary “handroso amin'ny fianarana”.

Tamin'ity taona ity, misy endrika vaovaon'ny valopy manasongadina elo mavo, mitaratra ny fanirian'ny Hong Kongers sasantsasany amin'ny taombaovao hisian'ny demaokrasia tena izy amin'ny tanànany.

Tsy mbola tapitra ny hetsiky ny manohana demaokrasia mangataka amin'i governemantan'i Beijing sy Hong Kong hamela ny olom-pirenena hanendry ny kandidà ho eo amin'ny toeran'ny mpitondra ambony tamin'ny desambra lasa teo raha nanala ny olona teo amin'ny toerana nanaovana sit-in ny polisy, toerana nitobian'ny mpikatroka tao anatin'ny telovolana. Nampiasa tetika isan-karazany ny mpanohana ny Revolisionan'ny Elo — antsoina amin'izany noho ny nampiasan'ny mpanao fihetsiketsehana elo hiarovan-dry zareo ny tenan-dry zareo amin'ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny tsifotra dipoavatra — ka anisan'izany teti-panorona izany ny “fiantsenana hetsi-panoherana“, niteraka zavakanto an-dalambe sy nampiantrano fandraisana an-tanana ara-panabeazan'ny vondrom-piarahamonina.

Ireo endrika valopy mena ahitana sary elo dia ao anatin'ny tetikasa fanangonam-bola avy amin'ny vondrona Facebook “Um dot dot dot“, vondorna mpanolotena izay mikendry ny hampandrosoana ny hetsika amin'ny alalan'ny fanentanana ara-politika ireo vondron'olona ifotony.

An-tampon'ny valopy mena misy soratra mivaky hoe: “Mitady valopy mena voatahy tena izy aho, ary tsy hampiditra am-paosy ireo tsy misy na inona na inona”, “Tia an'i Hong Kong, Hong Kongers isika” ary “Mandrosoa hatrany ry Hong Kongers”. Ny fehezanteny voalohany dia manondro ny fampielezan-kevitry ny governemanta mandrisika ny vahoakan'i Hong Kong ampirina am-paosy ny fehezan'entana fanitsiana ara-politikany, izay sambany mamela ny isian'ny latsabato mivantana ny lehiben'ny mpanatanteraka, saingy tsy mamela ny olom-pirenena hisafidy ny kandidà.

Jereo tsara anie ny bika aman'endriky ny valopy eto ambany ireto:

The envelope cover says: I want genuine blessed red envelopes and won't pocket the empty ones.

“Valopy mena tena izy voatahy no tadiaviko ary tsy ampirina am-paosy ireo valopy tsy misy na inona na inona.”

"I want genuine blessed red envelope."

“Valopy mena tena izy voatahy no tadiaviko.”

"Love HK CUZ We're HongKongers."

“Tia an'i HK satria Hong Kongers isika.”

"HongKongers keep going. I want genuine blessed red envelope."

“Hong Kongers, mandrosoa. Mitady valopy mena iray tena izy voatahy aho.”

"Love Hong Kong CUZ we are KongKongers."

“Tia an'i Hong Kong satria Hong Kongers isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.