Netflix Tonga Ao Kiobà — Hahazo Mpanjifa Ve Anefa?

Yara Cinema in downtown Havana. Photo by Sandino235 via Wikimedia (CC BY-SA 2.5)

“Yara Cinema” ao afovoan-tanànan'i Havana. Sary avy amin'i Sandino235 tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 2.5)

Ny 9 Febroary, nanambara ny Nettflix fa “ho afaka ny hanao famandrihana ao amin'ny Netflix ary hijery avy hatrany ireo sarimihetsika malaza voafantina sy ireo seho anaty fahitalavitra ireo olona ao Kiobà manana fahafahana miditra aterineto sy afaka manao fandoavam-bola iraisampirenena.” Toa tsy tao an-tsain'ilay orinasa mihitsy ny hoe na ireo Kiobàna manana fahafahana miditra aterineto aza anie ka tsy manana koriana sahaza tsara mba hijerena lahatsary ety anaty aterineto. Sady tsy manana karatra fandoavana na fakàna vola handoavana ny zavatra jifainy.

Ny koriana ilaina ho an'ny fifandraisana mba hahafahana mijery sarimihetsika sy seho anaty fahitalavitra dia 0.5 megabits isaky ny segondra, ary ny koriana ilaina ho an'ny ara-barotra dia 1.5 megabits isaky ny segondra. Ny Anjerimanontolo ao Havana, ohatra, dia mitsinjara amin'ny 18 megabits isaky ny segondra isanandro ho an'ireo mpianatra maherin'ny 6.000 ao aminy. Yudivián Almeida, profesora mampianatra ao amin'ny Lalam-piofanana Siansa momba ny matematika sy ny solosaina, dia nilaza tamin'ny Global Voices fa “mety ho azo atao ihany ny hijery Netflix aorian'ny amin'ny 6 ora hariva, rehefa tsy ao amin'ny faritry ny toeram-pianarana intsony ny ankamaroan'ny mpianatra.”

Ny ankamaroan'ireo ambaratonga ambony ao Kiobà no miezaka hanana fahafahana miditra aterineto ho an'ireo mpianatra sy profesora ao aminy, amin'ny fametrahana fetram-potoana laniana eo amin'ny aterineto, na ny habetsahan'ny angon-drakitra trohana. Ohatra, 80 MB ihany no angon-drakitra azon'ny profesora iray trohana ao anatin'ny volana iray. Miaraka amin'izay rehetra azon'ny aterineto omena ho an'ireo manam-pahaizana eny amin'ny anjerimanontolo, sarotra ny haka sary ao an-tsaina hoe olona manana toerana tahàka izany no ndeha hampiasa indray mandeha isam-bolana ny aterineto hijerena antsasaka tantara fandefa amin'ny fahitalavitra.

Ny antontanisa akaiky indrindra navoakan'ny Birao Nasionaly ao Kiobà misahana ny Antontanisa sy ny Fampahalalam-baovao, ho an'ny taona 2013, dia ahitana taratra fa 23 isanjato monja amin'ny vahoaka Kiobàna no manana fahafahana miditra aminà tolotra ety anaty aterineto, na manana izany ao an-tranony, izay ahafahana mahazo imailaka sy ahafahana mampiasa ireo tranonkala misy ao an-toerana. Io no ambany indrindra amin'ny fahafahana miditra aterineto any Amerika Latina sy Karaiba. Nasehon'ilay fandalinana ihany koa fa solosaina 90 ho an'ny mponina 1.000 ihany no misy.

Ny fahafahana mampiasa azy maimaimpoana any amin'ireo anjerimanontolo sy ny foibe fikarohana no politika itondràna ny aterineto ao Kiobà, fa ferana kosa ny fampiasàn'ny isam-batan'olona azy eny amin'ireo toerana ahafahan'ny daholobe miditra aterineto, amin'ny alàlan'ny fanaovana ambony be ny sandany raha ampitahaina amin'ny fidiram-bolan'ny olom-pirenena ankapobeny. Raha mitety ny aterineto ianao dia handany $4.50  fa  60 cents monja raha toa ka fitetezana ny ao an-tànana ihany. Latsaky ny iray isanjato amin'ny mponina no manana fahafahana miditra aterineto any an-trano, azo lazaina ho tsy misy afaka hijerena na hitrohana sarimihetsika izany amin'ireo, na iray aza.

Mba ho afaka mampiasa ny tolotry ny Netflix, dia ilain'ireo Kiobàna ihany koa ny fahafahana mampiasa ny antsoin'ilay orinasa hoe “fomba fandoavana vola iraisampirenena”. Saingy ny ankamaroan'ny Kiobàna no tsy manana karatra fandoavana na fisintonana vola, ary tsy afaka mampiasa PayPal akory. Ny Desambra lasa teo dia nampanantena i Barack Obama fa ho azon'ireo teratany ampiasaina ao amin'io nosy io ato ho ato ny karatra fandoavana sy fisintonana vola avy any Etazonia, tafiditra ao anatin'ny fanavaozana ny fiarahana miasa eo amin'ny firenena roa tonta. Saingy tsy nisy fanamarihana raha toa ka ho marina koa izany ho an'ireo Kiobàna ato ho ato.

Nilaza i Reed Hasting, mpiara-nanorina ny Netflix sady tale jeneraliny hoe “faly izahay fa, ela ny ela, afaka ihany manolotra ny Netflix ho an'ny vahoaka Kiobàna, mampifandray azy ireo amin'ireo tantara ankafiziny manerantany.” Saingy raha tonga any amin'ny olona rehetra ry zareo, dia toa ny vahiny mpizaha tany mipetraka any amin'ireo trano fandraisana vahiny avo lenta ao amin'ny nosy no ho betsaka amin'izany, ireo izay manana aterineto haingam-pisosa. 

Miandrandra ny ho afaka hitondra ny asan'ireo Kiobàna mpamokatra sarimihetsika ihany koa i Hastings ho hitan'ireo 57 tapitrisa mahery manerana izao tontolo izao mpikambana ao amin'ny Netflix. Na dia tsy dia nahoan'ny fampahalalam-baovao loatra aza io singam-panambaràn'ny Netflix io, dia mety ho tanjona azo tanterahana (sy mendri-piderana) avy amin'ilay orinasa io, miaraka amin'ny fanomezana haja an'i Kiobà, farafaharatsiny aloha hatreto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.