‘Mpaminany Farany’ ao Tajikistan Miatrika Fanagadrana noho ny Fangoronan-Tany sy Fakana Vady Maro

Screen Shot 2015-02-08 at 11.34.23

Pikantsarin'ny tati-baovao nataon'ny fantsona Tajik voalohany momba ny fisamborana ny Sheikh Temur, navoaka tamin'ny alalan'ny Vimeo.

Nisy lehilahy Tajik iray nanonona ny tenany ho ‘Ny mpaminany Farany’ ary nanangona olon-tsotra am-polony avy amin'ny tanàna ambanivohitra ho ao amin'ny sektany, notazonina noho ny ahiahy ho ‘marovady’ sy ‘maka tany amin'ny fomba tsy ara-dalàna’, hoy ny fampahalalam-baovaom-panjakana. 

Tamin'ny 7 febroary lasa teo no nanaovan'ny fahitalavi-panjakana fandaharana manokana nandritra ny atsasakadiny ny lehilahy iray 65 taona fantatra hoe Sheikh Temur, izay, araka ny tatitra nambara, nanondro ny tenany ho ‘Imam Mahdi’, ‘olo-masina’ ary ‘ny Mpaminany Farany’ noho ny nananganany sekta iray tao andrefan'i Tajikistan izay mampiaraka ny fampianarana islamika amin'ny finoanoam-poana ao an-toerana. 

Araka ny tatitra, nandidy ny mpanara-dia azy i Sheikh Temur hitafy sallah manga, satroka natokana hoan'ny olo-malaza ara-pivavahana sy ny zokiolona any Azia Afovoany. Ry Temur sy ny tariny izany lasa fantatra amin'ny anarana  sallahkabudon (mpisatro-manga) ao amin'ny faritra. Lahatsary avy amin'ny fotoam-pivavahan'ilay sekta no mampiseho ny fomban'ny mpanara-dia ilay ‘Ny Mpaminany farany’ namelatra ny lambany eo ambany kodiaran'ny fiarany mirentirenty ho mariky ny fanajana, nanoroka ny kodiaran'ny fiara ary, araka ny tatitra, nisotro ny rano nanasany ny tànany. Ampangain'ny manampahefana ihany koa izy ho mandraoka tany amin'ny fomba tsy ara-dalàna avy amin'ny distrika ambanivohitra maro sy mibaiko ireo mpanankarena mpanara-dia azy hanorina trano lehibe eo amboniny.

Fantatra ho efa nampidirin'ny fitsarana sovietika am-ponja indray mandeha i Temur tamin'ny noho ny fondrokidrokiany zatovo iray efa manambady sy ny nanambadiany azy, nolazaina fa nanangona vady fito ao amin'ny firenena izay tsy ara-dalàna ny fananana vady maro. Ny vadiny farany, izay novadiany dimy taona lasa izay, dia latsaky ny 45 taona noho izy, raha nanamarika ny tatitra fa farafahakeliny ny iray amin'ny vadiny taloha no efa nampidirina tany amin'ny toby hoan'ny marary saina noho ny fangatahan'i Temur. Tsy misy amin'ny zanany 20 avy amin'ny vadiny fito no mankany an-tsekoly, hoy ilay tatitra.

Fanasoketana ny Islam ao Tajikistan?

Ny raharaha Sheikh Temur, dia niadian-kevitra lalandava ao amin'ny vondrona Facebook Tajik lehibe indrindra natokana hoamin'ny fivavahana, Tarbiyayi Imoni. Misy maro ao ny olona no mampifandray ny fitombon'ny sektany amin'ny tsy fisian'ny fanabeazana ara-pivavahana:

Ин хама дастбусию дигару дигар аз бесаводии мардуми мост. Агар саводи исломи медоштанд ягон нафари онхо рафта дар назди ин чодугар арзи дил намекардад ва ё аз тарси дуои бади ин чодугар тарсида духтарони худро хадя намекарданд. Ачаб замоне шуд, инсонхо аз кадом чодугар метарсанд аммо аз Аллохи (ч.ч) наметарсанд. Хама намуди исломсиёхкунонро дар ВАТАН дидед аммо инаш ГАРЕНИ будай. Худоё тавба. Худо бахшад гуноххои моро.

Ny mahatonga ny olona hanoroka ny tanany sy hanao ireo zavatra hafa ireo dia noho ny tsy fahampian'ny fanabeazana. Raha nanana fanabeazana islamika ny olona dia tsy nandeha tany amin'io mpisoloky io na hanome ny zanany vavy ho azy noho ny tahotry ny ho voaozony. Rehefa tonga ny fotoana, rehefa matahotra mpisoloky [fa tsy Allah] ny olona dia hitantsika daholo ireo karazana fanasoketana ny Islam ireo amin'ity tany ity, fa tena miavaka manokana mihitsy ity iray ity.

Nefa misy ireo mpisera aterineto hafa, tahaka ny iray tsy manonona ny anarany mpaneho hevitra ao amin'ny tolotry ny RFE/RL amin'ny teny Tajik niezaka ny niaro ny sheikh, milaza fa lasibatry ny fitongilanan'ny fampahalalam-baovao-mpanjakana izy :

Агар филмро тамошо кунед, мебинед, ки ин муйсафед аслан худро на пайгомбар эълон накардааст, на махдии охирзамон. Факат номаш Махди аст. Ин филмро боз хам барои сиёх кардани муллохо пахш карда, худашон обуранг додаанд. Агар бисёрзании уро гирем, имруз ягон вазиру раисе нест, ки чанд зану даххо маъшука надошта бошад. Ин муйсафед тавфик доштааст, ки занони беморро никох карда мегирифтааст ва онхоро таъмин менамудааст. Дар мавриди бусидани дасту нушидани оби дасташ, низ ин гуна “чиноятхо” пур аст дар Точикистон. Як мисол, дар дехаи Туркобод вакте падари Турачонзода аз масчид мебарояд, як гурух занону кудакон давида дастони уро мебусанд ва даст ба чомаи у зада ба чашмонашон мемоланд. Дигар мисол, дар Точикобод хамаи мардум дастони Домулло Хикматуллоро мебусанд ва бе гусфанду буз зиёраташ намераванд. Аммо азбаски у президентро таъриф мекунад, ба у чизе намегуянд. Чаро ба дигар муллохо ичозаи таълими дини нест, аммо Домулло Хикматулло садхо муллобачаро дарс медихад.

Raha mijery ny tatitra ianao, dia ho hitanao fa tsy nilaza ny tenany ho mpaminany na ho Imam Mahdi io lehilahy antitra io. Nilaza fotsiny izy fa Mahdi no [tena] anarany. Fikasana hanaratsy endrika ny mullahs rehetra no ataon'ilay tatitra. Raha jerena indray ny fananany vady maro – maro ankehitriny ny minisitra sy lehibe no manana vady sy vadikely maro. Ity lehilahy ity nampiseho famindram-po amin'ny olona manana fahasembanana ara-tsaina tamin'ny fanambadiana azy ireny sy ny fikolokolona azy ireny. Raha ny momba ny olona manoroka ny tanany sy misotry ny rano avy nanasany tanana– Mihazakazaka ny olona mankany amin'ny rain'i Turajonzoda [mpitari-pivavahana] sy manoroka ny tanany any Vahdat, ary manao izany ihany koa ny olona amin'i Domullo Hikmatullo [mpitari-pivavahana]  ao Tojikobod, saingy mpanindrahindra any filoha moa i Domullo Himatullo ka tsy misy milaza na inona na inona momba azy.

 Ao amin'io tolotra voatonona io ihany, namaly i Jomi :

Бовар кунед ман хайрон аз он нафароне мешавам, ки гуе акл надошта бошанд. Наход, ки инсон одами олимро аз чохил фарк накунад ин Шайх темур як чохил ва мунофикест, ки дар либоси Исломи даромада аз надонистани мардуми худ беш аз хад истифода кардааст. Бубинед боз як муриди бесаводаш шарм накарда мегуяд, ки амниятихо онхоро мачбур карданд!!! Ман хайронам ое шуморо кормандони кумитаи амният мачбур сохт, ки мошин ва балони мошинро буса кунед? Ое кормандони кумита шуморо мачбур кард, ки таьзим кунон аз назди шайхи чохилатон бароед? Ое дар ислом ба гайри Алох таьзим кардан ба касе дигар куфр нест? Ое кормандони кумитаи Амният шуморо мачбур сохт, ки духтари ба сини шавхар норасидаро ба касе дихи, ки аз худаш зиеда аз 50 сол калонтар аст? Касам ба зоте, ки чонам дар дасти уст ман корманди кумитаи амният нестам лекин ин хакикати ошкор аст.

Gaga aho fa mbola misy hatrany ny olona mihevitra ny Sheikh Temur ho mullah. Mampiasa amin'ny fomba tsy mety ny Islam ho fitadiavan-tombontsoa fotsiny izy amin'ny fahalalàna fa tsy manana torohay momba ny Islam ny olona tsy nahazo fanabeazana. Miteny aza moa ny mpanaraka azy fa misy Hery Manokana manery azy ireo (hitsapana ny Sheikh)? Angaha ny KGB nanery anao hanoroka ny kodiaran'ny fiarany? Angaha ny KGB nanery anao handohalika eo anatrehan'ny Sheikh adalanareo? Fa angaha tsy voarara eo amin'ny Islam ny tsy handohalika na amin'iza na iza ankoatra an'i Allah? Angaha ny KGB nanery anao hanome ny zanakao vavy hoan'ny lehilahy mihoatra ny 50 taona noho ny taonany?

Tsara ny manamarika fa na dia mihevitra aza ny Tajik mpiserasera maro fa nanao heloka bevava ny Sheikh Temur, dia nokendrena tsara ny fotoana hanaovana tatitra amin'ny zavatra ataony, herinandro vitsivitsy mialoha ny fifidianana parlemantera. Azo atao ihany koa ny mieritreritra fa nahemotra ny fisamborana azy ho fanasoketana ny Antokom-Pifohazana Islamika ao Tajikistan, antoko mpanohitra tantarain'ny governemanta matetika ho mampiasa ny fivavahana hahazoan-tombontsoa manokana . Nifidy ny loko manga ho lokon'ny antokony ny IRPT tamin'ny 2010.

Fanisana farany

Hoan'ny Islam dia Muhammad ihany no heverina ho Mpaminany Farany, ary voambara mazava tsara ao amin'ny Quran izany, ny boky masin'ny Miozolomana. Imam Mahdi no anaran'ny iray izay teraka hanjaka amin'izao tontolo izao mialoha ny Andron'ny Fitsarana. Mahafantatra ohatr'olona maro nilaza ny tenany ho Imam Mahdi ny tantara islamika, saingy nigadra na maty noho ny fisandohana ny niafaran'izy ireny.

Ao Tajikistan lahika, entin'ny Filoha Rahmon tao anatin'izay roapolo taona izay, tsy misy ny lalàna mandrara olona iray hilaza ny tenany ho Irak'Andriamanitra na olo-masina. Raha jerena anefa ny taonany, ny halavan'ny taona igadrany dia mety tsy hahazoan'ny Sheikh Temur fotoana hanjakany amin'izao tontolo izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.