Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy

Malawians evacuated after devastating floods in late January wait out another deluge at a makeshift shelter. Roughly 175,000 people have been displaced and crops were destroyed by what the country's president says is the worst flooding in its history. Credit: Sam Eaton. Published with PRI's permission.

Miandry safo-drano hafa indray ireo Malawita nafindra toerana eo amin'ny fialofana vonjimaika taorian'ny tondra-drano nandravarava tamin'ny faran'ny janoary teo. Manodidina ny 175.000 ny olona nifindra toerana ary potika ny ambioka noho ny nataon'ilay lazain'ny filohan'ny firenena hoe tondra-drano ratsy indrindra eo amin'ny tantara. Saripika : Sam Eaton. Nahazoana alalana tamin'ny PRI.

Lahatsoratra sy tatitra radio nataon'i Sam Eaton hoan'ny The World nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 5 Febroary 2015 ary navoaka indray noho ny fifanarahana mifampizara vontoaty.

Eny fa na dia ao amin'ny firenena iray efa zatra tondra-drano aza, dia trangam-piainana mivoaka amin'ny mahazatra azy ireo izy ity.

Tokotokony ho 175.000 eo ho eo ny olona nafindra toerana, miparitaka ny foto-pambolena simba tahaka ny katsaka, ary mananontanona ny krizin'ny fahasalamam-bahoaka taorian'ny lazain'ny mpitazana ho tondra-drano ratsy indrindra tao Malawi tao anatin'ny 50 taona.

Lehilahy antitra 69 taona niaina manamorona ny reniranon'i Shire, toerana anisan'ny tafiditra ao anatin'ny tondra-drano ratsy indrindra hatramin'ny nanombohan'ny tafiotra tamin'ny tapaky ny volana janoary, nilaza fa tsy mbola nahita tahaka izao mihitsy izy nandritra ny androm-piainany. Misy isan-taona ny tondra-drano, hoy izy, afaka miomana amin'izany ny olona, fa hafa ny tamin'ity indray mitoraka ity.

Maro ireo fianakaviana mitantara ny fijereny ny firodanan'ny tranony, indraindray eo ambonin'izy ireny, ary miankina amin'ny havoanan'ny “termite”, hany tany avo sisa tavela, miandry angidim-by na sambo hamonjy azy ireo. indraindray mihodikodina mihodidina azy ireo ny mamba, hoy ny filazan-dry zareo.

The disastrous floods have largely affected areas along the Shire river in far southern Malawi. The region is prone to flooding, but locals say the recent floods are the worst in at least a half century. Public domain image via Wikipedia Commons

Nahahenika ireo faritra andalovan'ny renirano Shire any amin'ny faritra farany atsimon'i Malawi ny tondra-drano. Mora tratran'ny tondra-drano ny faritra, saingy araka ny filazan'ny mponina ao an-toerana dia ny tondra-drano farany teo no ratsy indrindra tao anatin'ny tapaky ny taonjato raha kely indrindra. Sary azon'ny rehetra ampiasaina via Wikipedia Commons

Ao amin'ny tobin'ny olona nafindra toerana ao Bangula, atsimon'i Malawi, dia miteny avokoa ny rehetra niresahako fa tsy manana na inona na inona ankoatra ny eny an-kodiny ry zareo.

(Jereo ny sary hafa avy amin'ny fitsidihan'i Sam Eaton ao amin'ny faritra tratran'ny tondra-drano ao Malawi ao amin'ny PRI.org.)

Ao amin'ny toby koa dia mahafadiranovana ny toe-draharaha, fa fianakaviana folo no mifampizara tranolay iray tsy misy lay miaro amin'ny moka ary zara raha maharo amin'ny ora-mikija na ny masoandro migaigaina anelanelan'ny rotsak'orana. Ireo vehivavy mahandro amin'ny kitay milaza fa tsy ampy ny sakafo. Naheno koa aho fa misy ireo lehilahy mpiasa mitaky fanaovana firaisana ara-nofo ho takalon'ny sakafo kely, ary matahotra ny ho voaolana ny zazavavy amin'ny alina rehefa tsy ampy ny jiro na ny fiarovana.

Mandritra izany fotoana izany, dia mbola an'arivony ireo tafatoka-monina any an-tsefatsefany any ary tsy tra-bonjy amin'ny alalan'ny lalana. Miezaka ny mandefa sakafo any amin'ireny faritra ireny amin'ny alalan'ny angidim-by ny ekipa.

Mifangaroharo avokoa ny antony mahatonga ity voina ity, ka tafiditra amin'izany ny oram-baratra, ny hakitroky ny mponinia ary ny fahasimban'ny ala. Manaramorona ny reniranon'i Shire, dia ripaka tanteraka ny ala amin'ny havoana manodidina, hanaovana kitay ankoatra ny zavatra hafa, ka tsy misy intsony ny manakana ny rian-drano hirodona mankany amin'ny lohasaha.

Henoy ny feon'orana mirotsaka ao Malawi:

Mety ho tafiditra ihany koa ny fikorontanan'ny toetr'andro. Ny hamafin'ny tafiotra ao ambadiky ny tondra-drano misy no antonona tsara amin'ny maodelin-toetr'andro naseho fa anangonan'ny karibaona miangona eny an'habakabaka angovo maro kokoa eny amin'ny atmôsfera. Mety mandravarava tanteraka ny tafiotra tahaka itony amin'ny firenena mahantra tahaka an'i Malawi, izay miaina amin'ny trano vita amin'ny biriky tany ny fianakaviana maro ao ary amin'ny sombin-tanimboly kely tsy mahajoro manoloana ny karazana toetr'andro tahaka izao.

Matahotra ny mpitazana ankehitriny fa izao tantara tsy mitsaha-mivoatra isan-kerinandro sy isam-bolana izay dia mialoha ny tsy fisian-tsakafo mafaitra dia mafaitra. Sahan'ny tantsaha maro no potika tanteraka, ka mahakely ny fahazoana mamboly indray mialoha ny fiafaran'ny vanim-potoana manorana izay fohy ao amin'ny firenena. Ary tondra-drano no namarana ilay haintany henjana dia henjana izay naka ny anjarany ihany koa eo amin'ny famokaran-tsakafo.

Ary sahirana dia sahirana ny governemantan'ny firenena mamaha ny olana. Vao tapaka noho ny fisian'ny trangan-kolikoly goavana nanafintohana ny fanampiana avy any ivelany izay mandrafitra ny 40 isanjaton'ny toekaren'i Malawi. Ary vao tamin'ity herinandro ity ny parlemanta no nitokona nitaky ny fampakarana ny karama. Hany ka zara raha miasa ny governemanta.

Eny tokoa fa miezaka ny mandefa ireo fanampiana maro dia maro ny ONG, saingy efa lany vola ry zareo.

Raha tsinjo mbola hitohy ny rotsak'orana, dia mbola lavitry ny ho tapitra ny toe-javatra miteraka ny famindran'olona maro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.