Fancy Galada Avy Ao Capetown, Mihira Ho Fahasitranan'ny Tenany Sy Ny Hafa

Ity lahatsoratra ity sy ny fanadihadiana Jeb de Sharp tao amin'ny onjampeo ho an'ny The World (Ny tontolo) dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa Across Women's Lives (Amin'ny Alalan'ny Fiainan'ny Vehivavy) nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org ny 14 Janoary 2015. Naverina navoaka tao anatin'ny fifanarahana iray ho fifampizaràna votoaty.

Rehefa Sabotsy hariva, raha miato kely ao amin'ny trano fisakafoanana an'i Ferryman ianao, tanàna amoron-dranomasina ao Cap any Afrika Atsimo, dia mety hanam-bintana hahita tarika iray mpiangaly mozika ao an-toerana milalao eo anoloan'ny olona marobe. Azy ireo mihitsy ny sasany amin'ny hira, famerenana ireo hira tranainy ankafizin'ny maro kosa ny sasany. Saingy izy rehetra dia samy hiraina amin-kafanampo toy ny areti-mifindra ka be ny fanantenana fa tsy ho vitanao ny hanohy ny dianao nefa tsy hiato eo.

http://www.pri.org/node/71471/popout 

Antsoina hoe Masala ilay tarika ahitàna lahy sy vavy, ary Fancy Galada no vehivavy mpihira ao aminy. Milaza izy fa nanasitrana azy ny nihira. “Indraindray aho tsy ao tsara rehefa miakatra lampihazo, kanefa rehefa miventy tononkira aho, mihira, mikasika olona, dia sitrana.”

Ireo vahoaka no toa mitondra io fahafahana manasitrana io ho azy, ary azo hamarinina amin'ny toerana iray feno maratra marobe izany. Tany aminà township iray antsoina hoe Langa i Fancy no nitombo, izay eo ampidirana ny tananàn'i Cape Town, tena tao anatin'ireny nampamaivay ny “apartheid” ireny mihitsy. Tsaroany ireo miaramila nitsofoka tao an-tranony sady nanohoka basy teo an-tratrany raha mbola 12 taona izy tamin'izany, tonga hikaroka fitaovam-piadiana ry zareo.

 “Nampihorohoro anay ry zareo”, hoy izy. “Ato am-poko ato mandrakariva io fahatsiarovana io.”

Niasa nanao mpanampy an-trano sy mpitaiza tany amin'ireo fianakaviana fotsy hoditra ny renin'i Fancy ary voatery namela ny zanany tany an-trano nandrtra ireny fotoana ireny. Tsy teo intsony ny rainy, ary satria izy no lehibe indrindra, dia voatery niatrika andraikitra marobe tao anaty ankohonana i Fancy.

“Teo amin'ny faha-10 taonako aho no nianatra ny nahandroko voalohany indrindra, [ny reniko] no nampianatra ahy, ary dia nanamboatra seza lava tongotra kely izay izy mba hahafahako manakatra ny lapoaly sy mahandro,” hoy izy.

“Voalohany indrindra dia reny aho,” hoy izy. “Izay no laharam-pahamehana ho ahy, ny zanako roavavy. Izy ireo no nanefy aho ho amin'izay misy ahy ankehitriny. Izy ireo no namerina ahy hiaina ny zava-misy, tamin'ny namerenany ho ahy ny fahatsapana fihetseham-po amin'ny maha-olona, tamin'ny fampiasàna ahy mafy. “Izy ireo no mampahatsiahy ahy ny fomba nataon-dreniko nanabeazana ahy “.

Apetraho amin'i Fancy ny fanontaniana mikasika ny zo sy ny toerana misy ny vehivavy ao Afrika Atsimo amin'izao fotoana izao fa dia haheno tsara tokoa ianao.

“Mbola tolona ataonay foana io, raha tinay ny hohenoina amin'ny maha-vehivavy anay,” hoy izy. “Omaly, nahita bandy nidaroka vehivavy aho.”

Fa izay nolazainy taorian'io no nahataitra ahy.

“Tena mampalahelo ahy fatratra ilay ranamana izay. Indraindray, mandeha any amin'ny toerana heverina ho tsy tokony halehany ry zareo. Nahatsiaro nalahelo an'ilay vehivavy ihany koa aho. Nitombo tao anatin'ny toerana iray izay ambany dia ambany tokoa ny fanomezana lanja ny vehivavy isika. Tsy mba noraisina ho toy ny olona izy ireny. Tsy mba nosaininay ho manana ny maha-izy azy ny vehivavy. Andalam-piovàna ny fiarahamoninay, nefa mbola mitohy ny ady. “

Araka izay ambaran'ny hiran'i Fancy Galada rahateo.

Fanadihadian'i Jeb natao tao Cap niarahany tamin'ilay Afrikana Tatsimo mpanao gazety, Kim Cloete.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.