Manontany Ny Filipiana Hoe ‘Aiza Ny Filoha?’ Rehefa Tsy Tonga Nanome Voninahitra ireo Polisy Maty An'Ady

"RETWEET if you think PNoy should've attended the arrival of honors instead of that Car Plant event. #NasaanAngPangulo" tweets @BobOngWords.
“SIAHO INDRAY” raha mihevitra ianao fa tokony nanatrika ny fahatongavan'ny omem-boninahitra fa tsy ny hetsiky ny Orinasan'ny Fiara i Pnoy. #NasaanAngPangulo” siokan'i @BobOngWords.

Nanjary lohahevitra mihanaka vetivety teo amin'ny tontolon'ny Twitter ny tenifototra #NasaanAngPangulo, izay midika hoe “aiza ny filoha” amin'ny teny Tagalog, ho fanehoan'ny Filipiana ny hatezerany amin'ny Filoha Noynoy Aquino noho izy tsy tonga nanatrika ny fanomezam-boninahitra ny fahatongavan'ireo mpitandro filaminana  maty tamina bemidina manokana notontosainy.

Nanome voninahitra ny fanokafana ny orinasam-piara vaovao an'ny Mitsubishi Motor Corporation tao Laguna (faritany atsimon'i Manila) i Aquino fa tsy mba nanatrika ny lanonan'ny polisy. Tonga tao amin'ny Toby miaramila an'habakabaka Villamor ireo vatam-paty nitondra ny sisa tavelan'ireo mpitandro filaminana namoy ny ainy rehefa avy nisidina manerana ny tanàna atsimon'i Filipina ao Mamasapano, Maguindanao.

Mpikambana efatra amby efa-polo ao amin'ny Polisim-pirenena Filipina-Vondron-kery Manokana (PNP-SAF) no namoy ny ainy tamin'ny bemidina fanoherana mpampihorohoro izay tsy nahomby ary nanjary lasa fifandonana naharitra-11-ora teo amin'ireo tafiky ny fanjakana sy ny mpikomy mpisintaka Moro tao amin'ny faritra Mamasapano.

Anisan'ireo polisy 400 nalefa hisambotra ilay voalaza fa atidoha nikotrika ny fanapoahana baomba tao Bali tamin'ny 2002 izay lazaina fa miafina tao amin'ny faritra izy ireo. Nametraka valisoa 5 dolara hoan'izay mahita ilay olona voarohirohy Zulkifli Bin Hir antsoina ihany koa hoe Marwan ny governemanta Amerikana.

Niparitaka be tao amin'ny tambajotra sosialy toy ny Facebook sy Twitter ireo andian-dahatsoratra sarisary mahatsikaiky (meme) manaraby ny tsy fahatongavan'ny Filoha Aquino tamin'ny lanonam-pandraisana ireo polisy .

Nampahatsiahy ny hakingan'ny filoha Aquino mikarakara ireo orinasa lehibe sy manatrika ireo hetsika malaza fa tsy mba tonga nanatrika ny maro tamin'ireo voina goavana izay nanjò ny firenena ny mpiserasera Filipiana.

Ny fanatrehan'ny filohantsika!

Maro ihany koa ny nanamarika ny fomba filazan'ny filoha hoe “tsy manatrika fifohazan'olona tsy fantatro aho” rehefa nanontaniana ny antony tsy nitsidihany ny fanomezam-boninahitra ilay vehivavy nanova taova-pananahana Jennifer Laude, izay voalaza fa novonoin'ny miaramila Amerikana tamin'ny herintaona izy.

Nampitaha ny lanja asehon'ireo filoham-panjakana hafa amin'ny fanomezam-boninahitra ny maty manoloana ny tsy fahatongavan'ny filoha Aquino tamin'ny lanonana fanomezam-boninahitra ireo sangan'ny tafika namoy ny ainy tao amin'ny sata Facebook ilay mpanoratra Katrina Stuart-Santiago:

When the bodies of the MH17 crash victims arrived in The Netherlands, the Dutch King Willem-Alexander and Queen Maxima, and the rest of the Dutch royal family, along with government officials sat and watched and cried and mourned with nation as the coffins were brought from planes to hearses. Nothing was more important than that ritual for the dead.

Raha tonga tao Holandy ny vatana mangatsiakan'ireo niharam-boina tamin'ny fianjeran'ny MH17, nipetraka sy nijery ary nitiomany sy nisaona niaraka tamin'ny firenena ny Mpanjaka Holandey Willem-Alexander sy ny Mpanjakavavy Maxima, sy ny fianakavian'ny mpanjaka holandey; miaraka amin'ireo manam-pahefanan'ny governemanta, tamin'ny fotoana nakana tao anaty fiaramanidina hitondrana ireo ao anaty fiara mpitondra  vatam-paty. Tsy misy zava-dehibe kokoa noho izany fombafomba ho an'ny maty izany.

Nanao kabary nandritra ny fotoam-pivavahana hoan'ireo mpitandro ny filaminana namoy ny ainy ny filoha Aquino iray andro taorian'ny nahatongavan'ireo vata-paty. Saingy mbola nahabe resaka ihany noho ny fahatarany ka nampiandry ny fombafomba mandra-pahatongany.

Nanjary lasa vazivazy antserasera ny kabarin'i Aquino noho izy milaza betsaka momba ny tenany fa tsy ireo polisy lavo. Nanamarika mikasika ny fomba fanombohan'i Aquino ny kabariny amin”i George Lucas ao amin'ny sarimihetsika Star Wars [Adin'ny Kintana-La Guerre des Etoiles] ny meme iray.

From the Facebook page of Jason Valenzuela.

Tao amin'ny pejy Facebook-n'i Jason Valenzuela.

Niaro ny tsy fahatongavan'ny filoha tamin'ny fanomezam-boninahitra ny fahatongavan'ireo polilsy namoy ny ainy ny mpitondra teniny; izay nilaza fa tsy tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanany izany. Tsy niraharaha ireo tsikera avy amin'ny mpiserasera ihany koa izy nandritra ny valan-dresaka tao amin'ny lapam-panjakana raha nilaza fa tsy fijerin'ny maro an'isa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.