Papoazia Andrefana: Mitaky Fitsaràna Taorian'ny Namonoan'ny Polisy Indoneziana Ny Tanora Mpanao Hetsi-panoherana

West Papuan students in Java held a protest last month to condemn the killing of Papuan children by the Indonesian police. Photo from Facebook page of Free West Papua Campaign.

Mpianatra ao Java, Papoazia Andrefana, nanao fihetsiketsehana tamin'ny volana lasa iny hanamelohany ny famonoana ankizy tao Papoazia nataon'ny polisy Indoneziana. Sary avy amin'ny pejy Facebook “Free West Papua Campaign”.

Mitaky fitsaràna noho ny famonoan'ny polisy indoneziana ireo tanora sivily tamin'ny iray volana ny mpikatroka mafàna fo sy mpisolovava ny fahaleovantena ao Papoazia Andrefana.

Ny 8 Desambra 2014, voalaza fa notifirin'ny mpitandro filaminana Indoneziana ireo olona efa ho 800 nanao hetsi-panoherana, nahitàna zaza amam-behivavy, tao amin'ny distrikan'i Paniai. Ilay hetsika dia teraka avy amin'ny tatitra hoe nidaroka ankizy  marobe tao Papoazia ny polisy ny alina talohan'io. Raha kely indrindra dia dimy ireo mpanao hetsi-panoherana namoy ny ainy ary 17 hafa naratra, hoy ny tatitra iray avy amin'ny “Human Rights Watch”, izay nanazava fa tsy zava-mahagaga intsony ny fanitsakitsahana zon'olombelona any:

8 Desambra: endrika ahafantarana ny fanitsakitsahana tsy ahoan-tsy ahoana ny zon'olombelona fanaon'ny mpitandro filaminana ao Papoazia, any amin'ny farany atsinanan'ny vondron-nosy ao Indonezia. Nandritry ny 15 taona nifandimby farany teo, naharakitra tranga an-jatony ny “Human Rights Watch” izay nanaovan'ny polisy, miaramila, manampahefana amin'ny fitsikilovana, ary mpiasan'ny fonja, fampiasan-kery tsy misy dikany na tafahoatra rehefa miatrika ireo mandray anjara aminà fihetsiketsehana ao Papoazia. Na dia nisy aza tao Papoazia fitsaràna azo nisaina tamin'ny rantsan-tànana natao an'ireo olon'ny mpitandro filaminana voarohirohy tamin'ireo fanitsakitsahana ireo, tsy sahaza ny heloka vita ny sazy ary mbola manohy manatanteraka ny asany ireo miaramila.

Ny fampitambarana an'i Papoazia Andrefana, faritra iray manankarena ankibon'ny tany ary firenena Melanezia fahiny, nataon'ny fitondràna miaramila tao Indonezia tamin'ny 1960, dia niteraka famindràn-toerana, fahantrana ary fahafatesana ho an'ireo vahoaka teratany. Kanefa na teo aza ny fanitsakitsahana miharihary ny zon'olombelona ary ny fanomezan'ny andrim-panjakana vàhana ny fandevonana ny kolontsaina ao an-toerana, tsy vitan'ireo hery mpanjanaka ny nampietry ny fanahin'ny fahasahiana sy ny fahaleovantna teny anivon'ny vahoaka.

Benny Wenda, izay mpitarika fitakiana fahaleovantena any Papoazia Andrefana ary monina an-tsesintany any Angletera, dia nanameloka ilay famonoana sivily :

Tsiniana amin'ny herisetra tsy natsanganay izahay ary henjehina noho ny fanehoanay ny fanirianay halalaka

Ao amin'ny tranonkalany, ampangain'i Wenda ny hery Indoneziana mitam-piadiana tamin'ny nampiasàny habibiana tao Timika, Papoazia Andrefana :

Gaga aho fa dia toetram-biby tahaka izany avy amin'ny polisy natao an'ireo olona tsy manantsiny sy tsy afaka hiaro tena no avela handalo fotsiny toa tsy nisy, indrindra fa toerana tsy lavitra akory ny fitrandrahana volamena midadasika indrindra erantany tahaka izany, ary ny mpandoa be indrindra amin'ny hetra ao Indonezia.

Ao amin'ny Twitter, marobe ireo naneho hevitra momba ny fijalian'ireo mponina ao Papoazia Andrefana :

Raha efa namoy havan-tiana ianao dia mba tsarovy ireo olona ao Papoazia Andrefana mijaly noho ny famonoana fanolanana ary fampijaliana tsy natao ho an'olombelona saiky isanandro vaky izao TNI

Araka izany dia tsy hisy olona ve na iray aza hiresaka an'i Papoazia Andrefana? #Vonomoka

#PapoaziaAndrefana, tsy ady, tsy fifandirana, tsy #fananiham-bohitra, ary dia mahazo ny fankatoavan'izao tontolo izao tsy anavahana

Tsy misy fihatsaràny ny toe-draharaha ao #PapoaziaAndrefana tamin'ny 2014 – nitohy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Mbola i Jokowi no mitantana ny raharaha toy ny mahazatra

Nanome toky hampanao fanadihadiana mikasika ireo famonoana ireo ny governemanta Indoneziana. Hisy ihany koa famoahana tatitra iray avy amin'ny Human rights mifandraika amin'ilay zava-nitranga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.