Tafiditra Anaty Tantaran'ny Amboaran'ny Football Aziatika i Aostralia

South Korea supporters taking a selfie before the match finals against Australia. Manuel Ribeiro

Mpanohana an'i Korea maka nialoha ny lalao famaranana nifanandrindrana tamin'i Aostralia. Saripikan'ny mpanoratra Manuel Ribeiro.

Lasa “tompondakan'i Azia” ny Socceroos avy ao Aostralia rehefa nandresy 2-1 ny Devoly Mena avy ao Korea Atsimo tamin'ny Amboaran'ny Konfederasiona Aziatika 2015 notontosaina tao Sydney.

Tompondakan'i Azia! Alefa Socceroos

Heniky ny fanehoan-kevitry ny mpanohana miresaka ny lalao famaranana tontosaina ao amin'ny tanin'ny [lalao] cricket ny  Twitter. Nironan'ny besinimaro ihany koa ny Selfies taloha sy taorian'ny lalao.

Eny fa na di ampialalao aza dia te-handrakitra ity fotoana ity tamin'ny alalal'ny selfie: 

Nahazo ny selfie-n'ny mahatompondaka #AC2015 i @MassLuongo

Mihoatra ny 76.000 ireo mpankasitraka nankao amin'ilay Kianjaben'i Aostralia ao amin'ny Zaridaina Olaimpikan'i Sydney izany lany tanteraka ny tapakila fidirana. Niangavy ny rehetra hampiasa ny fitateram-bahoaka, indrindra fa ny fiaran-dalamby ny mpikarakara:

The #ACFinal is a SELL OUT today! Make sure you take advantage of the free transport & get down early! #AC2015 pic.twitter.com/oWlCAAtr0e — AFC Asian Cup (@afcasiancup) January 31, 2015

Lany ny tapakilan'ny Famaranana Konfederasioana Aziatika androany [alahady]! Ataovy azo antoka fa mahazo tombontsia amin'ny fitaterana maimaimpoana ary tongava aloha!

Ahoana ny nahatongavan'ny roa tonga tany amin'ny famaranana

Ny Kapiteny Tim Cahill no nitarika ny ekipa Aostraliana hoany amin'ny famaranana tamin'ity taona ity rehefa nandresy an'i Emirà Arabo Mitambatra tamin'ny 2-0 tamin'ny lalao manasa-dalana. Korea Atsimo notarihan'ny kintany Son Heung Min, ihany koa dia nahatratra ny famaranana rehefa nandresy tamim-pahasarotana an'i Iràka tamin'ny 2-0 tao Sydney. Talohan'izany ny Irakiana nandresy an'i Iran tamin'ny ampahaefa-dalana notontosaina tao Canberra. Nikendry ny hahazo ny amboarany fahatelo tamin'ny amboara aziatika ny Koreana. Na izany aza, nitari-dalana i Aostralia tamin'ny lalao famaranana rehefa nanokatra ny isa i Massimo Luongo :

Efa heverina ho kintana vaovaon'ny Socceroos sahady i Massimo :

Wow. Great contest. One moment of genius from the new prince of Australian football — Craig Foster (@Craig_Foster) January 31, 2015

Oay e. Lalao mahafinaritra. Fotoana iray an'ilay mahay avy amin'ny printsy vaovaon'ny football Aostraliana

Resy in'efatra nandritra ireo lalao lalao famaranana notontosainy hatramin'ny nandrombahany ny fandresena farany tamin'ny 1960 (1972 tamin'i Iran, 1980 tamin'i Koety ary tamin'ny 1988 tamin'i Arabia Saodita) ary ankehitriny nanoloana an'i Aostralia, izay sambany nampiantrano ny Amboara Aziatika raha niditra tao amin'ny konfederasiona tamin'ny 2006, tamin'ny lalao aziatika ny Devoly Mena Koreana. Resy tamin'ny famaranana tao Qatar tamin'ny 2011 ny Socceroos. Resy nanoloana an'i Japana 0-1 nandritra ny fanalavam-potoana ry zareo.

Sarotra tamin'ny mpankasitraka ny nino saingy mpitari-dalana amin'ny lalao boalina fandaka any amin'iny faritra iray amin'izao tontolo izao iny i Aostralia :

Who would have guessed Australia would be reigning AFC Champions League & Asian Cup (?) holders twelve months ago? #ACFinal #AC2015 #KORvAUS — Javier Queiroz (@StuffedShoulder) January 31, 2015

Iza no naminavina fa hanjaka amin'ny ligin'ny tompondaka aziatika sy ny ambaoara aziatika hoan'ny ekipam-pirenena i Aostralia 12 volana lasa izay?

Taorian'ny 90 minitra rehefa resy lahatra avokoa ny rehetra fa hizotra mankany amin'i Aostralia ny fandresena, dia nanasahala ny isa i Korea Atsimo rehefa nahatafiditra baolina ilay kintan'ny ekipa Son Ming, nahatonga ny mpakasitraka Aostraliana ho kivy sy voatery nidirana tany amin'ny fanalavam-potoana:

Nandritra ny fanalavam-potoana, nitari-dalana i James Troisi, raha nampiditra ny baolina faharoa hoan'i Aostralia taorian'ny lalao mahafinaditra avy amin'i Juric tany amin'ny zoro ankavanana :

ENY ENY ENY ! 1:2 nampidi-baolina hoan'i Socceroos i Troisi! Alefa Socceroos!!!

Lasa mampidi-doza hoan'ny olona manana olana eo amin'ny fo ny lalao. Miteny amim-pitebitebena fatratra ao amin'ny Twitter ny mpankasitraka :

If Korea equalise again i'll cry… I'm not even Australian #GoSocceroos #AC2015 #ACFinal — Cara Conboy (@carabonara11) January 31, 2015

Raha mbola mahasahala ny isa i Korea dia hitomany aho… Tsy Aostraliana akory aho [Alefa Socceroos]

Taorian'ity fandresena mahafinatra azon'i Aostralia ity dia maro no mino fa halaza kokoa eo amin'ny olona ny baolina fandaka indrindra eo amin'ireo tanora mbola kely. Efa vonona ao amin'ny Twitter ihany koa ny songadina amin'ny lalao taorian'ny lanonana fanolorana ny amboara:

SONGADINA | Repoblikan'i Korea 1 – 2 Aostralia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.