Nodimandry teo amin'ny Faha-90 Taonany ny Mpanjaka Saodiana Abdula, ary Dimbiasin'i Salman 70 Taona

King Abdulla of Saudi Arabia died today at the age of 90. His photograph appears on all Saudi currency. Photo credit: Amira Al Hussaini

Nodimandy androany teo amin'ny faha-90 taonany ny mpanjakan'ny Arabia Saodita Abdulla. Hita amin'ny vola Saodiana rehetra ny sariny. Saripikan'i Amira Al Hussaini

Taorian'ny honohono naharitra herinandro maromaro, dia nanambara ny fodiamandrin'ny mpanjaka Abdullah bin Abdulaziz teo amin'ny faha-90 taonany, mpiambin'ny Moskea Masina roa i Arabia Saodita androany [23 janoary 2015]. Ny volana Aogositra 2005 no tonga teo amin'ny fahefana i Abdulla, taorian'ny nahafatesan'ny rahalahiny (tsy iray tampo) Fahd bin Abdulaziz, ary ankehitriny izy dimbiasin'i rahalahiny hafa Salman bin Abdulaziz 79 taona. Ary voatendry ho printsy mpandova kosa ny rahalahin'izy ireo iray hafa Muqrin. Samy zanakalahin'ny ny mpanjaka Abdulaziz, izay nanangana an'i Arabia Saodita tamin'ny taona 1932, avokoa izy rehetra ireo ary nifandimby niakatra teo amin'ny seza fiandrianana nandritra ny taona maro nifandimby. Nanan-janaka 45 i Abdulaziz ka 36 tamin'ireo no tonga tamin'ny fahalehibeazany izay samy nanana ny zanany avy. Ilay Ejipsiana Amro Ali no nizara ity kisary ity izay maneho ny “fihenan'ny taranaka tranainin'ny mpanjaka Saodiana eo am-piandrasana [ny fahefana]”

Mihena hatrany ny taranaka mpanjaka saodiana tranainy. 3 sisa tavela http://t.co/vjLCCf5VE2 pic.twitter.com/A2K0CxTdhf v @markscheffler — Amro Ali (@_amroali) January 23, 2015

Ao anatin'ny serasera, mailaka ireo olom-pirenena rehetra hizara ny heviny. Ny bilaogera Saodiana Ahmed Al Omran nanamarika ny fiovan'ny zotram-piainan'i Salman hita Twitter ka nieritreritra ny toerana vaovao misy azy:

Nohavaozina tahaka izao indray ny zotram-piainana Twitter an'i @HRHPSalman: Adiresy ofisialin'ny mpanompon'ny moskea roa, Ny Mpanjaka Salman pic.twitter.com/ieqqq1kTUZ — Ahmed Al Omran (@ahmed) January 23, 2015

Somary misy fifamahofahoana ihany eo amin'ny taonan'ity mpanjaka lavo ity sy ny mpandimby azy. Avy any Emirà Arabo Mitambatra i Abdulkhaleq Abdulla misioka:

Mbola teo amin'ny 93 taonany monja dia nodimandry ny mpanjakan'i Arabia Saodita; Abdulaziz. 82 taona, Salman bin Abdulaziz indray no mpanjaka vaovao. Abdulkhaleq Abdulla (@Abdulkhaleq_UAE) January 22, 2015

Ary maro no tsy nanana lemimpanahy tamin'ny nandrenesana ny fodiamandrin'i Abdullah. Sary natao hampitsiky nozarain'ity mpisioka Twitter iray ity:

Mbola velona ny mpanjaka Abdulla ary hita nitaingina ny soavaliny pic.twitter.com/h3XJAi8jN6 — Zalameh (@BDS4Justice) January 22, 2015

Saingy misy ihany koa ireo nalahelo noho ny fiambohoan'ny mpanjakany, hoy ity mpisera Twitter iray manoratra:

Kotsan-drano ny masoko, tsy misy teny entiko milaza ny fitiavako an'io lehilahy io!#وفاة_الملك_عبدالله — ﹌ (@Lmashmranii) January 23, 2015

Misy hafa ihany koa manoratra:

Tsy mpanjaka ihany izy fa sady mpitarika no ray #وفاة_الملك_عبدالله — miss g (@AJustagirl123) January 23, 2015

Ary mbola mitohy ny fisaonana:

#RIPKingAbdullahBinAbdulaziz Very ray isika, Very mpitarika mahay isika, Very mpanjaka tsara isika Mandria am-piadanana mpanjaka Abdullah #وفاة_الملك_عبدالله — رمآد ..♡ (@ramad_n_) January 23, 2015

Avy any Ejipta, nihazakazaka niray tarika tamin'ireo mpisaona i The Rock, mankasitraka ilay mpanjaka Saodiana tamin'ny fikarakarana rehetra nataony ho an'i Ejipta.

Mpanjaka Tsara: Misaotra tamin'ny ezaka rehetra nanavotanao an'i Ejipta. Mirary fiononana ho an'ny vahoaka saodiana pic.twitter.com/M5nLYVWwWd — Etch H (@TheRockH2012) January 23, 2015

Mitohy hatrany ireo hafatra an'arivony maneho fiaraha-miory miaraka amin'ny vavaka ho amin'ny fiononan'ny fanahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.