Fantaro ny “Cebu Provincial Capitol”, Toerana Handraisana ny Zaikaben'ny Global Voices

Cebu Provincial Capitol. Photo Credits: Mike Gonzalez.

Cebu Provincial Capitol. Saripika: Mike Gonzalez.

Amin'ny 24 sy 25 Janoary hoavy izao no hotontosaina ao amin'ny “Cebu Provincial Capitol” [Lapam-Paritanin'i Cebu]; toerana manantantara iray eo amin'ny firenena heverina ho iray amin'ireo tranobe naorina meva indrindra ao Filipina, ny zaikaben'ny Olontsotra Mpampita Vaovaon'ny Global Voices.

Vakoka manantantara avy amin'ny fanjanahantany Amerikana, lasa ao anatin'ny antom-piainan'ny ankamaroan'ny Cebuanos ny Lapan'i Cebu Capitol. Indreto zavatra dimy mety ho tianao ho fantatra momba ny lapa:

1. Amin'izao fotoana izao ny Lapa Capitol dia mampiatrano ny Biraon'ny Governoram-Paritany, ankoatra ireo biraon'ny fiadidiana misy ao aminy [governemantam-paritany]. Lapa ara-tsosialy lehibe sy midadasika ihany koa izay itantanana ny maro amin'ny asan'ny Fiadidiam-Paritany. Ao amin'io toerana io no hanatontosana ny Zaikaben'ny Global Voices kasaina amin'ny 24 sy 25 janoary hoavy izao. Ao amin'ny rihana faharoa no misy ny “mozean'ny Governora” izay mandrakitra hojeren'ny vahoaka ireo fotoana manandanja notontosain'ny fiandraiketana ara-provinsialy taloha. Ny Lapa faharoa ao ambadika no Lapan'ny Fitsarana Marcelo B. Fernan Hall izay mampiatrano ny raharaham-pitsarana sy ny biraon'ny rafitra ara-pitsarana.

2. Matetika ny “Cebu Provincial Capitol”  no ampitahaina amin'ny Trano Fotsy [White House] ao Washington, D.C. any Etazonia. Ny marina, ny endri-trano dia noraisina ankapobeny avy amin'ny State Capitol ao Texas, Etazonia. Manana endrika maro itovizana amin'ny Texas State Capitol, izay mifototra amin'ny maritranon'ny vanim-potoana Italiana fameloma-maso indray tamin'ny taonjato faha-15 ny talohan'ny vanim-potoana ara-tantara antenantenany, izay miavaka amin'ny fandrafetana klasika, mifandanja endrika ankavia sy ankavanana, feno andrin-trano boribory, lohalambo ary sarivongana amin'ny endrika Romana ny Cebu Capitol. Ilay Filipino mpanao marintrano Juan Marcos Arellano no nanome endrika ny Cebu Capitol. Nambaran'ny Andrim-Panjakana Misahana ny Tantaram-Pirenena ho Tsangambatom-Pirenena Manamarika ny Tantara izy io ho fankatoavana ny fahatsarany izay mampiharihary ny harena ara-kolontsaina sy ara-tantara ananan'i Cebu.

3. Vita tamin'ny 1938 nandritr any fotoana nitantanan'ny governora Buenaventura Rodriguez ny lapan'ny Cebu Capitol. Nitarika ny lanonam-panokanana ny lapa tamin'ny 14 Jona 1938 ilay Filipina filohan'ny Commonwealth Manuel L. Quezon sy ny arsevekan'i Cebu Gabriel Reyes, izay nanome tso-drano ilay fanorenana vaovao. Nahasimbana be dia be ilay lapa nandritra ny ady lehibe faharoa 1942-1945 fa namboarina taorian'ny ady.

4. Talohan'ny nanorenana ity Capitol ity dia niantranoan'ny Fiadidiam-Paritanin'i Cebu ny Casa Provincial. Io toerana io dia ao amin'ny Plaza Independencia [kianjan'ny fahaleovantena], miaraka amin'ny Calle de los Trece Martires (izay ao amin'ny M.J. Cuenco Ave amin'izao fotoana izao.) manakaiky ny seranan-tsambo. Maro ireo nanohitra ny famindrana tany amin'ny toerana vaovao satria mbola lavitra ny afovoan-tanànan'i Cebu tamin'izay fotoana izany izy io. Nanao fanalana andro ny capitol vaovao ny olona, nilaza fa lavitra loatra ny toerana ka ny gidro miaina ao amin'ny havoana ambadiky ny lapa ihany no hanatrika ny fotoana ao!

5. Toy izao ny fivakin'ny soratra eo anoloan'ny Cebu Provincial Capitol: “The Authority of the Government Emanates from the People.” [Ny fahefan'ny governemanta dia miainga avy amin'ny vahoaka]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.