Tsy Nahafaly Loatra ny Kolombiana Ny Fiakarana Kelin'ny Karama Ambany Indrindra

“Plata (Pesos Kolombiana).” Sary avy amin'i Michele Mariani, Flickr, CC 2.0.

Manavao ny karama farany ambany indrindra isan-taona i Kolombia rehefa faran'ny taona. Tamin'ny 30 Desambra 2014, nampiakarin'ny governemanta 4,6 isanjato ho 644 350 pesos Kolombiana ($ 273) izany. Tsapa tao amin'ny media sosialy ny fahadisoam-panantenan'ny maro. Manoloana ny fiakaran'ny vidim-piainana, fanatsarana bitika eo amin'ny fahefa-mividin'ny mpiasa no azo antenaina amin'ny taona vaovao na dia mety hanalefaka ny fahasahiranana noho ny fiakaran'ny vidim-piainana amin'ity taona 2015 ity aza ny pesos kely fanampiny, araka ny filazan'ny El Colombiano..

Na dia izany aza, ny tena tadiavin'ny ankamaroan'ny Kolombiana dia ny fanatsarana ny toekarena sy ny fari-piainan'izy ireo, izay efa nampanantenain'ny governemanta :

Raha i Kolombia no manana toekarena miroborobo indrindra ao Amerika Latina araka ny filazan'ny governemantam-pirenena, dia tsy azo ekena ilay karama farany ambany indrindra natolotra. @Teleantioquia

Nanazava ny fomba nametrahana ny karama farany ambany indrindra ny Zona Jobs blog :

On December 3, negotiations will begin regarding the legal minimum wage for 2015, and the deliberation committee is ready to start suitable negotiations starting on the established date.

The same committee will be led by the current Minister of Labor, Luis Eduardo Garzón, who has already set the date starting from December 5 (two days after this agreement). Respective hearings will be made for employers and employees to present their various proposals while the National Administrative Department of Statistics (NADS) will present its proposal on December 9. 

Amin'ny 3 Desambra no hanomboka ny fifampiraharahana momba ny karama farany ambany indrindra ara-dalàna hoan'ny taona 2015; ary efa vonona amin'ny daty napetraka ny komity handinika izany.

Ny Minisitry ny Asa amin'izao fotoana, Luis Eduardo Garzón no hitarika izany komity izany izay efa nametraka ny daty fanombohana amin'ny 5 Desambra (roa andro taorian'ity fifanekena ity). Nohainoina avokoa ny soso-kevitra isan-karazany avy amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa raha nanolotra ny azy kosa ny Sampam-pitantanam-pirenena misahana ny Antontanisa tamin'ny 9 Desambra

Tsy gaga tamin'ny fiakaran'ny karama ambany indrindra i Stefa Vásquez:

Eny ry namana…mijanona ho amin'ny fetra ambany indrindra ny karama farany ambany indrindra…

Nanana fijery hafa kosa i Álvaro González mikasika ity fiakarana ity tamin'ny nanasongadinany ny karama isan-karazany raisin'ny mponina manerana ny firenena. Misy ireo mandray karama betsaka, ary misy ireo mandray kely dia kely amin'ny asany:

Raha nametra ny karama ambany indrindra izy ireo tany am-boalohany, ho mora kokoa ny hanaiky ny karama farany ambany avy eo

Nanamarika i Juan Greiffenstein fa ny fandriampahalemana dia miainga amin'ny politikan'ny toekarena tsara kokoa :

Lazao anay, ry mpandraharaha: afaka manome karama ara-drariny sy marina ho anao aho. Ary hisy ny filaminana avy eo.

Nampitaha ny karama farany ambany tamin'ny taona 2014 sy 2015 tamin'ny fampiasana dolara Amerikana kosa i Gustavo Bolívar:

Herintaona lasa izay ny karama farany ambany indrindra dia 325 dolara. Ankehitriny dia 262 dolara, tahaka ny tamin'ny 2009. Ny faharoa ratsy indrindra eto amin'ny faritra. Però irery no mandoa ratsy kokoa.

Nandritra izany, nanontany tao amin'ny gazetim-paritra iray i Giovanny Cardona Montoya, bilaogera hoe: ara-drariny ve ny karama ambany indrindra hoan'ny mpiasa Kolombiana?

The minimum wage is earned by a large percentage of Colombian workers (50 percent), therefore increasing it should be a great national interest.

Ny atsasa-manilan'ny Kolombiana mpiasa no mandray ny karama farany ambany indrindra, ka tokony ho tombotsoam-pirenena ny fampiakarana izany.

 
*Tahan'ny devizy tamin'ny 8 Janoary 2014

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.