Arabia Saodita: Hanangana “Rindrimbe” Mirefy 900 Km Hiarovantena amin'ny ISIS

Photo taken in Saudi Arabia by Flickr user Edward Musiak on Jan 13 2013. CC- BY.2.0

Sary nopihana tany Arabia Saodita avy amin'ny mpisera Flickr Edward Musiak tamin'ny 13 Janoary 2013. CC- BY.2.0

Mikasa ny hanangana rindrimbe mirefy 900 kilaometatra mampisaraka azy amin'i Iràka i Arabia Saodita, ary natao izany hiarovana azy amin'ny fanafihan'ny hery mitam-piadian'ny IS [Fitondrana Islamika], nivoaka izany androany.

Araka ny The Telegraph, ny “Rindrimbe” dia ahitana rindrina sy hadivory hiarovana ny Fitondrana Wahabi amin'ny mpikatroky ny ISIS izay mifehy “faritra lehibe kokoa ao amin'ny zaratany Irakiana” tsy hahazo ny sisintany ary ny maso dia mitodika any amin'ny “fandrombahana an'i Arabia Saodita, izay manana ny Moskea Masina roa ao Lameka sy Medina ho tanjona farany.”

Tamin'ny herinandro teo dia nisy mpiambina sisintany Saodiana roa sy ny Jeneraly Oudah al-Belawi, komandin'ny bemidina atao amin'ny sisintany ao amin'ny faritra avaratr'i Arabia Saodita maty rehefa nisy mpikambana mpanao vivery ny ainy amin'ny fanapoahana baomba ny tenany avy ao amin'ny ISIS nanafika ny tobin-tsisintany ao Suweif, tokotokony ho 40 kilaometatra miala amin'ny tanàna Saodiana ao Arar sy 80 kilaometatra avy ao Al Nukhayb, ao Iràka.

Maro ny mahita ny Fitondrana Islamika ho novolavolain'i Arabia Saodita eo amin'ny fotokeviny sy eo amin'ny mpanohana azy ara-bola. Mailaka tamin'ny fanasongadinana izany ilay avy any Pakistan, Farrukh Hussaini :

Fitondram-Panjaka Saodiana hanangana rindrina goavana sy ho tsara aro mirefy 600 maily [900 km] – mba tsy hahatafidiran'ilay biby mahatsiravina ISIS noforoniny

Mizara izany hevitra izany ihany koa ilay Libaney Tala shares :

Raha tokony haka ny fanohanana ara-bola sy fanasana ati-doha wahabita, dia hanangana ny ‘Rindrimbe’ hiarovantena amin'ny ISIS i Arabia Saodita

Fa nanamarika i Nooran, avy ao Jaffa, Palestina :

Manangana fefy 900 km hiarovantena amin'ny ISIS i Arabia Saodita ? Takany ihany ve ny farany fa hiverina hody any amin-dry zareo ny zavabitany ?

Manana ny fomba famaritany ny antsoina hoe Islam ny ISIS, izay niainga avy amin'ny fanambaram-pinoana Wahabita, fotokevi-pitondrana ao Arabia Saodita. Tamin'ny Jona teo, nisy vondrona, fantatra teo aloha ho Fitondrana Islamika ao Iràka sy Syria, no nanova ny anarany ho Fitondrana Islamika, tarihan'ny Kalifa iray, Abu Bakr Al Baghdadi. Nisy vondrona manampahaizana Miozolomana Sonita 140 malaza namaly ny ISIS tamin'ny taratasy misokatra iray milaza azy ireo fa tsy manan-jò ny hampiasa ny Islam na  Fitondrana amin'ny anarany ry zareo satria voararan'ny Islam ny tanjona efa nolazain-dry zareo hanangana fanjakana na Kalifà ary voarara toy izany ihany koa ny asam-pandravàna ataon-dry zareo.

Ao amin'ny lahatsoratra nivoaka vao haingana ny Newsweek no nanoratra:

Saudi officials don’t like to talk about it, but experts who closely follow developments inside the kingdom say ISIS enjoys growing support among ordinary Saudis, who see the group as the true champion of embattled Sunnis in their sectarian struggles against the Shiite-led governments in Iran and elsewhere. For many Saudis, ISIS also stands for a righteous, austere brand of Islam, while the royal family, they believe, is irredeemably corrupt.

Now, after years of condemning yet turning a blind eye to jihadists fighting against the Bashar Assad regime in Syria, the kingdom’s leaders are increasingly worried about support for ISIS at home.

Tsy te-hiresaka momba azy ity ny tompon'andraikitra saodiana, saingy ireo manampahaizana manokana manaraka akaiky ny firovoroboany ao amin'ny fitondram-panjaka no milaza fa mahazo fanohanana avy amin'ny Saodiana olon-tsotra ry zareo, izay mahita ilay vondrona ho tena tompondakan'ny Sonita amin'ny tolona ara-pivavahana ataony amin'ny governemanta tarihin'ny fitondrana Shiita any Iran sy any an-kafa. Hoan'ny Saodiana maro dia mijoro ao amin'ny Islam marina, sy feno fifehezantena ny ISIS, nefa raha jereny ny fianakaviam-panjaka dia efa voakolikoly hatrany amin'ny tsinaimaintiny.

Ankehitriny, aorian'ny fanamelohana an-taonany maro ao anatin'ny fanakimpiana maso tsy mijery ireo jihadista miady amin'ny fitondran'i Bashar Assad ao Syria, dia matahotra amin'ny fahazoan'ny ISIS fanohanana ao an-tanindrazany ireo mpitarika ny fitondram-panjaka.

Maro ny manontany tena amin'ny fomba iarovan'ny rindrina ny fitondrana Saodiana amin'ny “fahavalo anatiny.”

Avy ao Yemen i Haykal Bafana no mampahatsiahy antsika ny Rindrimben'i Shina, nefa tsy nahombiazana tamin'ny fiarovana an'i Beijing tsy hidaboka izany.

Rindrimben'i Shina? Eny, ilay tsy nahasakanany Mongola? Izany hoe manangana iray [koa] i Arabia Saodita tsy hahatafiditra ny IS.

Ary namehy izany ilay mpamakafaka Shami:

Hay matahotra noho izay nieritreretako azy ry zareo

Efa an-dalana amin'ny fananganana fefy 1500 km manaraka ny sisintany atsimo ifanolorany amin'i Yemen ihany koa i Arabia Saodita.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.