‘Ankizy Maro No Very Amin'ny Toerana Kely Toy Izany': Misaona Ny Lozam-piara Fitateram-bahoaka i St. Vincent

"On the road near Fancy"; photo by Ian Usher, used under a CC BY-NC-SA 2.0 license.

“Eny amin'ny làlana manakaiky an'i Fancy”; sary nopihan'i Ian Usher, nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-SA 2.0 .

Ny loza mahatsiravina tao St. Vincent no nanokatra ity herinandro ity raha nilatsaka taminà hantsana iray ary nivarina tany an-dranomasina ny fiara fitaterana iray ny Alatsinainy teo, nahafaty ankizy marobe. Voalaza fa teo anelanelan'i Owia sy Fancy no nitranga ny loza, ilay vohitra any amin'ny farany avaratry ny firenena.

Noho ny toetoetrany be havoana sy làla-miolankolaka, ity faritra iray amin'ny firenena ity, izay manana vahoaka Amerindiana maro, dia manana fahafaha-mitsinjo ny manodidina mahafinaritra tokoa, izany mitodika amin'ny Ranomasimbe Pasifika, na ny Oseana Atlantika. Lazain'ny tatitra fa tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza dia teny an-dàlana hamonjy sekoly ao Georgetown ireo mpianatra (sekoly ao amin'ny faritra ihany saingy any amin'ny lemaka).

 i Skye Hernandez, mpampiasa Facebook ary mipetraka any Trinidad sy Tobago, saingy imbetsaka efa nitsidika an'i St. Vincent, no nalahelo tamin'ilay vaovao ratsy, tamin'ny nitenenany hoe “ankizy maro [no] very tamin'ny toerana kely toy izany.” Nomarihany ihany koa fa ilay faritra nitrangan'ny loza dia “làlana mampahatahotra nefa mahafinaritra”, manazava izy :

Faritra iray tena mahavariana io, tahaka ireo maro ao St Vincent, ary mahagaga fa vitsy loza mitranga, fa ity iray ity no tena mahavaky fo.

Nosembantsembanin'ny ranomasina nisamboaravoara ny asa famonjena ka nahatonga ny zara fa nisian'ny fanomezam-baovao mikasika ilay loza. Lazain'ireo tatitra tamin'ny Alatsinainy fa raha kely indrindra dia zaza efatra no maty ary valo hafa tsy hita nanjavonana. Tatitra iray taty aoriana no niteny fa dimy hatreto no aina nafoy voaisan'ny manampahefana. Folo sisampaty tamin'ilay loza no tsaboina any amin'ny toeram-pitsaboana noho ny ratra nanjo azy ary nanamafy ny Ministeran'ny Fahasalamàna ao amin'ny firenena fa manodidina ny 22 ireo mpandeha tao anatin'ilay fiara fitaterana tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza, ka mpianatra amin'ny ambaratonga faharoa fototra ny 14 tamin'izy ireo.

Raha mbola miatrika ilay loza mahatsiravina ny firenena manontolo, maka mora kosa aloha izao ny governemanta, hatramin'ny hoe  fanemorana ny famoahana ny fanolorany ny tatitra ara-bola fanaony isan-taona, izay tokony ho novakiana tao amin'ny parlemanta iny tolakandro iny.

Vetivety dia tondraky ny fanehoankevitra mikasika ilay loza mahatsiravina ny Twitter. Darren Sammy, Indiana Tandrefana mpilalao “cricket” , izay teratany avy ao St. Lucia, miantso an'i St. Vincent ho “nosy rahavaviny”:

Andriamanitra anie ho eo anilan'ny Nosy rahavavinay #StVincent mandritra zao fotoan-tsarotra izao. Mivavaka aho ho an'ireo fianakaviana namoy ny hava-malàlany #GodIsInCharge

Nampiasa ny media sôsialy ny sasany amin'ireo mpandraharaha ao an-toerana mba hanehoany ny alahelony:

#fampanarahan'andro ny momba ilay lozam-pitaterana… http://t.co/NWPOevKTo3 Mavesatra/feno ny fonay ho an'ireo rehetra nidònany… Mahereza hatrany #StVincent

Richard Hung, mpampiasa Twitter, no nanamarika fa rehefa mitranga ny loza mahatsiravina tahaka izao, miara-mijoro maneho firaisankina ny faritra manontolo:

Letyyyy e!! Nosy iray no manaintanina, ny nosy rehetra no mangirifiry. Na izany na tsy izany, MAP ireo ankizy tanora ireo  #stvincent #westindian

Mankany amin'ireo fianakaviana namoy hava-malàla tamin'ity loza mahatsiravina ity ny fiaraha-miory avy aminay #StVincent

Vetivety dia tonga tany amin'ireo zanaka Karaibiana any am-pielezana ny vaovao, toy ilay Trinidadiana Phil Simmons, izay monina any Angletera, nibitsika hoe :

Faran'izay tena mampalahelo ny vaovao nivoaka avy any #StVincent Mankany amin'ireo fianakaviana rehetra tratry ny loza ny vavaka ataoko

Iray hafa mpampiasa Twitter, Abka Fitz-Henley, no eritreretina ho nahafantatra ny antony niteraka ny loza :

VAO IZAO: ankizy manodidina ny 12 no maty taminà lozam-pitaterana androany maraina tao #StVincent. Tapaka ny hisatry ny fiara fitaterana ary nidoboka any an-dranomasina ny fiara

Amin'ny ezaka mba hanomezana lanja ilay fahavoazana, nanoratra tononkalo iray i Elma Gabriel-Mayers, “Anatin'ny Fotoana Tahaka Ity”, izay navoakan'ny iray amin'ireo mpamoaka vaovao ao St. Vincent :

Faran'izay mampalahelo tsy tiana ho re,
ary fantatro fa ny hirifirinao no hiaretana.
nefa matokia fa eo akaiky eo aho,
miaraka aminao sy ireo havanao, nandrotsaka ny ranomasoko.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.