Alzeria: Mbola manantena hatrany miaraka amina voromahilala ambinina eo anilan'izy ireoAlgeria: Still Hoping

Taorian'ny fahareseny teo anatrehan'i Slovenia, dia nahazo hery ry zareo Alzeriana ny 18 Jona rehefa nifanandrina tamin'ny ekipa Anglisy izay natoky tena ny handreseny. Raha alaina sary an-tsaina ny fifanandrinan'ny vendrana amin'ny ekipa mahay, dia nanome fanantenana ireo mpankafy an-tapitrisany izay manantena fa hahita ny ekipa Maitso handingana ny  fihodinana voalohany:

Mpitoraka blaogy Algeriana iray no nametraka tsikera tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Un nul équitable (adi-sahala mifandanja) [fr]:

L’Algérie et l'Angleterre se quittent dos à dos après 90 minutes où les Verts ont produit une prestation honorable, en faisant jeu égal avec les Anglais, en tous les cas, rien à avoir avec celle contre la Slovénie.

Nisaraka tamin'ny ady sahala i Algeria sy Angletera taorian'ny 90 minitra  izay nanoloran'ny Maitso lalao mendrika,  tsy misy hifandraisany amin'ny lalaony teo aloha.

Avy eo nampiany:

Alors qu'une défaite contre les Anglais lui aurait coûté une élimination du Mondial, l'équipe d'Algérie prolonge son sursis et, pour prétendre à une qualification historique au 8e, ce qui est jouable, doit arracher une victoire contre les USA lors de sa troisième rencontre (…).

Raha nidika fandaozana ny  fiadiana ny amboara eran-tany ny fahareseny, dia nanalava ny fijanonany i Alzeria ary miandrandra ny dingana faharoa hanana ny toerany ara-tantara  kanefa azo atao tsara mihitsy, dia tsy maitsy mandresy ny Etazonia amin'ny lalaony fahatelo.

Rachida, Alzeriana mipetraka any Frantsa, maneho ny fiderany ny ekipa Algeriana [fr]:

Tenir tête durant plus de 90 minutes, non pas à la meilleure équipe, mais aux meilleurs joueurs au monde, relève d'un défi et ils l'ont fait. Chapeau bas à l'équipe algérienne!!!

Mifanandrina mandritra ny 90 minitra amin'ireo mpilalao mahay indrindra eran-tany, raha tsy ny ekipa tsara indrindra, dia fifandonana tena goavana kanefa dia vitan'izy ireo izany. Mipoa-tsatroka ambany ho an'ny ekipa Alzeriana!

Mitsikera ireo vokatry ny lalao, Espérance manoratra amina  forum fifampiresahana [fr] :

Ils ont bien joué contre la Slovénie mais là c'était mieux, beaucoup mieux. Il n'y avait pas d'erreurs fatales heureusement et je suis sûre qu'il peuvent faire encore mieux.

Nilalao tsara izy ireo nanoloana an'i Slovenia saingy mbola tsara miohatra an'izay ity. Tsy nisy fahadisoana be loatra, soa ihany ary mino aho fa mbola afaka manao tsara lavitra noho izay izy ireo

Fantany fa tsy mahay firy mikasika ny baolina kitra izy, fa manome an'ity toro-hevitra ity ihany i Espérance:

le joueur Abdounne devrait pas remplacer Ziani, certes blessé, lors du prochain match.

Ilay mpilalao Abdoune dia tsy tokony hisolo an'i Ziani, na dia marary aza izy, amin'ny lalao manaraka.

sary nalaina teo amin'ny fahitalavitra nandritra ny lalao

Ity sarina voromailala mipetraka eo ambonin'ny tsatokazo Alzeriana  ity dia nanamarika ny lalao ary foto-dresaka any anaty  resaka maro any Algeria. Tsikerain'i Djamel amin'ny fomba maneso ity zava-nitranga ity ao amin'ny Facebook:

Le pigeon porteur de message de guerre pour l'Algérie était en fait un grigri concocté par le duo Defoe-Heskey. C'était là la tactique de Capello ! Les Anglais nous ont pris pour des pigeons. Mboulhi (gardien algérien) volait plus haut que ce Columba et s'est avéré plus puissant que ce dopage aérien.

Ity voromailala mitondra hafatra milaza ady ho an'i Algeria ity kay fitaka nataon'i Defoe sy Heskey. Izany ny paikadin'i Capello ! Heverin'ireo Anglisy fa voromailala mora fitahina isika. Mbouhli, ny mpiandry tsatokazo, nanidina avo noho ity vorona ity ary toa matanjaka lavitra noho ny tosika [amin'ny alalan'ny fanafody] eny anabakabaka.

Tsy very fanantenana ireo Algeriana ary mino fa haharesy ny ekipa Amerikana ny ekipany. Ny fanontaniana dia hoe, mbola ho eo ihany ve ilay voromailala?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.