Mamorona Jingles Fanao Amin'ny Radio ny Tanora Breziliana Hampiroboroboana Ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Amazonia

6M5A1615 copy

Pablo Diego, Évany Valente, Jessica Ertel, Carol Sousa sy Manoela Souza mandrakitra teny famantarana ao amin'ny Rádio Arraia

Breziliana Tanora mpitarika 12 hatramin'ny19 taona no mampiasa zavakanto sy fifandraisana mba hanehoana fa misy ny karazam-pandrosoana hafa azo tanterahina ao Brezily. Ao amin'ny faritra miorina ao amin'ny alan'i Amazonia antsoina hoe Cabelo Seco, tanàna mpifanolo-bodirindrina ao an-tanànan'i Marabá ao amin'ny firenena federalin'i Pará, anisan'ny fiarahamonina Rios de Encontro (Fiandroan-dRenirano) izy ireo, mampiroborobo ireo hetsika ara-kolontsaina ao amin'ny fiarahamonina izay mifantoka amin'ny angovo maharitra, fitsaboana voajanahary ary ny fanabeazana. Amin'ity taona ity, nanangana ny Radio Arraia izy ireo, tetikasa nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices 2014 izay mamoaka “jingles” momba ireo hetsiky ny vondrona manodidina ny tanàna.

Anisan'ny drafitrasa Breziliana ho amin'ny fampandrosoana ireo andiana tetikasa tohodrano hamokarana herinaratra sy fitrandrahana harena ankibon'ny tany ao amin'ity faritry ny firenena ity. Ohatra, noresahina tao amin'ny radio ireo jingles [teny an-tonokira famantarana fohy] noforonin'izy ireo nandritra ny tafatafa momba ireo lalankafa ankoatra ny tohodranon'i Marabà hamokarana herinaratra, satria milaza ny tsikera fa hahatondra-drano ny tanàna mifanolo-bodorindrina an'i São João izany ary hanakorontana ny fiainan'ireo mponina ao Marabá sy ny faritra atsimo-atsinanan'i Pará raha tafaorina.

Henoy ny jingle [teny famantarana] “Mila Angovo azo avy amin'ny Herin'ny Masoandro Aho” ao amin'ny Radio Arraia:

[audiomp3=”https://pt.globalvoicesonline.org/wp-content/uploads/2014/12/eu-quero-energia-solar-rios-de-encontro-2014.mp3″][/audio]

Mikasa hampiroborobo ireo fiovana ara-tsosialy lovain-jafy amin'ny alalan'ireo tetikasa isan-karazany ny fikambanana Rios de Encontro. Niara-niasa tamin'ny fokonolona taranaka Afrikanina ao Cabelo Seco izy ireo hatramin'ny taona 2009, ary efa nahahentana fianakaviana 380 sahady tao. Nanjary toerana manatantara hoan'ny hetsika ara-kolontsaina sy momba ny tontolo iainana ny faritra manodidina, izay efa nisy fotoana nalaza tamin'ny trafikan-drongony maherisetra.

Jessica Ertel, Renato Cavalcante (UFPA) e jovens coordenadores Evany Valente, Carol Sousa e Pablo Sousa apresentam a primeira bici-radio sola no mundo, frente a instalacao 'Deixa o Nosso Rio Passar' na Galeria do Povo na pracinha de Cabelo

Jessica Ertel, Renato Cavalcate (Oniversite Federalin'i Pará), niara-niasa tamin'ireo tanora mpandrindra: Evany Valente, Carol Sousa sy Pablo Diego. Mampiseho ilay bisikileta velona amin'ny angovo mandeha amin'ny herin'ny masoandro, nampahafantarina tamin'ny 14 Desambra tao Cabelo Seco izy ireo.

Niresaka tamin'ireo mpanabe sy ireo olon-dehibe mpandrindra ny vondrona ny Rising Voices : Manuela Souza 40 taona sy Dan Baron 57 taona, mpanorina ny Institute Transformance, izay niara-niasa tamin'ireo fikambanana isan-karazany manerantany, ary i Ana Carolina de Souza 13 taona, Evany Valente 15 taona, Pablo Diego 15 taona sy Sandoval Maia 13 taona.

Taorian'ny fikarohana naharitra telo volana, nanatontosa ny “bici-radio mandeha amin'ny herin'ny masoandro” ireo tanora, bisikileta miaraka amin'ny fitaovana fandefasam-peo miraikitra aminy ary mandeha manontolo amin'ny angovo mandeha herin'ny masoandro. Tamin'ny alalan'ny bisikileta no nakan'izy ireo ny jingles tamin'ireo mponin'i Marabá.

Anisan'ireo tanora misahana ny bisikileta radio i Pablo Diego. «Mino aho fa hampianatra ny olona tsy hanimba ny tontolo iainana, sy tsy hanafo-drano ny tanànantsika aho”.

Nanomboka tamin'ny taon-dasa ny famokarana ireo jingles, talohan'ny nanombohan'ny Radio Arraia mihitsy aza. Hoan'i Manoela, mbola maro ireo zavatra hoavy:

We want to expand our activities with the radio bike. The teenagers have already created videos about community leaders. This year, we taught courses about living history and community radio. With Rádio Arraia, we have been encouraged to set up a community radio online in the Amazon.

Te-hanitatra ny hetsikay izahay miaraka amin'ny bisikileta radio. Efa namorona lahatsary momba ireo mpitarika ao amin'ny fiarahamonina ireo tanora. Tamin'ity taona ity, nampianatra momba ny tantaram-piainana sy ny onjam-peom-piarahamonina izahay? Miaraka amin'ny Radio Arraia, nentanina mba hametraka onjampeom-piarahamonina an-tserasera ao Amazonia izahay .

Hanampy ny fiarahamonina amin'ny fampiasana ity fitaovana nomerika ity amin'ny asan'izy ireo ny vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Rehefa tonga ny fotoana hamoronana ny jingles, dia miteny na mitendry zava-maneno ny tsirairay amin'ireo mpandrindra ny tanora. Alefan'i Dan Baron, sy ireo tanora mpitarika ao amin'ny solosaina avy eo ny vokatra.

Raha mikarakara ny sehatry ny mozika i Evany, Sandoval kosa no anisan'ny misahana ny fandaharan'ny radio. Mpiangaly mozika avokoa izy roa tonta ireo: mitendry kilarinety i Evany ary mitendry zava-maneno maro kosa i Sandoval, ankoatra ny fampianarana gitara sy saxophone “Manome aingam-panahy ahy i Evany ary manohana ahy amin'ny fandrindrana ny famokarana jingles kosa i Manoela. Tsy maintsy mandray am-pahamatorana tanteraka ity tetikasa Radio ity izahay. Atsy ho atsy, ho fanampin'ny jingles, hanatontosa antsafa izahay”, hoy i Sandoval, izay efa nianatra ny fomba fikirakirana sy famokarana jingles.

Hoan'i Évany, ny endrika iombonana no zavatra tsara indrindra momba ny famoronana. “Mifandrisika ny tsirairay ao amin'ny vondrona.”

Tetikasa madinika hafa

Ankoatra ny Radio Arraia, nametraka tetikasa madinika maro hafa ihany koa ny fikambanana Rios de Encontro izay antsoina hoe Latinhas de Quintal e Afro Mundi (mozika), Pés no Chão (dihy), Cine Coruja (sinema), Rabetas Vidéos, Asa fanaovan-gazety ara-tsosialy, Bicicletadas pela Vida (Mitondra bisikileta hoan'ny fiainana), Bibliotecas Folhas da Vida (Tranom-boky Ravin-kazon'ny Fiainana) ary ny Roupas ao Vento (momba ny miralenta). Manaparitaka izay vaovao momba ireo hetsika ara-kolontsaina ao amin'ny fiarahamonina ny radio.

Tamin'ny fanampian'i Ana Carolina de Souza 13 taona, dia mandrindra ny Cine Coruja ihany koa i Evany. Mametraka anjara biriky kely avokoa ny rehetra any amin'ny farany. Misahana ny fitsaboana voajanahary i Ana Carolina no sady mitantana ny tetikasa Roupas ao Vento, izay mikendry hanentana ny olona amin'ireo olan'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.

Hoan'i Dan kosa, mahery fo tokoa ireo tanora ireo maneho hevitra am-pahibemaso sy manontany momba ny tetikasa herinaratra mandeha amin'ny renirano sy ny lakan-drano ao amin'ny faritra:

Here, to speak publicly is so dangerous that keeping silence is the best way to survive. They are very aware young people and artists, not ‘activists’ as we know it in the sense of this word. We are using the radio as a way to raise awareness and encourage communities who have been victims of exclusion and poverty due to the mega projects in the Amazon.

Mampidi-doza tanteraka ny maneho hevitra am-pahibemaso eto, ka ny tsy miloa-bava no fomba tsara hivelombelomana. Tanora sy mpanakanto mahira-tsaina tanteraka izy ireo, fa tsy «mpikatroka» araka ny fantatsika amin'ny hevitr'izany voambolana izany. Mampiasa radio izahay ho fomba hanentanana sy handrisihana ireo fiarahamonina izay niharan'ny fanilikilihana sy ny fahantrana noho ireo tetikasa goavana tao Amazonia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.