Mahery Fo Voasambotra Fa Niampanga “Fanandevozana An-tanindrazana” Tao Maoritania

Biram Dah Abeid via wikipédia CC-BY 20

Biram Dah Abeid ao amin'ny wikipédia CC-BY 20

Voasambotra sy voatana nanomboka ny 11 novambra 2014 i Biram Dah Abeid, Filohan'ny “Fiverenan'ny Hetsika Manohitra ny Fanandevozana ao Maoritania” (na IRA – manana pejy Facebook ahitana mpankafy miisa 5 035) sy ireo maro hafa mpiaro ny zon'olombelona tao Maoritania. Ny sasany nampijaliana.

Nahazo ny Lokan'ny Firenena Mikambana noho ny fiarovana zon'olombelona sy ny lokan'ny Mpiaro ny Zon'olombelona Tandindonin-doza (Front Line Defenders At Risk) io mahery fo io tamin'ny taona 2013. Nikarakara diabe fanentanana manerana ny nosy izy mba hanairana isan-tanàna, tamin'ny alalan'ireo fivoriana hanambaràna ny “fanandevozana an-tanindrazana”, rafitra iray hanodinana ireo “haratin” (mainty hoditra any Mauritanie) ho mpiasatany eo amin'ny tany lovany.

Nahazo famatsiam-bola madinika tamin'ny Rising Voices ny IRA-Maoritania tamin'ny 2014 mba hanofanana olona 35 andevo taloha amin'ny fampiasana ny tambanjotra sosialy.

 Ireto avy ireo mpandray anjara hafa voasambotra tamin'ny filaharam-be : M. Brahim Bilal Ramdhane, M. Khattri Rahel, M. Dah Boushab, M. Abidine Matalla, M. Samba Diagana, M. Hassane Mahmoud, ny mpikambana rehetra tao amin'ny IRA, ary koa M. Djiby Sow, filohan'ny ONG Kawtal, ONG mpiara-miasa amin'ny IRA.

 

Manifestations de IRA Mauritanie

Fhetsiketsehan'ny IRA-Maoritania manohitra ny fanandevozana, tao amin'ny pejiny Facebook

Tamin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny vohikalany, nampahafantatra ny Fikambanana Iraisam-pirenena miaro ireo Mpiaro ny zon'olombelona, na Front Line Defenders, fa:

Ny 11 novambra 2014, voasambotry ny mpitandro ny filaminana ary voatazona mandritry ny fotoana voafetra ireo mpiaro ireo zon'olombelona, Atoa. Biram Dah Abeid sy olona valo hafa fara-fahakeliny. 

Ny fito amin'ireo dia mpikambana amin'ny Tetikasa ho an'ny Fiverenan'ny Hetsika Manohitra ny Fanandevozana ao Maoritania – IRA, fikambanana iray izay miasa ho an'ny famongorana ny fanandevozana any an-toerana….

Izany hetsika izany dia namoaka tsy tapaka lahatsoratra ahitana ireo dingana isan-karazany tamin'ny blaogy mitondra ny anaran'ny Filoha biramdahabeid.org. Toy izao ny voavaky ao amin'ny lahatsoratra voalohany :

Na dia teo aza ny sakantsakana nataon'ny mpanao gazety dia manavatsava ny lohasaha manaraka ny reniranon'i Senegaly ny diabe manohitra ny fanandevozana an-tanindrazana nanomboka tamin'ny 7 novambra. Androany, alahady 9 novambra 2014, any Rabie no misy azy manao fitokonam-bahoaka eo ambany fiarovan'ny filoha lefitry ny IRA-Maoritania Brahim Bilal Ramdhane, ary atrehan'i Djiby Sow filohan'ny fikambanana tsy miankina “Kawtal Djélitaré”, sy Balla Touré ary ireo manan-kaja hafa”  

Organisateurs

Nampahafantatra ny lahatsoratra faha-6, nivoaka io 14 novembre io fa, nanaovan'ireo mpitandro ny filaminana herisetra ara-batana sy fanalam-baraka i Brahim Bilal RAMDHANE, Dah BOUSHAB ary Khattri RAHEL. 

Tao amin'ny filazam-baovao, ny alarobia 12 novambra, manambara ny Amnesty International, raha mitaky ny hamotsorana ireo mahery fo, fa:

Tafiditra anatin'ny tsindrihazolena tsy mitsaha-mitombo atao amin'ireo mahery fo mpanohitra ny fanandevozana ao Maoritania izany fisamborana izany. Tamin'ny volana oktobra, mpikambana efatra tao amin'ny IRA no voasambotra tao amin'ny trano fivavahana lehibe iray any Nouakchott renivohitra, rehefa namaly ny tsikera manohitra ny fikambanany izy. Nendrikendrehina ho nanakorontana ny fizotry ny fivavahana sy nitarika fikomiana izy ireo, ankoatra ny fiampangana hafa. Ary dia voatana tsy nisy fitsarana.

Etsy andanin'izany, milaza Fikambanana Iraisam-pirenena miaro ireo Mpiaro ny zon'olombelona (Front Line Defenders) fa:

…hatramin'ny nitazonana azy ireo, nogiazana ireo findainy, ary ankehitriny dia natoka-monina tsy azo ampifandraisina amin'ny ivelany sy tsy mahazo miresaka amin'ny mpisolo-vavany ireo voasambotra. Araka ny vaovao voaray dia voatana any amin'ny tobin'ny mpitandro ny filaminana ny sasany amin'izy ireo ary ny sasany kosa any amin'ny fandrindràna ny fiarovana.

Manameloka ireo fisamborana ary mitaky ny famotsorana ireo mahery fo rehetra, ireo fikambanana maro mpanohitra ny fanandevozana, anisan'izany ny “Touche pas à ma nationalité” (Aza kitihina ny zom-pireneko). Ity farany dia nampahatsiahy ireo herisetra nahazo ny mpikambana tao aminy tao andrenivohitr'i Nouackchott, nandritra ny famorian-bahoaka ho fanohanana ny diabe, ny 11 novambra. Tao anaty lahatsoratra iray nivoaka tao amin'ny rimweb.net dia navoakan'i  ny dika mitovin'ny antontan-taratasy ofisialy mirakitra ny herisetran'ny mpitandro ny filaminana, miaraka amin'ny fisamborana ireo mahery fo, izay avy any amin'ny olona any ambony any. Manampy izy ao anatin'ny tsikerany fa:

Nanampy ny loharano fiarovana, izay tsy mitonona anarana, fa ireo tompon'andraiki-panjakana ao amin'ny tanàna atsimon'i Maoritania dia naharay baiko avy any ambony mba hanakana io diabe'ny IRA io tsy hiditra ao an-tanàna.

Vao any amin'ny 15 km miala an'i Rosso, nanakana ny diabe ny mpitandro filaminana ary nanazava fa hiandraikitra ny fiarovana izy ireo mandra-pivoaka ny renivohitr'i TRARZA. Nanamafy ilay loharanom-baovao fa nilaza tamin'ny Tetikasa ho an'ny Hetsi-panoherana ny Fiverenan'ny  fanandevozana ao Maoritania ireo mpitandro filaminana, fa afaka mandalo ny tanàna ny diabe saingy tsy mahazo manao famoriam-bahoaka satria tsy nahazo ny alalana tany amin'ireo tompon'andraikitra.

Nilaza ireo tompon'andraikitry ny diabe tarihan'ny filohan'ny IRA, Biram Ould Dah Ould ABEID, fa tsy manaiky ireo toromarika ireo izy ary vonona ny hanao sorona ny tenany mba hanatanterahana famoriam-bahoaka ao Rosso, hanao hatramin'ny fibahanana ny làlana Rosso-Boghé mihitsy aza.

Vokany, nosamborin'ny mpitandro ny filaminana i Biram Ould Dah Ould Abeid sy ireo namany sasantsasany sady naparitany ireo mpandray anjara hafa tamin'ny diabe.

Tao anatin'ny hafatra ho an'ny vahoaka maoritaniana, tany amin'ny toerana nitazonana azy, dia miantso ireo rehetra mahery fon'i IRA, ary koa ireo hafa rehetra amina hetsika fanoherana ny fanandevozana, i Biram Dah Abeid, izay nilatsaka ho kandidà filoham-panjakana, mba hanatontosa hatrany ny hetsika sy ny fanehoan-kevitra amim-panajàna sy amim-pahatoniana. Manampy izy hoe:   

Etsy andaniny, mandefa ity hafatra ity aho ho an'ireo manampahefàna : Maniry ny ho tsaraina aho ho an'ireo lehibe mpanameloka fa ireo “mpideradera”, ireo andevon'ny fanaovana vavolombelona mandainga, ireo mpanavakavaka sy ireo mpanandevo mpankahala dia tsy nitsahatra ny nanenjika ahy tany amin'ny fampielezam-baovaom-panjakana, anaty mediam-panandevozana sy mpanavakavaka hafa, ary anatin'ireo trano fivavahana. Tsy milasalasala misorona, ary izany no manome herin-tsaina hiatrehana ireo fanamelohana rehetra, eny fa na dia ho faty aza satria efa nanokna-tena ho an'ireo voageja, ho an'ireo ory, ho an'ny demokrasia isika”.

Ny 13 novambra 2014, namoaka fanambaràna ireo maoritaniana ampielezana any Amerika Avaratra sy any Eoropa ary nilaza fa:

Nampatahotra ny fanjakana ny fahalavorarian'io fanentanana sy fanetsehana ny vahoaka io ka nanapahany hevitra ny hamoritra ireo mpiaro ny zon'olombelona, nandritra ny dingana farany tamin'ny diabe. Vokatr'izay, rehefa tonga tao Rosso ny Talata maraina 11 novambra 2014, notsenain'ireo mpitandro filaminana maoritaniana ary nosamborina ireo mahery fo ; tsy mahazo mifandray amin'ny any ivelany ireo rehetra voatàna .

Efa imbetsaka ireo fikambanana mpanohitra ny fanandevozana no nanaitra ny sain'ny firenena sy izao tontolo izao mikasika ny mety hisian'ny ady an-trano any Maoritania vokatry ny “fiombonana tsy am-piheverana ataon'ny tompon'andraiki-panjakàna amin'ny hevitra sy tombontsoan'ireo mpanao tsindrihazolena”, sady misarika amin'ny famongorana ny fanandevozana an-tanindrazana izay mikiky ny firaisankinam-pirenena”.

Efa nigadra imbetsaka i Biram Dah Abeido, tamin'ny taona 2001 ny farany nohon'ny fandoroany ireo bokim-pivavahana manome rariny ny fanandevozana, izay nahatezitra ireo mpivavaka sy mpanao politika. Nandrahona ny hampihatra ny sharia ireo manampahefàna. Manoloana ny fahefana manao be marenina, miendrika fanehoan-kevitra tsy azo iadian-kevitra, fandikana ireo fady ary hetsika matetika mivaona amin'ny mahazatra ny paik'ady politikany. Izay no mahatonga ireo zavatra ataony ho toy ny mandrangaranga famonoan'olona sy mahatonga ny fisamborana ireo mahery fo manaraka azy.

Nahazo mpikambana 1384 sahady ny vondrona iray “LIBEREZ Biram Ould Dah Ould Abeid” (Avoty i Biram Ould Dah Oyld Abeid) noforonina tao amin'ny Facebook.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.