Iran: sarisarin'i Mir-Hossein Mousavi mampisafoaka ireo maitso

Mpanao sariitatra Iraniana lehibe iray sady mpitoraka blaogy mipetraka any Canada, Nikahang Kowsar, dia namoaka sariitatry ny  filoha mpitarika ny, Mir-H0ssein Mousavi izay niteraka fanehoan-kevitra  maro tao amin'ny media sosialy Iraniana.

Mampiseho an'i Mousavi mipetraka eo latabatra iray afaka 10 taona aorian'izao, manoratra ny fanambarany faha-300.

Tsy manivaiva mivantana an'i Mousavi ity sariitatra ity, fa mampiseho somary fampihenan-danja mahatezitra ho an'ny mpanohana azy. Angamba mamaly ny tsy fahafaliany noho ity sariitatraity ny Roozonline, tranonkalan'ny mpanohitra, dia nalany tao amin'ny tranonkalany tsy misy fanazavana ity sariitatra ity. Na izany aza, tranonkala mpandala ny nentin-drazana sy (mpomba ny Governemanta) ao Iran no namerina namoaka ity sariitatra ity ary “nanandratra” fa hitan'izy ireo tahaka ny fisavilian'ny toe-tsaina ao anivon'ireo “mpanohitra ny fiovana” (ny fanoherana).

Sabz1388 manoratra [fa]:

Tsy olo-masina i Mousavi, olombelona ety an-tany izy ary manota. Nikahang manontany antsika mikasika ny fihetsik'i Mousavi tamin'ny famonoana tany amin'ny andian-taona 1980 tany… Tsy fantatro, mbola kely aho tamin'ireny fotoana ireny, kanefa manakiana ireo famonoana niseho vao haingana i Mousavi… Ireo adi-hevitra manohana na tsia an'i Nikahang dia mahavery làlana antsika amin'ireo vaovao sy ny hetsiky ny Green Movemen [hetsika maitso].

Jacoobjacoobi mifototra [fa] amin'ny fanambarana faha-300-n'i Mousavi asehon'ity sariitatra  ity ary miteny fa na ireo fanakianana farany izay masiaka indrindran'i Mousavi aza dia tsy afaka mandà fa miziriziry sy mangataka ny zon'ny mponina Iraniana izy.

Sogholme mihevitra [fa] fa Nikahang dia maneso ny adin'i Mousavi tsy tia herisetra. Nikahang, izy tenany indrindra, dia tsy miombon-kevitra amin'izany ary manoratra [fa] fa manohana ny tsy fanaovana herisetra ihany koa:

“Nanontany ahy ny sasany tamin'ireo namako raha te-hamotika an'i Mousavi aho. Tsia dia tsia no valinteniko.  Tsy manana olana manokana aminy aho… Mpanao sariitatra aho ary te-haneso ny lafin-kery rehetra. Anontany azy ireo.”

Nikahang dia nanao sariitatra hafa mampiseho an'i Mousavi tahaka ny olo-masin'ny “maitso”, mampitaha azy amin'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad izay indray andro nilaza fa nisy hazavana nanodidina azy tamin'ny kabariny tany amin'ny Firenena Mikambana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.