Rosia: Famakafakana ny hetraketraka atao amin'ny mpitoraka bilaogy

Tato anatin'ny 5 taona izao dia mpitoraka bilaogy miteny rosiana 40 eo ho eo no lasibatry ny piraty informatika (hackers) ka izany hetraketraka izany dia tarihan'ny vondrona mitondra ny anarana hoe The Brigade of Hell (Ny Brigadin'ny Afobe). Mihetraketraka ireo mpitoraka bilaogy miresaka politika sy varotra izy ireo. Raha mihena ny fahavitrihany na voafafan'ilay nohetraketrahana ny zavatra nosoratany dia tsy tratra izy. Ny tena ratsy dia rehefa tafiditra any amin'ny bilaogy miresaka politika izy ireo dia voabaikon'ireo olona ambony ao amin'ny fitondrana matetika.

The Brigade of Hell, tambajotra-na mpitoraka bilaogy 20 miampy mana-pahaizana amin'ny internet miparitaka eran'ny firenena, dia eo ambany fitarihan'ny piraty (hacker) iray mipetraka any Alemaina fantatra amin'ny anarana hoe  Hell (fantatra koa amin'ny solon'anarana hoe Helloween, Torquemada, Hacker Hell, na Great Hacker Hell). Araka ny voalazan'i Vladimir Pribylovski [EN], olona fanta-daza, mpahay tantara, mpandihady ny resaka politika ary indrindra koa mpanao fanadihadihana ireo mpitoraka bilaogy lasibatry ny hosoka, dia eo ambany fitarihan'i Timofei Shevyakov [RUS], anankiray amin'ireo mpandihady tena ikoizana ao amin'ny vohikala politonline.ru mpanohana an'i Kremlin io vondrona io, sady mpiasa taloha tao amin'ny foundation for Effective Politics [EN] ihany koa.

Screenshot of the site "Virtual Inquisition"
Sary bilaogy nanaovan'i Hell hetraketraka.

Nanomboka tamin'ny faran'ny taona 2005 ny fanaovana hosoka voalohany ary notarihan'i Hell izany, nampian'i Yuri Makhno [RUS] (fantatra koa amin'ny solon'anarana hoe maxho_mactep, mactep_maxho). Natao indroa miantoana ny fanaovana hosoka informatika tamin'izany. Miditra ao amin'ny bilaogy aloha ny hacker (ny ankamaroan'ireo kaonty nanaovana hosoka dia avy amin'ny bilaogy LiveJournal daholo), mampihen-danja ny bilaogy ary mamono ny soratra ao anatiny. Avy eo misy mpanao hosoka hafa miantso ilay niharam-boina ary miezaka maka ny fony ka manolo-tanana azy hanamboatra ny bilaogy voafafa. Miseho ora vitsy aorian'ny hisehoan'ny fanaovana hosoka daholo izany rehetra izany, ka tsy misy na tsy ampy ny fotoana hampiasana ny fanampiana teknika atolotry ny ao amin'ny bilaogy. Taorian'io hetraketraka voalohany io dia nanao dika mitovy ireo bilaogy rehetra ao aminy ny LiveJournal.

Rehefa antomotra ny fifidianana (fifidianana solombavam-bahoaka tamin'ny 2007, fifidianana filoham-pirenena tamin'ny martsa 2008), dia nihaniroborobo ny asan'ireo hackers. 18 tamin'ireo hosoka 43 hita no niseho tamin'ny taona 2007. Ny bilaogy politika, na ny mitana ny nentin-drazana izany na ny tsy miankina, dia samy lasibatry ny mpanao hosoka daholo (ary na dia ny an'ilay mahery fo Viktor Alksnis [EN], sy vohikala marobe an'ny antoko Libéral “Yabloko” [EN] aza). Etsy ankilan'izany koa dia mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy maro hafa koa no niharan'ny hosoka (ohatra amin'ireny ilay mpitoraka bilaogy malaza Andrei Malgin [RUS], sy Yelena Tokareva, mpanoratra mafana fo ao amin'ny stringer.ru). Afaka jerena eto [RUS] ny lisitra feno misy ny kaonty hosoka sy momba ny Brigade of Hell.

Ny ady nifanandrinan'i Rosia sy Georgie tamin'ny taona 2008 koa dia anisan'ireo nampiasana hosoka informatika koa noho ny antony ara-politika. Ny bilaogin'i Oleg Panfilov [RUS], mpanao gazety manohana an'i Georgie, dia niharan'ny hetraketraka tapa-bolana taorian'ny nanombohan'ny fifandirana. Taty aoriana, dia voatery tsy maintsy nifindra monina nankany Georgie i Panfilov ho fitandroana ny ainy : efa naharay fandrahonana maro izy .

Ny bilaogin'i  Vladimir Varfolomeev [EN], lehiben'ny famoaham-baovao ao amin'ny radio Echo Moskvy, no niharan'ny hetraketraka informatika taorian'ny famoahana ny lahatsoratra nanindrona mikasika ny toe-karena rosiana sy ny sivana nahazo ny gazety tany an-toerana : nosoratany tamin'izay fa tsy mahazo manoratra ny teny hoe “krizy” ny gazety sady tsy mahazo manoratra mikasika ny fitotongan'ny ekonomia. Roa volana taty aoriana dia niakatra avo roa heny ny vidin'ny vola rouble rosiana raha ampitahaina amin'ny dolara amerikana, kanefa mitotongana ny toe-karena izay anatin'ny krizy erantany [EN]. Varfolmeev manazava ny anton'ny ny hetraketraka:

Кто-то считает, что взлом блога готовился давно. Скорее всего, так и было – сигнальчики в виде соответствующих угроз поступали периодически.
С другой стороны, думаю, последней каплей стал недавний пост о кремлёвской финансовой цензуре, уж слишком большой и серьёзный отклик он вызвал.

Mihevitra ny olona sasany fa efa nomanina fotoana ela mialoha ny fanaovana hosoka informatika. Mety ho izany angamba, indraindray aho maharay hafatra mifono fandrahonana. Inoako fa ny mahatsoratro mikasika ny sivana ara-bola ao Kremlin no rano kely nahatondraka ny ony : lasa nahoraka be mantsy ilay resaka.

Ny ankamaroan'ny hetraketraka informatika dia tsy maintsy mandalo eo amin'ny hafatra elekronika avokoa. Nanazava ny fandehany ny [RUS] The New Times : mampiaraka ny tetika teknika sy “sosialy” ny piraty, mitady vaovao mikasika izay ho lasibatra, avy eo manao hosoka ny kaonty imailaka ireny amin'ny alalan'ny fametrahana “fanontaniana fanampiny” (ny anaran'ny reny, ny anaran'ny biby fiompy…); avy eo izy manafika ny bilaogy amin'izay .

Izany fanazavana izany dia avoaka matetika amin'ny Virtual Inquisition [RUS], vohikala ofisialy an'ny vondrona hacker (voamarina ny fisiany). Ny teny ampiasaina ao amin'ity vohikala ity dia karazana tenin-jiolahimboto fampiasa any amin'ny cyber manokana ary mifono fanompana sy fandrahonana an'ireo niharan'ny hetraketraka sy izay mbola hohetraketrahana.

Nialoha ny faran'ny taona 2009 dia nijanona tampoka ny hosoka. Kanefa fotoana fohy ihany izany: niverina indray izy nanomboka tamin'ny voalohan'ny taona 2010. Tamin'ity indray dia ireo bilaogy miresaka varotra no lasibatra (ireo izay maka vola amin'ny fanaovana fihenam-bidy amin'ny vokatra na tolotra omeny). Tamin'ny martsa 2010, ny bilaogin'i Igor Bigdanov, anankiray amin'ireo mpitoraka bilaogy Iokraniana malaza indrindra no niharan'ny hetraketraka [EN]. Fotoana fohy tato aoriana, vohikalan'ny mpitoraka bilaogy malaza hafa koa, Maxim Sviridenkov, no nanaovana hosoka sy novana endrika [EN]. Nanafika an'i Renata Gueseletova koa ny piraty, Reneta izay mpanohana an'i Maxim Sviridenkov, izay nilaza ampahibemaso fa tokony hotoriana ireo mpanao hosoka informatika. Avy eo dia anjaran'ny [EN] bilaogy sy ny pejy Facebook an'ilay mpanao gazety Igor Maltsev indray no tratra.

Taorian'ny fanaovana hosoka, nitaky ny hisian'ny rariny i Maxim Sviridenkov, rehefa noheverina fa monina ao anatin'ny faritry ny Vondrona Eoropeana ireo piraty na mpanao hosoka (maro amin'ireo niharam-boina no nanamarika ny adiresy IP avy any Alemaina). Niangavy ireo mpamaky azy izy hanely ny vaovao mahakasika ny hosoka. Noporofoiny amin'ny hetsika ny teny nataony, nametraka fitoriana tany amin'ny polisy rosiana i Sviridenkov.

Maro no azo tsoahina amin'izany rehetra izany. Voalohany, ny mpitoraka bilaogy tsirairay (na monina any Rosia izy na tsia) dia mety ho lasibatry ny hosoka informatika avokoa raha mbola mijoro koa ny vondrona Brigadin'ny Afobee of Hell. Amin'izao fotoana izao aloha, mbola manohy ny asany ireo mpanao hosoka ireo sady mbola tsy voasazy, raha tsy manana afa-tsy ny fanamafisana ny fiarovana ny bilaoginy sy ny hafatra imailakany no hany azon'ny mpitoraka bilaogy atao, ary tsy afaka manantena fanampiana avy amin'ny fitsarana akory. Faharoa, tsy mahazo baiko hanao hosoka any amin'ny bilaogy politika aloha amin'izao fotoana izao ny hackers fa ireo bilaogy miresaka varotra no ataony lasibatra. Kanefa mety hiova izany rehefa manakaiky ny fotoanan'ny fifidianana. Fahatelo, ny fomba fanaovana hosoka tena ampiasainy dia ny “sosialy”. Ireo mpitoraka bilaogy miresaka zavatra saro-pady dia tsy maintsy mailo amin'ny filazana ny momba azy manokana any amin'ny internet any.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.