Tandindonin-doza Ny Mpanao Hetsi-panoherana, Tsy Maintsy Hampitombo Ny Mangarahara Amin'ny Fitakiana Angon-drakitr'Olon-tsotra i Hong Kong

Hong Kong police had thus far made at least four high-profile arrests of online forum users who posted messages encouraging people to take to the streets. It raised the concern over the lack of transparency in government's request on users' data. Photo from inmediahk.net.

Raha kely indrindra, fisamborana olona efatra manana toerana ambony tamin'ireo mpampiasa seha-pifanakalozan-dresaka ety anaty aterineto ka nandefa hafatra mandrisika ny olona hirotsaka an-dalambe, no nataon'ny polisin'i Hong Kong. Sary avy amin'ny inmediahk.net, fampiasàna nahazoana alàlana.

Navoaka tao amin'ny South China Morning Post, tamin'ny tsanganana natao ho an'ny fanehoankevitra, ny lahatsoratra voalohany niaingan'ity. Jennifer dia mpanoratra ho an'ny Global Voices sady mpikaroka iray ao amin'ny Hong Kong Transparency Report, tetikasa iray an'ny Foibe Fianarana ny Asa Fanaovana Gazety sy ny Media ao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong.

Nandritr'ilay Fibodoana ny Afovoany, hetsika am-bolana maro tao Hong Kong dia, raha kely indrindra, fisamborana olona efatra manana toerana ambony tamin'ireo mpampiasa seha-pifanakalozan-dresaka ety anaty aterineto nandefa hafatra mandrisika ny olona hirotsaka an-dalambe na hamely ny polisy mihitsy aza, no nataon'ny polisy. Tsy hoe fotsiny nampitombo ny olan'ny fahalalahana miteny ireny fisamborana ireny, fa koa nanasongadina ireo fomba fanao manjavozavo entin'ireo masoivoho  mpampihatra ny lalàna ao amin'ny tanàna sy ireo mpanome tolotra aterineto mihazona ny mombamomba ireo mpampiasa azy.

Nilaza tamin'ireo fampahalalam-baovao avy any ivelany i Joe Lam, tale mpanatanterak'ilay seha-pifanakalozana malaza ao an-toerana, HKGolden, fa hoe notakian'ny polisy taminy ny hanomezany azy ireo ny adiresy IP sy ny hafatra mifamatotra amin'ny kaontin'ny iray amin'ireo mpampiasa azy, ary voatery tsy maintsy nanatanteraka izany izy. Vokatr'izay dia nosamborin'ny polisy ilay tompon'ny kaonty ary henjehina amin'ny hoe “fidirana aminà solosaina miaraka aminà eritreritra hanao heloka bevava sy tsy mendrika.”

HKEPC, seha-piresahana iray hafa ety anaty aterineto ao Hong Kong, dia nanambara tao amin'ny tranonkalany fa naharay fitakiana avy amin'ny Sampana Heloka Bevava Ara-teknolojia ao amin'ny departemantan'ny polisin'i Hong Kong izy mba hitondra anjara biriky amin'ny fanadihadiana ireo hafatra nalefa tao amin'ny seha-piresahany. Nivaky toy izao ilay fanambaràna : “Satria mbola ao anatiny mihitsy ny fanadihadian'ny polisy, dia tsy afaka ny hanome ireo antsipirihany manan-danja ny HKEPC.”

Fomba fanao mahazatra ho an'ny polisy, mba hitsirihana sy hisorohana ny heloka bevava ara-teknolojia, ny mitaky amin'ireo mpanome tolotra aterineto toy ny seha-piresahana HKGolden sy ny PCCW mba hanome izay mombamomba ny mpampiasa azy ireo ka hahafahana mifandray aminy. Saingy tsy misy lalàna mifanaraka amin'izany na fepetra mifehy ny fitakiana amin'ny fomba ofisialy any amin'ireo mpanome tolotra aterineto ny mombamomba ireo mpampiasa azy, afa-tsy ilay ampahany midadasika be izay manome sata manokana ao anatin'ny Didim-pitondràna momba ny (politikan'ny) Angon-drakitr'olon-tsotra.

Efa in-droa raha kely indrindra no nandàvan'ny governemanta ao Hong Kong tsy hanome ny taridàlany sy ireo rafitra fanarahana maso amin'ny fitakiana ny rakitra mikasika ireo mpampiasa, amin'ny filazàna fa mandeha tsara ny rafitra efa misy ary tsy ilaina ny fandinihan'ny daholobe izany. Noho izany, didy avy amin'ny fitsaràna no hany fomba ahafahana mamantatra ny maha-ara-drariny ny fitakian'ny polisy sy manakana  azy ireny tsy hanitsakitsaka ny fiainana manokan'ny olona na hampikatso ny fitenenana ety anaty aterineto, amin'ny fialokalofany ao ambanin'ny hoe “fanadihadiana heloka bevava”.

Kanefa ny marina dia ny ankamaroan'ireo fitakian'ny governemanta no navoaka tsy nisy didim-pitsaràna akory. Araka ny nambaran'ny “Hong Kong Transparency Report” tamin'ny taona lasa, masoivoho dimy an'ny governemanta no namoaka fitakiana angon-drakitra niisa 5.511 mikasika ireo mpisera. Tamin'ireo masoivoho dimy ireo, ny Fandraketana ny Orinasa, ny Departemantan'ny Haban-tseranana sy ny Biraon'ny manampahefana misahana ny Fifandraisana dia samy nanao fitakiana tsy nisy didim-pitsaràna avokoa, ary ny polisy fotsiny no efa nanao ampamoaka “ampahany” tamin'ireo votoatim-pitakiany noho ny didim-pitsaràna, nefa kosa tsy namoaka izay tena isa marina.

Ankoatr'io, zava-dehibe ihany koa ny manontany hoe : voatery tsy maintsy milefitra amin'ireo fitakian'ny polisy ve ireo orinasa mpamatsy aterineto, fitakiana izay navoaka tsy nisy didim-pitsaràna? Nick Chan, mpanolotsaina momba ny lalàna ao amin'ny Fikambanan'ireo Mpanome Tolotra Aterineto Ao Hong Kong ary mpiara-miombona antoka ao amin'ny Squire Patton Boggs, dia milaza fa araka ny lalàna misy amin'izao fotona izao, raha tsy misy didim-pitsaràna, dia tsy hisy mpanome tolotra aterineto ho voasazy izany raha tsy manome ny angon-drakitra ao aminy ho an'ny polisy. Raha lazaina amin'ny teny hafa, tsy misy mihitsy fanerena araka ny lalàna mahazo ireo mpanome tolotra aterineto mba hanekeny ireo fitakiana ataon'ny governemanta tsy misy didy avy amin'ny fitsaràna.

Na izany aza, nahita ny “Hong Kong Transparency Report” fa tamin'ny 2013 dia 70% tamin'ireo fitakian'ny governemanta no nomen'ireo mpanome tolotra aterineto fahafaham-po, na dia voaray tsy nisy didim-pitsarana niaraka taminy aza ny maro tamin'izy ireny. Tamin'ireny tranga ireny dia nanolotra ny mombamomba ireo mpampiasa azy ireo orinasa mpanome tolotra aterineto, ary dia tsy nahalala na inona na inona ireo mpampiasa ireo amin'ny hoe “nilaina” sy “nifandanja” amin'ny tokony ho izy ve izy ireny.

Ireo orinasa goavan'ny aterineto toy ny Google, Yahoo sy Facebook dia manana taridàlana araka ny lalàna mikasika ny fomba hiatrehana ny fitakiana angon-drakitra ataon'ny governemanta. Takian'ny Google ny “hanaovana ireny fitakiana ireny ho an-tsoratra, nosoniavin'ny manampahefana ao amin'ilay masoivoho manao ilay fitakiana ary navoaka mifanaraka amin'ny lalàna.”

Avoakan'ireny orinasa ireny koa ny isan'ireo fitakiana angon-drakitra voarainy avy amin'ny governemanta sy ny tahan'ny fanatanterahan-dry zareo azy ireny. Tsapan-dry zareo fa ny fangaraharàna, tafiditra amin'izany ny fanaovana ampamoaka tsy an-tery, no fanalahidy amin'ny fahazoana ny fitokisan'ireo mpampiasa azy amin'ny tolotra omen-dry zareo.

Niaiky ny fisian'io olana mampikorontana io ny Fikambanan'ireo Mpanome Tolotra Aterineto Ao Hong Kong. Miketrika lalàna izy io ankehitriny izay hanome taridàlana mazava ho an'ireo mpanome tolotra sy ireo masoivoho mpampihatra lalàna mba ho arahana momba ireo fitakiana angon-drakitra mahakasika ny mpampiasa, ary hanome fiarovana ho toy ny tsimatimanota an'ireo mpanome tolotra ireo raha sanatria misy fanenjehana araka ny lalàna noho ny fanekeny ireny fangatahana ireny.

Dingana miroso mankamin'ny tsara io lalàna io, nefa tsy mbola ampy velively. Mba hiasàna ho toy ny tomponandraikitra misolo tena ireo dimy tapitrisa mahery mpampiasa aterineto ao Hong Kong, tokony manomboka miteny amin'ireo mpampiasa azy ny politika arahany ireo mpanome tolotra, mikasika ny fomba fikirakiràn-dry zareo ireny fangatahan'ny governemanta ireny, ary havitrika amin'ny famoahana antontanisa momba ireo fangatahana voarainy, tafiditra amin'izany ny isan'ireo fangatahana nekeny.

Mitovy amin'izay, tokony havoakan'ireo masoivohon'ny governemanta haingana araka izay azony atao ny dingana arahany amin'ny fangatahana angon-drakitra, ary hanome toky izy fa noho ny resaka fandinihana mifanaraka amin'ny lalàna ihany no hamoahana ireny  fangatahana ireny.

Navoaka tao amin'ny South China Morning Post, tamin'ny tsanganana natao ho an'ny fanehoankevitra, ny lahatsoratra voalohany niaingan'ity. Jennifer dia mpanoratra ho an'ny Global Voices sady mpikaroka iray ao amin'ny Hong Kong Transparency Report, tetikasa iray an'ny Foibe Fianarana ny Asa Fanaovana Gazety sy ny Media ao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.