Mampitsanga-Bolomaso ao Hong Kong Ny Fivoahan'ny Tranonkalam-Baovao Prô-Demaokrasia Indray Taorian'ny Revolisionan'ny Elo

Former "House News" relaunched as "Stand News" leads to the bloom of many Facebook news pages that reiterate its name.  Image from "Stand News" facebook page.

House News nivoaka indray ho Stand News, nanome aingam-panahy  pejy Facebook maro dia maro manala azy amin'ny anarana. Sary norafetin'i Stand News ho setriny mampihomehy amin'ny asam-pamazivaziana ataon'ny mpiserasera.

House News, tranonkalam-baovao iray mpanohana ny demaokrasia ao Hong Kong izay nikatona talohaloha teo noho ny fanerena ara-politika, no nivoaka indray tamin'ny anarana vaovao Stand News, izay toa maneho an-kolaka fa hanana fijoroana izy amin'ny politika anatiny.

Saingy mbola tsy maharesy lahatra ny mpijery sasantsasany ny fotoana nivoahan'ilay tranonkala indray — rehefa tapitra ny Revolisionan'ny Elo izay naharitra am-bolana nitakiana fifidianana malalaka sy tsy miangatra. 

Nanakatona tampoka ny tahaka i Tony Tsoi, iray amin'ny mpiara-manorina ny House News tamin'ny Jolay 2014, nilaza fa nihoron-koditra tamin'ny toe-draharaha ara-politika tao Hong Kong izy. Tamin'io fotoana io, teo andalam-pahazoam-bahana am-pilaminana tao an-tanàna ny Occupy Central [bodoy ny Foibe] izay hitaky amin'ny governemantan'i Hong Kong sy Beijing hamela ny vahoaka hifidy izay kandidà amin'ny fifidianana lehben'ny mpanatanteraka manaraka.

Dimy volana taty aoriana tamin'ny 22 Desambra, namoaka indrayny tranonkala tamin'ny anarana vaovao i Tsoi, Stand News, ary najoro amin'ny mahafikambanana tsy mitady tombombarotra azy tamin'ity indray mitoraka ity. Ankoatra ireo mpanorina ny habatranonkala sy ireo talen'ny fanoratana, dia tafiditra ao anatin'ny fitantanana ny fikambanana ihany koa ilay fanta-daza amin'ny fanohanana ny demaokrasia Denise Ho, mpihira Cantopop izay niditra lalina tamin'ny Revolisionan'ny Elo; Margaret Ng, mpisolovava sady mpikambana ao amin'ny Antoko Sivika mpanohana ny demaokrasia; ary i Josep Lian, mpaneho hevitra malaza amin'ny raharaha mpitranga amin'izao fotoana izao.

Tao amin'ny fanambarana famoahana indray ny habaka no nasongadin'ny habatranonkala ny fahasamihafana misy eo amin'ny House News sy ny Stand News:

《立場新聞》與《主場新聞》最大的分別,是再沒有人實質擁有公司權益。為了確保《立場新聞》不受任何個人控制,可以持續發展,《立場新聞》三名發起人通過信託安排,放棄股權的經濟利益和處置股份的權利;信託安排將長期持有《立場新聞》股權,《立場新聞》發起人沒有轉讓公司股份的能力。

Ny fahasamihafana lehibe misy eo amin'ny Stand News sy ny House News dia tsy mety ho olona iray no tompon'ny orinasa. Mba hiantohana fa mety haharitra ny Stand News ary tsy ho afa-mifehy ny habatranonkala ny olona iray, nialan-dry zareo ny taratasim-pananany sy ny zo ifampizarana tombombarotra ka nafindran-dry zareo ao amin'ny tahiry iraisana [ifampitokisana] manokana izany, izay midika fa tsy afa-mamindra ny anjara volany ao amin'ny orinasa any amin'ny hafa ireo mpanorina.

Saingy tsy ny rehetra no resy lahatra amin'ilay tranonkala satria navoaka indray taorian'ny nahafahana nanaisotra ny mpanao fihetsiketsehana ilay seha-pamoaham-baovao ary mbola mila mamoaka ny tantara feno amin'izany nolazaina fa fanerena hanakatonana ny habatranonkala izany i Tsoi, mitombo ny ahiahy. Maro ireo manala azy amin'ilay Stand News tamin'ny fananganana pejy Facebook ampolony izay mamerina an'ako ny anaran'ilay habaka amin'ny teny shinoa, izay ampidirana ny teny an-habakabaka 場, mitovitovy dika amin'ny teny malagasy amin'ny “saha” sy “efitrano”. Vaovaom-Baolina fandaka (球場), Vaovaom-Pitiavana (情場), Vaovaom-panitonana (磁場), Vaovaon-tantara tsangana (劇場), Vaovaon'ny Mpiasa (職場), Vaovaon-tsoavaly (馬場), Vaovaon-tsahampiadiana  (戰場), Vaovao Ratsy (墳場), Vaovaom-Panadinana (試場) no sasantsasany amin'ireo pejy nivoaka ireo.

Tang Lik Hang, bilaogera taloha nanoratra tao amin'ny House News, nandrisika an'i Tsoi hanazava fa naninona no namoaka indray ity seha-baovao ity indray izy taorian'ny nisian'ny Revolisionan'ny Elo:

在「雨傘運動」落幕下不久的今天,《主場新聞》將名字改易一字,重新上陣。可是當天讓蔡東豪恐懼的壓力、讓蔡東豪誤判的社會和市場,卻依然存在。在「雨傘運動」下,這一切的負面形勢甚至是比起《主場新聞》結束的當天更顯而易見。蔡東豪何以覺今是而昨非,決定重新上路?大家有這個疑問,實在是非常合理。若果《立場新聞》要釋除大家的疑慮,這也是蔡東豪需要向大家交代的。

Vantany vao tapitra ny Hetsiky ny Elo, dia nanova ny anarany ny House News ary nivoaka indray. Saingy mbola misy amin'izao vaninandro izao ny karazana faneren nampihoron-koditra an'i Tony Tsoi hitsoaka ny tsena. Taorian'ny Hetsika Elo, mbola vao maika aza miharihary kokoa ny tsindry ara-politika rehefa nikatona ny House News. Ahoana ny niovan'i Tony Tsoi saina ka nahatonga azy hiditra indray amin'ny tsenan'ny fampitam-baovao indray? Tena mitombina tokoa ny fanontaniana tahaka izany. Raha te-hanaisotra ny ahiahin'ny rehetra ny Stand News, dia tokony hiresaka tsara sy hanazava i Tony Tsoi.

Ankilan'ny fanjavonan'ny seha-baovao nandritra ny fihetsiketseha-panoherana, dia eo ihany koa ny olana hafa toy ny fikatonan'ny  House News tampoka sady tsy navela ho hita ny rakitra an-tserasera. Na izany aza, dia naneho ny fitokisany manontolo amin'ny fitantanana sy ekipam-pamoaham-baovao i Au Kalun, izay efa bilaogera nanoratra tao amin'ny House News ary hanortra ho an'i Stand News:

我撐《立場新聞》,因為相信這個班底,有經驗,有能力;他們重新凝聚,我寄予厚望。[…]
我相信他們並非信口開河,因為,大家眼見,由董事會成員到編輯記者,都絕非「善類」,在新聞原則之上,他們都有自己的堅持,要干預他們的運作,談何容易。你不相信蔡東豪,也請相信這個班底[…]

Manohana ny Stand News aho satria manana ny fizaran-draharaha sy ny fahaiza-manao ny ekipa. Niaraka indray ry zareo ary manana fanantenana lehibe aho […] Mino aho fa tsy nanasonia sheky mbola tsy nisy soratra ry zareo. Azonao jerena fa tena matanjaka aoka izany ireo mandrafitra ny fitantanana sy ireo mpanitsy sy mpamoaka lahatsoratra. Eo amin'ny resaka lanjan'ny vaovao avoakany indray, dia hanandratra avo ny fotokevi-dehibeny ry zareo. Tsy ho mora ny hitsabaka ao amin'ny raharaha fanaony. Na dia tsy afa-matoky an'i Tony Tsoi aza ianao dia itokiso ny ekipany […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.