Fanoherana Tetikasa Shinoa Fitrandrahana Varahina Nahafatesana Iray sy Naharatràna Maro Tao Myanmar

Photo of Daw Khin Win which was  widely shared on the Internet.

Saripikan'i Daw Khin Win. Nifampizarana fatratra.

Daw Khin Win, ramatoa 56 taona avy ao an-tanàna ambanivohitr'i Mogyopyin, ao afovoan'i Myanmar no voalaza fa maty voatifitry ny polisy nandritra ny fifandonana teo amin'ireo tantsaha sy ny orinasa Shinoa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany tamin'ny 22 Desambra 2014. Olona teo amin'ny 10 teo sy polisy roa no naratra nandritra ny gidragidra. Nitohy ny ampitso ny herisetra ka olona telo hafa indray no naratra.

Teraka noho ny fifandirana teo amin'ireo mponina ambanivohitra niezaka nanakana ny fikasan'ny orinasa hamefy ny faritry ny tany akaiky ny tany fitrandrahana varahina ao Latpadaung ny fifandonana, ary nakana ny bulldozern'ny orinasa nandritra izany fotoana izany. Nihamafy ny sakoroka raha nanomboka nampiasa atsamotady ireo mponin'i Mogyopin ary namaly bontana tamin-kery ny polisy. 

Ny orinasam-piaraha-mitantana fitrandrahana varahina eo amin'ny orinasa shinoa Wanbao sy ny Union of Myanmar Economic Holdings (UMEH) no iray amin'ny tetikasam-pampiasam-bola niteraka adihevitra indrindra tao Myanmar. Tamin'ny Novambra 2012, naparitaka tamin-kery naharatrana olona mihoatra ny 60, ka anisan'izany ny moanina bodista ny fihetsiketseha-panoherana ilay orinasam-pitrandrahana. Nisy vaomieram-panjakana natsangana hanadihady ny trangan-javatra ka niafara tamin'ny fampandoavan'ny orinasa fanonerana ara-bola amin'ireo tompo-tany ao an-toerana, na dia nahita izany fepetra izany ho tsy ampy aza ireo mponina tratran'ity tetikasa ity. Ireo tantsaha ireo — izay tsy nanaiky ny handray ny fanonerana sy hanome ny taniny — no tafiditra tamin'ity sakoroka nitranga farany indrindra ity.

Farmers lie in front of a bulldozer to protest the fencing of their land by a copper mining firm. Photo by Han Win Aung, The Irrawaddy Blog

Tantsaha miezaka manakana ilay bulldozer ho fanoherana ny famefen'ny orinasa mpitrandraka varahina ny tanin-dry zareo. Saripikan'i Han Win Aung, The Irrawaddy Blog

Nahatezitra [mg] ireo mpikatroka nanohana ny tantsaha hatramin'ny 2012 ny fahafatesan'i Daw Khin Win.

Moe Thway, mpikambana iray ao amin'ny vondro-tanora pro-demaokrasia Generation Wave, no nanontany ny fototry ny fanitsiana ara-politika lazaina fa nampiharin'ny governemanta vaovao ao Myanmar. (Fampitandremana — rohy ahitana votoaty mampihoron-koditra) :

A female peasant was shot to dead [sic] in protest against land grabbing for Lapadaung mining project in upper Burma, near Monywa. More than 20 local peasants were wound [sic].

What does reform mean?
Is there real change?

Tantsaha vavy maty voatifitra nandritra ny fihetsiketseha-panoherana fandraofana tany hoan'ny tetikasam-pitrandrahana ao Lapadaung ao Birmania ambony, akaikin'i Monywa. Mihoatra ny 20 ny tantsaha naratra [sic].

Fa inona ny dikan'ny fanitsiana ?
Nisy tokoa ve ny tena fiovana ?

Nay Myo Zin, miaramila manamboninahitra teo aloha sady mpanorina ny Fikambanana Fampandrosoana ny Sosialy ao Myanmar, nampitaha ny raharaha Daw Khin Win amin'ny raharaha hafa naha-voarohirohy an'i Ko Par Gyi, mpanoratra gazety namoy ny ainy nandritra ny fitànan'ny miaramila azy ::

Ko Par Gyi was killed secretly but when his case was revealed [they] justified it by saying that he was shot for running away. Now let's wait how [they] will justify the death of the woman farmer from Latpadaung. People need to watch whether they will say that she was shot accidentally or if it was to protect the blind and helpless bulldozer [sarcasm implied]. Everyone needs to come together to try to achieve justice. If not we will have to live in fear that we might meet the same fate as Ko Par Gyi.

Novonoina mangingina i Ko Par Gyi saingy raha nivoaka ny raharaha momba azy; nanamarin-tena [izy ireo] tamin'ny filazana fa voatifitra izy raha nikasa hitsoaka. Andeha andrasana ankehitriny hoe inona indray no fanamarinan-tena holaizin'izy ireo mikasika ny fahafatesan'ity ramatoa mpamboly avy ao Latpadaung ity. Tokony mihaino sy mijery tsara ny olona raha hilaza indray izy ireo hoe voatifitra tsy nahy izy na natao mba hiarovana ilay bulldozer jamba tsy manam-piarovana izany [teny esoeso]. Mila mivondrona ny olona mba hitaky ny rariny. Raha tsy izany, hiaina ao anatin'ny tahotra isika fa mety hiharan'ny tranga tahaka ny an'i Ko Par Gyi ihany koa.

Niampanga ny governemanta sy nandrisika ny olona mba hitaky ny rariny ihany koa i Moethee Zun mpanorina ny Antoko Demaokratika hoan'ny Fiarahamonina Vaovao.

I denounce the act of the government for violently dispersing the farmers from Latpadaung. The cause of these farmers is also the cause of everyone in the nation. We must help them. Do not be indifferent as if it is not our own. Next time it will be those who are indifferent [that suffer].

Miampanga ny fihetsiky ny governemanta noho ny fanaparitahana an-kerisetra ireo mpamboly avy ao Latpadaung aho. Tolon'ny rehetra eto amin'ny firenena ihany koa ny tolona (fitakiana) ataon'ireo mpamboly ireo. Tokony hanampy azy ireo isika. Aza raisina hoe tsy misy idirantsika izany. Mety ho anjaran'ireo tsy miraharaha ireo indray no ho tratra amin'ny manaraka [hijaly].

Nilaza ny ahiahiny momba ny fifehezan'ny polisy ny fihetsiketsehana i Audrey Gaughran avy ao amin'ny Amnesty International:

While we are aware of reports that some protestors threw stones at police, the resort to firearms raises very serious questions about how the police have handled this situation.

Fantatsika tsara ny voalazan'ny tatitra fa nitora-bato ny polisy ireo mpanao fihetsiketsehana, saingy mampanontany tena ny fomba nitantanan'ny polisy ity zava-mitranga ity noho ny fampiasana basy

Maung Zarni, mpanao fanadihadiana malaza ara-politika, niantso ny vahoaka mba hanohitra nefa tsy am-panavakavahana ireo zavatra ataon'ny orinasa Shinoa. (Tandremo — mampihoro-koditra ny rohy) :

CHINA-#MYANMAR Mamono-Ny fitrandrahana. Tohero izay rehetra #China, saingy aza avela ho lasa mpankahala Shinoa ianao

Hampitombo ny fanarahamason'ny vahoaka ny governemanta Myanmar izay toa tsy vonona hihaino ireo tsy fahafaham-po miha-mitombo manoloana ireo tetikasam-pandrosoana andalana marobe manerana ny firenena.ny fifandonana nahafatesan'olona teo amin'ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana tao Mogyopyin,

Niampanga ny famonoana an'i Daw Khin Win ny [orinasa] Wanbao, izay antsoin'ny orinasa hoe “mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'i Latpadaung” ary ninitrikitrika fa ireo “mahery fihetsika” sy ireo “any ivelany” no nahatonga ny herisetra ao amin'ny fiarahamoninna . Nanipika ny orinasa tamin'ny fanambarany tamin'ny 23 Desambra fa “amin'ny alalan'ny firesahana milamina ihany no hahatrarana ny filaminana sy ny fampandrosoana lovain-jafy”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.