Sehatra Matroka fa Nisaona ireo Ankizy Pakistaney Novonoina Tamin'ny Fanafihana tao Peshawar

Students of Army Public School, members of Civil Society, Pak Army staffs and large numbers of citizens held a candle light vigil to mourn the innocent victims. Image by ppiimages. Copyright Demotix (19/12/2014)

Mpianatry ny Sekolim-Panjakan'ny Tafika, mpikambana ao amin'ny Fiarahamonim-Pirenena, ekipan'ny Tafika Pakistaney sy olom-pirenena maro manatontosa fiareta-tory famelomana labozia ho fisaonana ireo lasibatra tsy manantsiny. Sarin'i ppiimages. Fizakamanana Demotix (19/12/2014)

Nisy vondrona mitampiadiana avy amin'ny Taliban manao fanamiana miaramila niditra tao amin'ny Sekolim-Panjakan'ny Tafika tao Peshawar, Pakistan, tamin'ny 16 Desambra ary nitifitra mpianatra sy mpampianatra niteny efitra fianarana. Farafahakeliny olona 148, ka 132 amin'ireo ankizy, no namoy ny ainy tamin'ny fanafihana ary maro dia maro ny mpianatra naratra.

Ny andro manaraka, notontosaina tao Karachi, Islamabad ary tanandehibe hafa manerana ny firenena ny fiareta-tory fandrehetana labozia, izay azo jerena amin'ny alalan’ireto sary ireto.

Maro dia maro tokoa ny fiareta-tory notontosaina manerantany:

Ireo olona nanatrika ny fiareta-tory ireo dia mahatsiaro ny niharam-boina, manohitra ny bontolo, niteny mafy ny fahatezerany tamin'ny Taliban ary nanome ako fa tokony tsimbinina ao anatin'izao habibiana izao ny ankizy.

Indreto ny sasantsasany tamin'ny sary tamin'izany fiareta-tory fandrehetana labozia izany:

A collection of candles and votives lit as part of a vigil in Trafalgar Square, London, to remember the dead school children and teachers killed by the Pakistani Taliban in Pakistan. Image by Emma Durnford. Copyright Demotix (17/12/2015)

Angon-dabozia sy fanilo anatin'ny fiareta-tory ao Trafalgar Square, London, ho fahatsiarovana ny ankizy sy mpampianatra maty an-tsekoly novonoin'ny Taliban Pakistaney tao Pakistan. Sarin'i Emma Durnford. Fizakamanana Demotix (17/12/2015)

A Candlelight vigil for the children of Peshawar is held in Longsight, Manchester outside the Pakistani Community Centre. Image by Barbara Cook. Copyright Demotix (20/12/2014)

Fandrehetana labozia hahatsiarovana ny ankizy ao Peshawar notontosaina tao Longsight, Manchester ivelan'ny Foiben'ny Fiarahamonina Pakistaney. Sarin'ny Barbara Cook. Fizakamanana Demotix (20/12/2014)

Two hundred people gathered in front of the CNN Center in Atlanta for a candlelight vigil to honor victims killed during a Taliban attack on a school in Peshawar, Pakistan. Image by Steve Eberherdt Copyright Demotix (17/12/2014)

Olona roanjato mivory eo anoloan'ny Foiben'ny CNN tao Atlanta hanao fiareta-tory fandrehetana labozia ho fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fanafihan'ny Taliban tao amin'ny sekoly iray ao Peshawar, Pakistan. Sarin'i Steve Eberherdt. Fizakamanana Demotix (17/12/2014)

Columbia students and other members of the community joined a campus candlelight vigil to support the victims of the Peshawar attacks. Image by Mansura Khanam. Copyright Demotix (17/12/2014)

Mpianatry ny Columbia sy mpikambana hafa avy ao amin'ny fiarahamonina manatevin-daharana ny fiareta-tory mandrehitra labozia ao amin'ny tokotanin'ny oniversite ho fanohanana ny lasibatry ny fanafihana tao Peshawar. Sarin'i Mansura Khanam. Fizakamanana Demotix (17/12/2014)

Indian congress workers and children pay tribute to those killed in the Taliban attack in Peshawar, Pakistan at a candle vigil in Allahabad, India. Image by Ritesh Shukla. Copyright Demotix (17/12/2014)

Indiana Mpiasan'ny Kongresy sy tanora manome voninahitra ireo matin'ny fanafihan'ny Taliban tao Peshawar, Pakistan nandritra ny fiareta-tory mandrehita labozia tao Allahabad, India. Sarin'i Ritesh Shukla. Fizakamanana Demotix (17/12/2014)

A candle light vigil and were held at the Pakistan High Commission in Bangladesh, this evening in remembrance of the innocent victims of the massacre at the Army public School peshawar.

Fiareta-tory fandrehetana labozia notontosaina tao amin'ny Vaomiera Ambonin'i Pakistan tao Bangladesh, tamin'ity takariva ihany ho fahatsiarovana ireo lasibatra tsy manantsiny tamin'ny famonoan'olona tao amin'ny Sekolim-Bahoakan'ny Tafika ao Peshawar.

Indian people lit candles as they took part in a candle-light vigil in memory of victims killed in a Taliban attack on a military-run school in Peshawar, in Amritsar. Image by Sanjeev Syal. Copyright Demotix (17/12/2014)

Vahoaka Indiana nandrehitra labozia nandray anjara tamin'ny fiareta-tory (fijoroana) mandrehitra labozia ho fahatsiarovana ireo iharam-boina matin'ny fanafihan'ny Taliban tamin'ny sekoly iray velomin'ny tafika ao Peshawar, ao Amritsar. Sarin'i Sanjeev Syal. Fizakamanana Demotix (17/12/2014)

Childrens in Sivasagar, Assam lighting candles protesting the attack of Talibans in a school of Pakistan,  image by Neelam Kakoty Majumdar. Copyright Demotix (18/12/2014)

Ankizy ao Sivasagar, Assam mandrehitra labozia manohitra ny fahafihan'ny Talibans tao amin'ny sekoly iray ao Pakistan, sarin'i Neelam Kakoty Majumdar. Fizakamanana Demotix (18/12/2014)

Burdwan District Press Club organised a Candlelight Rally in At Burdwan, West Bengal, India, protesting against Taliban terror attack on Army Public School in Peshawar.  Image by Sanjoy Karmaker (18/12/2014)

Klioban-Gazety Distrikan'i Burdwan nanomana Fihaonana Fiareta-tory nandrehitra labozia tao Burdwan, Bengal Andrefana, India, manohitra ny fampihorohoroana fanafihan'ny Taliban tamin'ny Sekolim-Panjakan'ny Tafika tao Peshawar. Sarin'ny Sanjoy Karmaker (18/12/2014)

Children holding solidarity messages at the candle light vigil in Lahore, Pakistan. Image by Fatima Arif. Copyright Demotix  (18/12/2014)

Ankizy mitazona hafatra firaisankina ao amin'ny hetsika fiareta-tory miaraka amin'ny labozia tao Lahore, Pakistan. Sarin'i Fatima Arif. Fizakamanana Demotix (18/12/2014)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.