Ny Tetikasa Heimkino (“home cinéma”) : Toerana Fandraisana Mpitsoa-ponenana Sady Fianarana Teny Alemàna

screenshot #heimkino groß

Ampahany tamin'ny lahatsary “Alemàna ho an'ny Mpitsoa-ponenana”.

Any Alemaina, ampiantranoina any amin'ireny antsoina hoe toby fandraisana ireny aloha ireo mpitsoa-ponenana, mandalo fotoana fohy monja ao amin'ireny toerana fandalovana ireny ry zareo, mandra-panapahany hevitra momba izay toerana hipetrahany sy hivelomany amin'ny fomba maharitra, ary any no halalinina ny fangatahana fialokalofana nataon-dry zareo. Tsy niomanana ny hisian'ny fampianarana teny Alemana tany amin'ireny toby ireny. Rehefa mahazo ny fanomezan-dàlana vonjimaika nomen'ireo manampahefana hipetraka any ireo mpitsoa-ponenana vao afaka manaraka ireny fampianarana ireny. 

Julia Dombrowski sy Markus Möller de Siegen (any Rhénanie-du-Nord-Westphalie) no nanomboka ny tetikasa Heimkino. Ho azy ireo, ny fanarahana fianarana teny Alemàna any amin'io toby io dia hahafahan'ireo mpitsoa-ponenana, izay voaray tsara tokoa any, mba manana zavatra atao hanadinoana ny sorisorim-piainana andavanandro. Eo ihany koa ny firotsahana mavitrik'ireo olona roa ireo ao amin'ilay bilaogy iray vaovao “Wie kann ich helfen?” [ Inona no azoko anampiana anao ?]. Misy fanolorana miomba ireo tetikasa fanohanana ireo mpitsoa-ponenana ao.

Julia, sady mpanoratra lahatsoratra no bilaogera, no manazava amin'ny antsipirihany ao amin'ny bilaoginy ny toe-draharaha natrehany tany amin'io toby io. Tamin'ny fotoana voalohany nampianarana ny teny Alemàna, nanafotra azy ny fihetsehampony. Olona vitsivitsy monja no nandray anjara, noho ny fanentanana zara raha nisy natao momba ilay tolotra. Nanoratra i Julia hoe :

Mila maka bàhana misimisy kokoa aho. Ity andro voalohany ity, tena zendana tanteraka aho ka nila ho tsy tafahetsika, izay tsy mitera-bokatra sy manao endrika vimiaina mitsotsorika sy maharary. Ohatra, nisy fotoana nahatsapako fa, raha ireo zaza mahafinaritra ireo, izay mora mampiraiki-po, no tsy teo, dia tany Siria no ho nisy azy rehetra, firenena voadaroka baomba izay ny tsy manan-tsiny no ataon'ireo mpanara-drenirano vonomoka. Tamin'izay fotoana izay, tena saiky tsy nisy nilàna ahy mihitsy. Ary tsy tsara mihitsy izany. Tsy mitondra mankaiza tsotra izao ny be fihetsehampo tafahoatra.

Ny herinandro faharoa dia olona anjatony no tonga nanatrika tao amin'ilay efitrano kely. Tsy vita araka izany ny hanome fampianarana tenim-pirenena tao. Nila nitady vahaolana i Julia Dombrowski sy Markus Möller mba hahafahan'ny maro manaraka ny fampianarana teny Alemàna. Julia Dobrowski dia nampianatra niaraka tamin'i Markus Möller, izay teo foana hatrany nanohana azy. Nosafidian'izy ireo ny fomba “Edutainment”

Tsy marina ve fa nandritry ny volana Aogositra dia olona marobe nanerana ny tany no nanatobaka rano mangitsy tany an-tampon-dohany ho anà tanjona iray (#IceBucketChallenge) ary izany, sady maka sary ny tenany ihany ? Eny, mifanindran-dàlana amin'ny fanangonana fanomezana ho entina miady amin'ny aretin'i Charcot, dia afaka mampiala voly ihany koa ny hetsika iray tontosaina anaty lahatsary miaraka aminà fitaovana faran'izay tsotra. Tsy azontsika trandrahana ve izany rehetra izany? Indrindra fa mahafantatra olona maro afaka manampy isika, izay afaka mandefa lahatsary kely ho antsika (raketina amin'ny fomba tsotra, taminà smartphone na webcam) ka ao anatiny no hiraketana ho antsika ireo fehezanteny fototra tahàka ny “Miarahaba”, “I….no anarako”, “Azafady”, “Misaotra”, ny isa 1 hatramin'ny 10 sy hafatra kely iray hitenenana ny fanaovana veloma?

Niantso ireo mpampiasa aterineto i Julia sy Markus, tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy, mba handefa ireny lahatsary kely noraketina tamin'ny finday ireny. Betsaka ny olona naniry ny handray anjara mba hahatanteraka ity hevitra ity. Ary dia tamin'io no nahaterahan'ny lahatsary voalohany ho an'ny Heimkino noho ny fanampian'ireo lahatsary avy amin'ireo olon-tsotra marobe.

Alefa hojerena mandritra ny fotoana fianarana teny Alemàna ireny lahatsary ireny ary miaraka mamerina ny teny na firafitry ny teny voarakitra ireo mpianatra. Miabo ny vokatra voalohany azo tamin'ny fampianarana. Ny mpitsoa-ponenana mianatra ny teny Alemàna ary ny mpampianatra, etsy ankilany, mahazo traikefa vaovao tanteraka mihitsy. Nifankahazo bebe kokoa tamin'ny iray tamin'ireo mpitsoa-ponenana izay nitantara ny fandosirany an'i Siria i Markus. Nilaza ny fahatsapàny nandritra io fihaonana io tao amin'ny bilaoginy i Julia: 

Rehefa mahita sarinà fiara mifono vy mitanjozotra eny amin'ny arabe aho, dia fantatro fa tena saro-takarina ho ahy izany.

Manomboka manontany tena aho hoe ho afaka hanangona 9000 Euro ve aho mba handosirana. Ho afaka hamory 36.000 euro ve ho an'ny fianakaviana manontolo? Ary ny totalim-bola 9 000 euros hanampiana an'i Siria, tsy be lavitra noho izay azontsika ifanampiana samy isika ve izany?

Vola ohatrinona no azoko hangonina mba hivelomana ? 20 000 euros ? 50 000 euros ? 100 000 euros ? Ary inona no hatao mba tsy hahafantaran'ny hafa fa maniry ny hiala an-daharana aho? Ny fiarako, azoko amidy. Fa tsy hahazoako betsaka toy inona izany. Na ny tranoko, angamba. Tsy ho ilaiko intsony tsinona. Vola toy inona no mba ho azo amin'izay trano mijoro anaty faritra misy ady? Ary raha ravan'ny baomba io trano io ? 

Voamariko fa, rehefa misaina izany rehetra izany aho, tsy ampy ny fahaizako maminavina.

Nitroka lahatsary tao amin'ny Youtube i Julia sy Markus mba hahafahan'ireo mpianatra hafa mampiasa azy ireny. Tian'izy ireo aseho ihany koa fa azo atao ny manao zavatra kely, tsy mila mandany vola be, mba hanohanana ireo mpitsoa-ponenana sy mandray azy ireny tsara ao Alemaina.

Ity ny lahatsary faharoa an'ny Heimkino:

Kaddour, avy any Siria, dia voatery niala tao amin'ilay toby, fotoana fohy taorian'izay. Nandefa ny fisaorany izy. Tsy azo nialàna ny fampianarana teny arabo ho an'ireo mpampianatra, na dia tsy naharitra fotona ela aza izany:

Isaky ny vita ny fampianarana, dia nandefa ny hetahetany mba hanana rakibolana hatrany ireo mpitsoa-ponenana mba hanohizany samirery ny fandalinana ny teny Alemàna. Nandefa antso tao amin'ny bilaoginy araka izany i Julia ho an'ireo malàla-tànana hanome rakibolana, ary tany anaty tambajotra sosialy, no sady nangataka azy ireny handefa hafatra fanehoam-pitiavana ho an'ireo mpitsoa-ponenana. Tolokeviny ho an'ireo malàla-tànana ny hametrahan'izy ireo teny fiarahabana ho an'ireo mpitsoa-ponenana, atao ao anatin'ireo rakibolana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.