Fampisehoana Britanika Top Gear Tsy Tsara Loatra Tao Arzantina Taorian'ny Gafy Momba an'i Falklands

Grafitti en la ciudad de Ushuaia - Imagen de Laura Schneider

Graffiti ao an-tanànan'i Ushuaia, Arzantina. “Raràna ny fiantsonan'ny sambo Anglisy piraty.” Saripika: Laura Schneider

Hatramin'ny nidiran'ny andia-tadika Arzantiniana tao amin'ny nosy Falklands 32 taona lasa izay ka niteraka ady teo amin'ny Fitondram-Panjaka Mitambatra (UK) tao anaty ezaka hahazo indray ilay zara-tany izay teo ambany fifehezan'ny firenena Amerikana Atsimo talohan'ny 1833, dia niavaka tao anatin'ny fifanenjanana ny fifandraisana teo amin'ny roa tonta

Tamin'ny 19 Novambra lasa teo ny Parlemanta Arzantiniana dia nandàny ny lalana izay mametraka fa tsy maintsy mitondra soratra manao hoe “Las Malvinas [The Falklands] son Argentinas” (Ny Malvinas dia Arzantina) ny fitateram-bahoaka rehetra an-dranomasina, an-tanety, an-habakabaka. Ny hevitra fototra ambadiky ny lalàna dia ny hanamafisana ny fananana fizotran'ny tantara.

Ao amin'ny mponin'ny nosy dia matetika no hafa ny fahatsapana. Vao haingana izay i Kris Thorsen,mponina ao Falkland, no nampiseho fanangona-tsonia mandrara ny fampihofahofana ny saina Arzantiniana ao amin'ny zara-tanin'ny nosy   satria araka ny filazany dia hidihidin'eritreritra eo amin'ny mponina izany. Ny seranam-piaramanidina hoan'ny sivily lehibe indrindra ao amin'ny nosy no manome toro-hevitra amin'ny mpandeha rehetra tonga ao tsy hampiasa izay rehetra endrika famantarana an'i Arzantina ao amin'ny zaratanin'i Falkland. 

Saingy ny fitsidihana vao haingana sady mampiady hevitra fatratra nataon'ny fandaharana fahitalavitra britanika Top Gear — fandaharana sahisahy avoakan'ny BBC hoan'ny mpitia fiara mandeha haingana dia haingana — tany Arzantina no nanokatra indray ny ferin'ireo Arzantiniana maro.

Ny nahatonga ny fifandirana indrindra tamin'ny fitsidihana nataon'ilay fandaharana dia ny nahitana fa ny iray amin'ny fiara nampiasan'i Top Gear dia mitondra ny takelaka ahitana ny laharana nisoratana anarana H982FLK, izay nahatonga setrim-pahatezerana avy amin'ireo mponina ao an-toerana.

A principios de octubre, los integrantes del programa de la BBC fueron apedreados cuando recorrían la Patagonia con automóviles de lujo. El problema se generó porque el Porsche que utilizó Jeremy Clarkson, el histórico presentador del show de autos más visto del mundo, tenía la matrícula “H982FLK”. El nombre alude inevitablemente a la guerra que enfrentó al Reino Unido con la Argentina en las Islas Malvinas: 82 coincide con el año del conflicto (1982) y FLK, con el nombre del archipiélago en inglés, Falklands.

Tamin'ny fiandohan'ny volana oktobra ny mpikamban'ny BBC no voatora-bato rehefa nanavatsava an'i Patagonia tao anaty fiara lafo vidy. Nitranga ny olana satria ny Porsche nampiasain'i Jeremy Clarkson, tompon'ny fandaharana, dia nahazo ny laharan-takelaka “H982FLK”. Manondro sary an-tsaina any amin'ny ady nifanaovan'i UK sy Arzantina momba ny nosy Falklands izany anarana izany: 82 mifanandrify amin'ny taona nanombohan'ny fifanandrinana (1982) ary ny FLK kosa anaran'ilay vondro-nosy amin'ny teny anglisy, Falklands.

Jeremy Clarkson, tompon'ny fandaharana, dia malaza ho vantambatam-piteny sy tsy miraharaha teny avoaka aman'olona, saingy nanitrikitrika izy tao amin'ny Twitter fa: 

Kisendrasendra ilay laharan-takelaka. Rehefa natondro anay io dia nanova azy izahay. Araka ny sary hita ao amin'ny mailaka androany maraina.

Ao amin'ny sioka hafa mbola maneso kokoa, nisaotra ny governemantan'i Arzantina i Clarkson:

nikasa ny hametraka fiafarana tsara hoan'ilay fandaharana izahay. Saingy noho ny fahadalana nataon'ny governemanta dia lasa mbola tsara kokoa izany ankehitriny.

Haseho ao amin'ny BBC ny fandaharana amin'ny 27 sy 28 Desambra.

Tsara ny mampahatsiahy fa nandritra ny Mondialy 2014, dia nampandoavin'ny FIFA onitra ny AFA (Argentine Football Association) noho ny fampisehoana sainan'i Arzantina misy soratra hoe “Las Malvinas son Argentinas” nandritra ireo lalao nandraisan'ny ekipa anjara nandritra ny fifaninanana. Ary raha mbola itodihana kokoa ny lalao olaimpika tamin'ny 2012, dia nisy lahatsary noraisina tany amin'ny vondro-nosy Falkland izay notontosain'ny birao fiadidian'ny filohan'i Arzantina niteraka saritaka noho ny fampisongadinana ny ekipa tao ambanin'ny faneva hoe To compete on English soil, we train on Argentine soil. [Raha hifaninana any amin'ny tany anglisy, dia nanazatra tena any amin'ny tany arzantina izahay]

Hahagaga ihany raha tsy hiteraka fifandiran-kevitra hafa indray ny famoahana ity seho amin'ny faran'ny herinandro ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.