Lazain'ilay Mpikatroka Manohitra Fanonganam-Panjakana Fa Mandrahona Hanolana Azy Ireo Thai Manampahefana

Image from Khaosod English

Mpikatroka manohitra ny fanonganam-panjakana, Kong-udom sy Seritiwat (manao fehitenda manga) manolotra taratasy ho an'i Amara, lehiben'ny mpiaro zon'olombelona ao Thailand, nandritry ny fankalazàna ny andron'ny zon'olombelona. Sary : Khaoson amin'ny teny Anglisy.

Niampanga manampahefana roa nanao fitafin'olon-tsotra ho nila vaniny sy nandrahona hanolana azy ilay mpianatra iray mpikatroka mafàna fo notànan'ny polisy taorian'ny nanapahan'izy sy olona iray hafa ny kabarin'ny lehiben'ny mpiaro zon'olombelona ao Thailand.

Vitan'i Natchacha Kong-udom, mpianatra eny amin'ny anjerimanontolo, sy Sirawit Seritiwat, mpikambana manana ny hajany ao amin'ny “Thai Student Centre for Democracy (TSCD)” ny nampiseho ilay fomba fiarahàba amin'ny rantsana telo, izay lazain'ny miaramila mpanongam-panjakana ho fandikàn-dalàna, teo anatrehan'ireo mpanao gazety marobe, ny mpitandro filaminana ary ny vahiny nasaina nanatrika ny hetsika ho an'ny Andro Erantany Ho An'ny Zon'olombelona tao Bangkok ny 10 Desambra. Ny National Human Rights Commission (NHRC) – Kaomity Nasiônaly mimba ny Zon'Olombelona – ao Thailand no nikarakara ilay hetsika.

Noraisin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana ilay fomba fiarahabana malazan'ny  “Hunger Games” , taorian'ny nanilihan'ny tafika ny governemantan'i Yingluck Shinawatra tamin'ny volana May lasa teo. Fandikàn-dalàna hoy ny tafika ny fanaovana hetsi-panoherana sy fanakianana ny politikan'ny miaramila mpanongam-panjakana.

Vitan'ireo mpianatra ny nampiseho sorabaventy toy ny hoe “Taiza ny NHRC fony ny fitaovam-piadiana no nivoaka / niresaka?” “Olona tsy hita”, “Mbola velona ve ianareo?”, sy ny “Atsaharo ny fanaramàna ny NHRC.”

Tratry ny tsy nampoiziny tamin'ity fanapahàn-teny tampoka nataon'ny mpianatra ity i Amara Pongsapich, filohan'ny NHRC hatramin'ny 2009. Nentina niala ny faritry ny NHCR ry Kong-udom sy Seritiwat ary nentina nankany amin'ny biraon'ny polisy noho ny fandàvana ny fandraràna napetraky ny Filankevi-pirenena momba ny Fandriampahalemana sy Filaminana. Araka ny lazain'ny filankevitry ny tafika mpanongam-panjakana, mety hitondra any amin'ny olana ara-pandriampahalemana ho an'ny firenena ny fihetsika maneho fanoherana.

Solontena roa avy amin'ny NHRC no nanatrika sy nanara-maso ny fakàna am-bavany ho “fanarenana fitondrantena” nisy teo amin'ny polisy sy ireo mpianatra notànany. Nanamafy ireo mpianatra fa noterena izy ireo hanao sonia fanambaràna iray manambara fa tsy handay anjara aminà fihetsiketsehana manohitra ny fanonganam-panjakana intsony amin'ny hoavy.

Mandritra izany, nametraka fitoriana iray tao amin'ny biraon'ny polisy ao Tung Song Hong i Kong-udom, nitoriany ireo polisy roa izay nampangainy ho nila vaniny taminy sy nandrahona hanolana azy tany ain'ny hetsiky ny NHRC.

Fakàna am-bavany ilay mpianatra mpikatroka mafàna fo izay norahonan'ireo manampahefana nitafy toy ny olon-tsotra ho aolana, taorian'ny nanaovany ilay fomba fiarahabàna rantsana telo milaza fanoherana tao amin'ny NHRC.

Nomarihany fa rehefa tsapany fa nisy nanaraka izy tao amin'ny lanonan'ny NHCR dia nijanona hanontany ilay lehilahy nampiahiahy azy, “พี่มาทำอะไรค่ะ ตามหนูมาตลอดเลย,” izay midika hoe, “Inona no ataonao eto ranadahy? Manaraka ahy foana ianao isak'izay mihetsika.” Novalian'ilay lehilahy hoe “ก็ตามมาข่มขืนน้องไง,” izay midika hoe  “Hanandrana hanolana anao.” Teo anatrehanà vavolombelona maro no natao ilay fandrahonana, isan'izany ireo tomponandraikitry ny NHCR sy ny mpanao gazety.

Nibitsika momba ity tranga ity i Sunai Phasuk, zokiolona mpikaroka momba an'i Thailand ao amin'ny sampan'ny Human Rights Watch any Azia, tamin'ny 12 Desambra.

Mpitandro filaminana manao fitafy sivily nandrahona hanolana mpianatra mpikatroka mafàna fo taorian'ny nanaovany ilay fiarahabana rantsana telo milaza fanoherana tao amin'ny Kaomisionan'ny Zon'Olombelona tao #Thailand

Kong-udom nilaza tamin'ny Prachatai, tranonkalam-baovao iray tsy miankina, fa nisy mpikatroka hafa narahan'olona mampiahiahy ihany koa:

Fantatro fa efa ela no nisy nanaraka izaho sy ireo mpianatra mpikatroka mafàna fo hafa ary mazava loatra fa matahotra aho. Fanitsakitsahana ny zo izany. Sady izao koe e, aiza moa no misy fiarovana ho ahy?

This photo of Kong-udom, which was widely shared on social media, shows her making the "Hunger Games" salute as a sign of protest against the Junta government in Thailand

Ity sarin'i Kong-udom ity, izay nozaraina be tao amin'ny haino aman-jery sosialy, dia mampiseho azy manao ilay fomba fiarahaban'ny “Hunger Games” ho toy ny mariky ny fanoherana ny governemantan'ny mpanongam-panjakana ao Thailand

Kong-udom, izay olona nanova taovam-pananahana, no voalohany voasambotra teo anoloan'ny trano fijerena sarimihetsika tao Bangkok tamin'ny 20 Novambra tamin'ny nanaovany fiarahabàna Hunger Games nandritry ny fotoana fohy monja .

Hatramin'ny fotoana nanoratana, tsy mbola namoaka fanambaràna ihany ny NHRC momba ilay fandrahonana.

Ohatra akaiky indrindra amin'ny fandemena iaretan'ireo mpikatroka mafàna fo ao Thailand io tranga io hatramin'ny nanambaràna ny lalàna miaramila navoakan'ny tafika tamin'ny volana May.

Manao sorona ny filaminan-tsainy ireo mpikatroka mafàna fo amin'ny fikarakaràna ireo hetsika tselatra atao am-pilaminana sy fanoherana fanonganam-panjakana mba hiakiana ny famerenanany fitondràna ho amin'ny sivly amin'ny alàlan'ny fifidianana demaokratika, na dia tsy mbola nahazo fanampiana na fanambaràna fanohanana avy amin'ireo antoko politika lehibe ao amin'ny firenena aza ry zareo.

Porofo iray amin'ny faharatsian'ny resaka zon'olombelona ao Thailand ny filàna vaniny sy fanaovana antsojay amin'ireo mpikatroka mafàna fo. Soa ihany, noho ny fikirizan'ireo Thai izay mandà tsy manaiky ny famoretana dia voatatitra ity tranga ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.