Nosakanana Tsy Ho Hita ao Rosia Ny Hetsika Famoriam-Bahoaka Facebook Hanohanana an'i Navalny

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Andro iray monja taorian'ny nananganan'ny mpanohana ny fitsikerana an'i Putin sy mpanohana ilay fanta-dazan'ny fanoherana Alexey Navalny hetsika pejy Facebook hikarakarana hetsika famoriam-bahoaka dia voasakana tsy ho hitan'ny mpisera ao Rosia ny pejy.

Mihoatra ny 12 000 ny mpisera Facebook no nanasonia ilay hetsika tao anatin'ny 24 ora voalohany, manamarika ny fanohanan-dry zareo amin'ilay foto-kevitra sy ny fikasan'izy ireo handray anjara amin'ny famoriam-bahoakay. Saingy androany nitaraina ireo mpisera tao Rosia androany fa tsy hitan-dry zareo intsony ilay pejy. Mbola misokatra hatrany ny pejy hoan'ireo izay ivelan'i Rosia, fa ireo mpisera izay nanoratra ny anarany ao Rosia no tsy mahita azy.

Ny resaka momba ilay pejin'ny hetsika sy ny media sosialy dia nivadika haingana ho ny fomba hamakiana ny sakana, tahaka ny Tor, Hola, ary ny fitaovana hafa, izay heverina hahomby rehefa tsy ny VPN Rosiana no ampiasaina. Nametraka fitarainana momba ny sakana tao amin'ny Facebook ihany koa ny mpisera.

Tahaka ny tsy tia mandeha tsara ao amin'ny Facebook ny hetsika kasaina tahaka ny amin'ny 15 Janoary 2015. Mametraha fitarainana.

VKontakte, izay nametrahan'ny mpikatroka vondrona mitovitovy amin'izany ihany koa hiomanana amin'ny famoriam-bahoaka, dia nanakana ny pejy hoan'ny Rosiana mpisera, saingy nanome fanazavana.

Ary tahaka izao kosa ny endriky ny vondrona VK. Mazava loatra midika izany fa hanadino ny fisian'ny kianja Manezhnaya ao Moskoa ny rehetra. [lahatsoratry ny pikantsary: Nosakanana ny pejy araka noho ny fangatahan'ny biraon'ny mpampanoa lalànan'ny Federasiona Rosiana tamin'ny №27-27-2014 20 Desambra 2014.]

Sampan-draharaha Rosiana mpanara-maso ny fifandraisandavitra Roscomnadzor niteny tamin'ny TV Rain fa nosakanana ny pejy noho ny fangatahan'ny biraon'ny fampanoavana, satria nandika ny lalàna mandrara ny famoahana antso handraisana anjara amin'ny hetsika izay tsy nahazo ny fankatoavan'ny manampahefana rosiana.

Nanangana solom-pejin'hetsika Facebook haingana dia haingana ny mpanohana an'i Navalny hanomanana ny famoriam-bahoaka, izay efa nahazo fampielezana mihoatra ny 4000 avy amin'ny mpisera sahady.

Ny hetsi-panoherana dia nokasaina hotontosaina amin'ny 15 janoary 2015, raha heverina fa hamoaka ny didim-pitsarana hoan'i Navalny sy ny rahalahiny, izay ampangaina ho nanao fanambakana orinasa frantsay filokolokoan-tarehy, ny fitsarana iray ao Moskoa.

Niezaka ny hifandray tamin'ny Facebook ny Akon'ny RuNet hihaino ny heviny, ary niteny ny solontena iray ao amin'ny Facebook fa “hijery” ilay raharaha. Hanome vaovao farany ny tantara izahay rehefa mahazo antsipiriham-baovao bebe kokoa avy amin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.