Korea Atsimo sy Avaratra: Tankina noho ny Mondial ny fifampihenjanana

Somary nihanalefaka kely ny fifankahalàna nisy teo amin'ireo Korea roa tonta izay tsy nitsaha-nisondrotra nanomboka tamin'ny faharendrehan'ny sambo mpiady iray an'ny Korea Atsimo noho ny tifitra nolazaina fa avy amin'i Korea Avaratra, noho ny fientanentanam-po miakatra dia miakatra izay tsy misy afa-tsy ny Mondial ihany no mahavita izany. Rakotra fanohanana mampihetsi-po an'i Korea avaratra mifanandriana amin'i Brazila izao ireo blaogy Koreana tatsimo, eo koa ny fiderana ilay mpilalao Koreana Tavaratra malaza, Jong Tae Se, ka tavela anaty fotoana fohy aloha ny resaka politika.

Tsy nampoizina ny lalao omaly nifanandrinan'i Korea Avaratra sy Brazila, raha nahafaty baolina iray ny ekipa Koreana Tavaratra izay any amin'ny laharana 105 ao amin'ny filaharan'ny FIFA, nanoloana ny Ekipa Braziliana laharana voalohany eran-tany, ary resy tamin'ny isa 2-1 monja.

Ireo blaogy Koreana Tatsimo dia feno fiderana ho an'ny ekipa Koreana tavaratra, izay nanao lalao nahafinaritra tsy araka ny noeritreretina. Ireo Koreana, mahatakatra tsara fa sarotra ho an'ireo mpilalao Aziatika ny hifaninana amin'ireo mpilalao Eoropeana na Afrikana izay lehibe sy mahay lavitra noho izy ireo sady avy amina firenena zatra baolina kitra, dia naneho ny fiarahany sy ny fanohanany ny ekipa Koreana Tavaratra. Araka ny gazety Asiatoday, na ny Filohampirenen'ny Korea Tatsimo Lee Myung-bak aza dia niteny fa iriany ny handresen'ny ekipa Korea Tavaratra.

Ilay mpitoraka blaogy antsoina hoe Duizilland dia nitsikera tao amin'ny blaoginy fa nampihetsi-po azy ny ireo mpilalao Koreana Tavaratra, izay nanao izay tatry ny heriny hiadiana amin'ny mpifanandrina izay tena mahery tokoa, na dia eo aza ny vatan'izy ireo tsy manambina azy sy ny tsy fahampian-dry zareo fahazarana amin'ny Mondial.

북한은 전 세계의 축구팬들에게 약팀이 보여줄 수 있는 모든 것을 보여주었다…소위 축구 강대국들 입장에서야 따분하기 짝이 없는 결과이겠지만 우리 입장에선 아무리 축구 외적인 문제에서 정치, 역사적 불협화음을 빚어도 결국 같은 Korea 라는 대승적 차원에서 상당히 고무적인 현실이다…난 오늘 남북간 정치적 관계를 떠나 축구팬으로서 피파랭킹 105위의 북한 선수들이 피파랭킹 1위의 브라질을 상대로 펼치는 투혼에 너무나도 감명받았기 때문에.

Nasehon'i Korea Avaratra tamin'ny mpankafy baolina kitra manerantany avokoa ny toetra mamaritra ny mahaekipa baolina kitra maivana azy…Iny [lalao iny] dia mety ho vokatra tena mahasosotra/tsy misy dikany ho an'ireo firenena matanjaka amin'ny baolina kitra,nefa nampiseho izany fa Korea iray ihany no misy anay, na dia misy tsy fifankahazoana aza amin'ny sehatra politika sy tantara sy ireo resaka hafa ankoatra ny baolina kitra…Izaho, androany, amin'ny maha-mpankafy baolina kitra tsy miditra amin'ny resaka politika, dia tena nihetsi-po tamin'ny tamin'ny endri-dalao nasehon'ireo mpilalao Koreana Tavaratra any amin'ny laharana faha-105 ao amin'ny FIFA manoloana ny ekipa Braziliana laharana volohany.

Nisy sarin'i Jong Tae-Se, mpilalao Koreana Tavaratra mahay indrindra, nigogogogo talohan'ny nanombohan'ny lalao, navoaka nandritra ny fotoana fohy teo amin'ny pejy fandraisan'ny vohikala ofisialin'ny FIFA ary mandehandeha manerana ireo blaogy Koreana Tatsimo amin'izao fotoana izao. Niteny tamin'ny haino aman-jery tany an-toerana i Jong taorian'izay fa tena faly tokoa izy fa hifanandrina ihany ao amin'ny kianja hanaovana ny Mondial amin'ny ekipa mahay baolina kitra indrindra manerantany.

Jong Tae-se, tononina hoe Jeong Dae-se any Korea Atsimo sy i Chong Tese any Japana, dia mpilalao baolina kitra malaza avy amin'ny ekipam-pirenen'ny Korea Avaratra. Antsoina matetika hoe ‘Rooney-n'ny vahoaka’ i Jong matetika, solon'anarany avy amin'ny fitambaran'ny Rooney anaran'ilay mpanao baolina Anglisy malaza Wayne Rooney sy ny ‘Vahoaka’ avy amin'ny anarana ofisialin'ny Korea Avaratra, ny Repoblika Etim-bahoaka Demokratikan'i Korea.

Zzub 33, mpitoraka blaogy iray ao amin'ny Naver dia nanoratra tao amin'ny blaoginy fa nampihetsi-po azy tanteraka ny ranomason'i Jong.

궁극적으로 한민족이라는 까닭에 북한의 선전을 기원했지만, 객관적인 실력과 주변의 평가에 너무 긴장되기도 했습니다.그러다가 브라질과 북한의 국가가 흘러나오고 양국 선수들이 경기를 시작하려고 할 쯔음에 뭔가 찡-해지는 느낌을 어떻게 할 수가 없더군요. 보는 이마저 찡하게 만든 정대세 선수의 눈물은…인상이 깊더군요.

Nivavaka aho mba hilalaovan'i Korea Avaratra tsara, satria mety ho firenena iray isika (Korea Avaratra sy Atsimo), nefa tena somebiseby ihany koa aho satria fantatro ny fahaizan'ny ekipa Koreana Tavaratra amin'izao fotoana sy ny fitsaran'ny olona [manam-pahaizana amin’] izany… Raha heno ny hiram-pirenen'i Brazila sy Korea Avaratra ary nivonona ho an'ny lalao ireo ekipa roa, nahatsapa fihetseham-po mahery tsy azoko notsindriana aho. Nanohina ny fon'ny mpijery ny ranomason'i Jong Tae Se… tena nahavariana izany.

Na dia teraka tany Japana aza i Jong Tae-se ary nilalao tao amin'ny ligin'ny baolina kitra japoney, nizaka ny zom-pirenena Koreana Tatsimo nolovainy avy amin'ireo ray aman-dreniny. Nanajanona ny maha-olom-pirenena Koreana Tatsimo azy nefa izy taty aoriana ka niditra tao amin'ny ekipa Koreana Tavaratra.

Nanoratra tao amin'ny blaoginy ilay mpitoraka blaogy Tweewg fa mandrodana ny maha-olom-pirenena ny baolina kitra.

이 경기의 포인트는 여러가지가 있다.그중에서도 단연 한 가지만 꼽으라면 인민 루니, 정대세 선수이다…외국인이 아닌 우리의 눈에는 그가 광장히 독특한 이력을 가진 선수다. 간단히 말해 정대세는 한국 국적이다. 그러나 일본에 살고 있으며, 북한 국가대표로 월드컵에 나서고 있다. 전세계에 전무후무한 국적을 떠나 사는 곳을 떠나 그는 소속팀을 정한 것이다. 그의 정치적 입장도 사상도 나는 잘 알지 못한다…축구는 스포츠다.

Misy ireo misongadina tamin'ity lalao ity… Raha hanonona iray, i Rooney-n'ny vahoaka izany, Jong Tae-se…Amintsika Koreana, somary nanivaka ny lala-nodiaviny. Ny zom-pireneny Koreana Tatsimo, nefa monina any Japana izy ary milalao ao amin'ny ekipa Koreana Tavaratra. Tranga voalohany maneran-tany izany hoe mifidy ny ekipany na inona fihaviany na aiza onenany. Tsy mahalala loatra momba ny fironany ara-politika aho na ny foto-keviny…Fanatanjahan-tena ihany ny baolina kitra.

Misy ireo teny mahery avy amin'ny andaniny mitsipaka ny toe-tsaina feno firahalahiana asehon'ny olona amin'i Korea Avaratra, fahavalo ofisialin'ny fitondràna Koreana Tatsimo. Nefa satria manarona vetivety ny resaka politika ny Mondial, dia mbola hitohy mandritra ny volana Jona ireo fanehoan-kevitra mandrisika ireo mpilalao Koreana Tavaratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.