Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina

Senator Pia Cayetano poses in front of the Rizal monument to show how the residential tower is ruining the view of the heritage site. Photo from Facebook page of Senator Pia

Ny Senatera Pia Cayetano naka sary eo anoloan'ny tsangambaton'i Rizal hampisehoana amin'ny mponina fa mandrava ny fijerena ilay vakoka ny fahitana ilay tilikambo ao ambadika. Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Senatera Pia

Maro ny Filipiana nampiseho ny fanoherany ny tetikasa fananganana fanorenana lehibe fonenana ao Manila izay lazain-dry zareo fa manimba ny fijerena ny tsangambaton'ny maherifon'ny firenena , Jose Rizal.

Rizal dia mpanoratra sady dokotera izay novonoina ho maritiora noho ny nandraisany ny fanavaozana raha mbola teo ambany fanapahan'ny Espaniola i Filipina tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19. Ny fiainany sy ny asa sorany dia nanome aingam-panahy ny taranaka tatỳ aoriana mba haneho fitiavana bebe kokoa ny firenena sy ny rehareha amin'ny maha Filipiana. Nambara ho maherifon'ny firenena i Rizal ary ny sarivongany dia hita amin'ny zaridaina maro manerana ny firenena. Fa ny tsangambato malaza indrindra dia ao Luneta Park any Manila.

Ny mpanara-dia an'i Rizal sy ny Filipiana olon-tsotra mihitsy aza dia mijoro manangana ny sandriny amin'ny tetikasa manodidina ataon'ny DMCI, orinasa goavana iray, izay hita ao ambadiky ny Kianja Luneta. Araka ny mpanakiana, ny Torre de Manila manana rihana 49 ataon'ny DMCI dia handrava ny hakanton'ny sarin'ny mpizaha tany sy ny mponina te haka ny sarin'ny tsangambaton'i Rizal.

Ankilan'ny lobbying atao amin'ny manam-pahefana eo an-toerana, dia mangataka ny vahoaka ihany koa ny mpanohitra ny tetikasa mba hanohana ny fanentanana hampitsaharana ny fanorenana eo amin'ny manodidina, izay efa antsoin'izy ireo ho Fampihorohoroana [Terror] an'i Manila fa tsy Torre de Manila. Amin'ny fampiasana ny diezy Twitter #‎NoToTerrorDeManila, ireo mpisera no nandefa sary porofon'ny tilikambo tsy ankasitrahana ny fijoroany eo ambadiky ny tsangambato Rizal:

Mankasitraka ireo rahalahinay avy any an-tanànan'i Laguna, Pasay, Quezon ary Marikina [tsia amin'ny horohoron'i Manila]

Taloha sy Taoriana : Fananganana ny Torre de Manila mampiady hevitra eo akaikin'ny tsangambato Rizal.

Nanambara ny DMCI fa sary namboamboarina tamin'ny photoshop ny sasantsasany. Dia navoakany ny sary mampiseho ny tsangambato Rizal azo hanapihana sary tsy mampiditra ireo fananan'olona ho ao anatin'ny zoro. Dia nanoro hevitra ny vahoaka izy mba hanapika ny sarin'ny tsangambato amin'ny zoro iray raha tsy te-hahita ny tilikambo ao anatin'ny sariny.

Ny Senatera Pia Cayetano, izay efa nanohitra ny tetikasa, niampanga ny DMCI ho manompa ny Filipiana:

It now wants all Filipinos, foreign tourists, dignitaries and practically coming generations from here on to adopt its preferred ‘view’ of the Rizal Monument, which until late last year, has stood there, proud and unchallenged for 100 years. How convenient!

Irìny ankehitriny ny Filipiana rehetra, vahiny mpizaha tany, olona ambony ary ireo taranaka ho avy manomboka hatreto mba handray ny ‘fijery’ tiany kokoa amin'ny Tsangambato Rizal, izay hatramin'ny faran'ny taona lasa teo, dia nijoro teo, mirehareha sy tsy voahaika nandritra ny 100 taona. Fifanarahana manao ahoana!

Senator Pia released this photo on her Facebook page to prove that the tower destroys the view of the Rizal monument

Senatera Pia namoaka ity sary ity tao amin'ny pejiny Facebook hanaporofoana fa manimba ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ilay tilikambo

Mpikatroka Sarah Katrina Maramag nanoratra fa manasongadina ny sasantsasany amin'ireo olana ateraky ny fivelarana gaboraraky ny tanàna ny Torre de Manila:

The Torre de Manila is not the first and it will not be the last. We live in a period when tourism is “more fun in the Philippines”. When devastation has become a smokescreen for profitable investments in the name of rehabilitation and reconstruction. When lives and livelihoods are demolished with impunity to give way to giant shopping malls and commercial complexes.

Tsy ny Torre de Manila no voalohany ary tsy ho izy no ho farany. Isika amin'izao fotoana izao miaina ao anatin'ny vanim-potoana manao ny fizahantany ho “fanalan'andro kokoa ao Filipina”. Rehefa lasa fanakonam-pijerena ho an'ny fampiasam-bola ahazoana tombontsoa atao amin'ny anaran'ny fanarenana sy ny fanorenana indray ny fandravana. Rehefa potehina tsy misy fanasaziana ny fiainana sy ny asa fivelomana maro mba hanome lalana ho an'ny tsenam-barotra goavana sy toeram-pivarotana lehibe.

Ho valin'ny antso mba hampitsaharana ny fanorenana, nanitrikitrika ny DMCI fa efa nahazo ny taratasy nilaina rehetra sy fahazoan-dalana avy any amin'ny fiadidiana ny tanàna hanohizana ny tetikasa.

Mandritra izany fotoana izany, mihamaro ny Filipiana no maka ny sarin'ny tenany amin'ny Rizal mialoha ny hahalasa baomban-tsary maharitra ny Torre de Manila eo akaikin'ny tsangambato.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.