Miandry Daholo Aloha Ny ao Bahrain fa Mbola Milomano, Mivoy ary Mihazakazaka Ny Zanaky ny Mpanjaka

Traffic comes to a standstill in Muharraq, Bahrain, today as the King's son takes part in a triathlon. Photograph shared by @MohdBucheeri on Twitter

Nitohana tanteraka ny fiara tao Muharraq, Bahrain, androany satria nandray anjara tamin'ny triathlon ny zanaka lahin'ny mpanjaka androany. Sary nozarain'i @MohdBucheeri tao amin'ny Twitter

Nijanona tanteraka ny tanaty fitohanana ny fiara androany (6 Desambra) tao Bahrain satria nikatona ireo arabe malalaka tao amin'ny firenena nanomboka tamin'ny 7 maraina hatramin'ny 11 ora noho ny fandraisana anjaran'ny zanakalahin'ny mpanjaka tamin'ny fanatanjahatena telo miaraka (triathlon).

Nahemotra ny fandevenana, nikorontana ny fitaterana an'habakabaka satria tsy nahatratra ny sidina ny mpandeha, tsy afaka nandeha niasa ny dokotera ary tsy voatsabo ireo marary raha toa kosa ka nilomano, nihazakazaka sy nandeha am-bisikileta manerana ny firenena i Shaikh Nasser bin Hamad Al Khalifa.

Tao Muharraq, misy ny Seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Bahrain, manana velarana eo amin'ny 780 kilaometatra tora-droa no tena nisy ireo fitohanana tanteraka.

Noresahana tao amin'ny media sosialy izany zava-nitranga tampoka izany, ka nitsikera ny fihetsik'ireo fianakavian'ny mpitondra ny mpiserasera izay tsy nanafina anarana sy naneho tsikera mahery vaika.

Raeda Sabt nanoratra hoe:

Nahemotra ny fandevenana, nikorontana ny zotram-pitaterana an'habakabaka, nikatona ny lalana. Midika izany fa tsy misy dikany amin'izy ireo ny tombotsoam-bahoaka, satria olom-bitsy no te-hihazakazaka !!

Ahmed Bucheery nisioka hoe:

Hadalana goavana ny fanaovana fifaninanana mitarika fanakatonana ny arabe rehetra ao amin'ny firenena kely tahaka ity

Mohamed Buali, mponina ao Muharraq manana mpanjohy 3,890 ao amin'ny Twitter, nanamarika hoe:

Mbola tsy nahita fikarakarana sy fitohanana tahaka izao tao amin'ny araben'i Bahrain aho, sy manimba ny tombotsoam-bahoaka araka ny hitako androany tao Hidd, Arad ary Muharraq

Hoy izy nanampy:

Miandry manampahefana mendrika mba hiala tsiny amin'ny vahoaka sy hiaiky ny fahadisoany sy ny faharatsian'ny fikarakarana aho. Misy olona salama saina mety hanakana ny arabe mankany amin'ny seranam-piaramanidina ve?

Nizara ity lahatsary mampiseho ireo mpandeha hoany amin'ny seranam-piaramanidina manosika ny entany i Mohammed Bucheeri tao amin'ny Vine:

Tezitra mafy tamin'ny fikatonan'ireo arabe i Bucheeri satria voatery nahemotra ny fandevenana ny rahalahiny noho ireo fianakaviana sy namana tsy afaka ny ho tonga teny amin'ny toeram-pandevenana. Nandefa sioka tamin'i Shaikh Nasser izy hoe:

Hoan'i Shaikh Nasser,
Namoy ny ainy ny rahalahiko ary miandry anay any amin'ny toeram-pandevenana.
Tsy misy olona afaka hanatrika ny fandevenana azy
Azo ekena ve izany?

Tamina sioka hafa, nizara ny fihaonany tamina polisy manamboninahitra izy:

Nilaza tamin'ilay manamboninahitra aho fa manana fahoriana izahay ary tsy maintsy mandeha mandevina. Nilaza tamiko izy mba hiverina satria mbola misy fifaninanana ary mikatona avokoa ny arabe.

Marobe ireo mpiserasera nizara ny sarin'ireo olona mandeha tongotra lavitrabe hamonjy ny seranam-piaramanidina. Nizara ity sary ity avy ao amin'ny fantsom-baovaon'ny seranam-piaramanidina i Abdulla Al Jalahma ary nanontany hoe:

Iza, ankoatra ny olona mahantra no hizaka ny fatiantoka?

Tao amin'ny kaonty Twitter-ny, nilaza ny fitaterana an'habakabaka ao amin'ny firenena fa nahemotra ny sidina noho ireo mpandeha tsy tonga ara-potoana tao amin'ny seranam-piaramanidina:

Ny  Gulf Air  dia miala tsiny noho ny fihemoran'ireo sidina sasany androany maraina satria tara ireo mpandeha sasany

Tokony manazava ny antony mahatara ny zotram-piaramanidina sasany izay tsy vitany notontosaina ny fitaterana an'habakabaka, mpanohana ny fanatanjahatena telo miaraka ny litera 140 fanao amin'ny Twitter.

Nisy fiantraikany tany amin'ireo marary sy mpitsabo ihany koa ny zava-misy hoy ireo mpiserasera, Abdulla Al Jalahma nisioka:

Vao avy nahare aho fa tsy afaka namonjy ny fotoana hanaovana “dialyse” ireo marary voa sasany noho ireo arabe nikatona. Mampidi-doza ny fiainan'izy ireo izany

Nizara sarina fiara mpitondra marary tafahitsoka tanaty fitohanana i Mohammed Bucheery:

Fiara mpitatitra marary tsy afaka nihetsika mihitsy tao anatin'ny fitohanan'ny fiara. Hanampy ireo marary ao anatin'izany anie Andriamanitra. Izany rehetra izany dia noho ny triathlon (fanatanjahatena telo miaraka)

Nampita ny zava-niainan'ny mpitsabo iray kosa i Abdulmonem Almeer:

Niala tao Galali tamin'ny 8 sasany marina ny dokotera iray ary mihitsoka ao Busaiteen amin'izao fotoana izao. Miandry azy ireo marariny kanefa voatery nanemotra ny fandidiana tokony nataony izy. Azo saintsainina ve izany?

Hoan'ireo vahoaka ao amin'ny tanàna kelin'i Bahrain kosa, efa mahazatra ao amin'ny firenena ny fiaretana korontana hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demaokrasia tamin'ny volana Martsa 2011, efa fomba fiainana mahazatra ny arabe mikatona sy ny sakan-dalana.

Nitodika tamin'ireo vahoaka mpanohana ny fitondrana i Wasan tao amin'ny Twitter ary nilaza hoe:

Tsapanareo ve ny fijalian'ny vahoaka ao amin'ireo tanàna kely? Tsapanareo ve izay nitranga tao Ekr raha nanao fahirano ny tanàna nandritra ny herinandro izy ireo? Tsy mahavita mahazaka ny fijaliana mandritra ny adiny roa ianareo

Efa zatra ny lalana tapaka ao amin'ny fidirana ao amin'ny faritra misy anay izahay, ary efa zatra miandry ora maro sy tsy afaka mankany amin'ny toerana tianay aleha. Ary ny anton'izany matetika dia ny fisavana ataon'ny polisy. Mahazo mijaly ianao ankehitriny.

Nanao fampitahana ny fandoroana kodiarana ataon'ny mpanao fihetsiketsehana eny an'arabe sy ny fanakatonana ny arabe noho ny fifaninanana i Mohamed Bueida:

Mahatonga ny vahoaka hahita fahafatesana ny “triathlon” androany ka manaiky ny hanavy izy ireo. Tsara kokoa ny fandoroana kodiarana eny amin'ny arabe (noho ny triathlon) satria afaka misokatra indray ny lalana afaka adiny iray.
Izany ve no tadiavinareo?

Matetika manome tsiny ny mpanohitra ny andian'olona mpanohana ny governemanta noho ny fanakatonana ny arabe sy fanakorontanana ny fiainan'izy ireo, indrindra mandritra ny fihetsiketsehana sy ny fandoroana kodiarana eny amin'ny arabe. Afaka manome tsiny indray izy ireo androany.

A meme showing opposition leader Ali Salman saying the closed roads aren't his fault

“Meme” niparitaka fatratra tao amin'ny media sosialy mampiseho ny lehiben'ny mpanohitra Ali Salman milaza fa tsy fahadisoany ny fanakatonana ny arabe

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.