Antsefatsefan'ny Sarin'ny Fanafihana Tao Peshawar, Eritreritra Momba Ny Sekoly Miaramilam-pirenena Ao Pakistana

Screengrab from the Facebook page of Mubeen Shah, killed in the attack at the Army Public School in Peshawar.

Pikantsary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Mubeen Shah. Novonoina nandritra ny fanafihana tao amin'ny Sekoly miaramila ao Peshawar.

Nitodika taty amiko ny zanako vavy roa taona ary nilaza tamiko hoe: «Fa misy inona ry mama?” Tsy mety afaka ato an-tsaiko ny sarin'ireo kravato mitsipika maintso sy mavo ary fanamiana fotsy maloton'ny rà. Inoako fa tsy mahita izany amin'ny masoko izy.

Minitra fohy taoriana tonga ireo hafatry ny vadiko, «tahaka anay tamin'izany taona izany. Teo am-pilaharana tamin'ny fiantsoana maraina. Tsy ao an-tsainao velively ny hitrangan'ny zavatra tahaka izao “.

Lehilahy sivy manao fanamiana tahaka ny an'ny miaramila niditra tao amin'ny Sekoly miaramilam-panjakana ao Peshawar, ny hamono olona no hany tao an-tsain'izy ireo. Ankizy be fanantenana, mahafinaritra sy tsy manan-tsiny maherin'ny telopolo ambizato no namoy ny ainy tamin'ny fomba maharikoriko. Fianakaviana sy mpianatra an-jatony hafa kosa ao anatin'ny ratra ara-batana sy saina

Natao hiaro ny zanatsika amin'”ingahibesola” an'eritreritra ao ambany fandriana isika, niatrika “ingahibesola” maharikoriko tena izy tao an-dakilasy anefa izy ireo.

Adiny iray taorian'ny nidiran'ireo lehilahy mitam-piadiana tao an-tsekoly, ary 30 minitra taorian'ny nihodidinan'ny tafika manokana Pakistaney ny faritra mivalapatry ny oniversiten'i Peshawar, nilaza tamin'ny Reuters ny mpitondratenin'i ireo Talibana Pakistaney fa “valifaty noho ny fanafihan'ny tafika tao Waziristan” ny fanafihana.

Nisy tamin'ireo ankizy sasany voatafika no mety manana havana navitrika nirotsaka tao ZarbeAzb, fanafihana nataon'ny miaramila ireo Talibana tamin'ny volana Jiona.

An'aliny ireo mpianatra ao amin'ny Sekolim-panjakana Miaramila (APS) manerana an'i Pakistan, rafi-pampianarana mivelatra mampianatra ireo ankizy Pakistaney hazoto amin'ny fikarakarana sy amin'ny fiasana mafy.

Mubeen Shah in his uniform. His profile image uploaded on December 3, has been shared by close to a thousand people.

Mubeen Shah miaraka amin'ny fanamiana APS. Sariny tao amin'ny Facebook napetraka tamin'ny 3 Desambra, ary nisy nizara in-jato.

Pakistaney maro no mety ho tezitra satria antsoiko hoe “mandroso” ny rafi-pampianaran'ny APS. Misy antony manokana no ampiasaiko izany voambolana izany. Ity no voambolana tokana hitako rehefa avy nananvatsava ny habak'izy ireo tao anatin'ny ora vitsy aho, mampahatsiahy ireo tantara reko momba ny sekoly ary mampitaha ny soatoavina, ny fomba fanazarana, ny lala-nodiavina ary ny fandaminana amin'ireo sekoly hafa ao Pakistana.

Misy Sekoly Miaramila maherin'ny 146 manerana ny firenena. Any amin'ny faritra mitoka-monina ao amin'ny firenena, izay tsy ahitana sekoly hafa ny sasany amin'izy ireo. Na dia misy aza ireo sekoly mitovy amin'ny APS -ohatra, tranon'ny fahazavana, Sekolin'ny tanàna sy ifotony  – dia sekoly tsy miankina lafo saram-pampianarana daholo ireo.

Taona maro izay, nianatra tany amin'ireo sekoly APS ny vadiko sy ireo rahalahiny, rehefa nafindra any amin'ny toerana tsy ahitana sekoly afa-tsy APS ny rain'izy ireo. Ankehitriny, manome tsiny am-pisangisangiana ny fahadisoan-tsipelin'izy ireo momba ny fampianarana APS izy ireo, saingy toa tokana sy miavaka amin'ny olona tahaka ahy, nianatra tany amin'ny sekoly Katolika tsy miankina tao New York, sekolin-jazavavy ary sekoly tsy miankina ao Islamabad ny tantaran'izy ireo momba ny hôlistika, ny fifandraisana akaiky, ny fampianarana tantanin'ny fikambanana niainan'izy ireo..

Ahitana kilema marobe ny rafi-pampianarana ao Pakistan, saingy miezaka manome fampianarana azon'ny maro idirana ny rafitra APS, manao laharam-pahamehana ny fivelarana hôlisitika, fampianarana ataon'ny mpampianatra hentitra, boky fianarana tsara volavola, ary fampivelarana ny fahakingàna. Hitako tao amin'ny habak'izy ireo avokoa izany torohay izany, izay asehon'izy ireo tahaka ny «fitaovana ho fampianarana sy fianarana ary sehatry ho an'ny ray aman-dreny hahatonga azy ireo ho toko telo mahamasa-nahandron'ny fampianarana.”

Ity sombiny tamin'iray amin'ireo Fanontaniana sy Valiny momba ny  fanazarana ho mpampianatry ny “garabola” : “Manjary misy dikany hoan'ny mpianatra ny fampianarana any an-tsekoly rehefa misy ifandraisany amin'ny fiainana an-davanandro izany. Rehefa mahita ny mpianatra fa azo ampiharina eo amin'ny fiainana ny fahaizana nampitaina sy novelarina tany an-dakilasy, dia hitan'izy ireo fa misy dikany ny fanabeazana ary mampivelatra fahalianana kokoa”.

Tahaka ny ankamaroan'ireo sekoly ao Pakistana sy zanatany Britanika teo aloha hafa, nizarazara tao anaty “trano” izay mifaninana amin'ny adihevitra, fanatanjahatena sy ireo hetsika hafa ny mpianatra. Ao amin'ny  APS, dia “Firaisan-kina”, “Finoana”, “Fitsipi-pifehezana” ary “Fandeferana” ireo trano ireo. Soatoavina ampidirina ao an-tsain'ireo mpianatry ny APS izany.

1465118_10153075150314305_7294204234555695461_n

Fiareta-tory mandrehitra labozia hoan'ireo namoy ny ainy tamin'ny fanafihana tao Peshawar. Sary avy amin'ny @aliachughtai.

Tamin'ny 2013, nanatontosa tetikasa “Smiles-Raising Emotionally Healthy Children (Tsiky – Fanabeazana Zaza Salama Ara-pihetseham-po)” hoan'ireo ray aman-dreny ao amin'ny tranonkalan'izy ireo ny tompon'andraikitry APS mba handefa fanontaniana any amin'ny toera-pitsaboana ara-tsaina iray za-draharaha 14 taona niara-niasa tamin'ny ankizy sy ny tanora. Tsy nanandrana ny tolotra aho, saingy toa hamaly fanontaniana amin'ny alalan'ny mailaka ilay manam-pahaizana manokana.

Nanao ihany koa izy ireo ny “Fandaharam-panabeazana Ara-Soatoavina” izay mifantoka amin'ny “mahasoa amin'ny fihetseham-pon'ny olom-pirenena manerantany sy ny fampivelarana tsara kokoa ny olombelona izay afaka mandray anjara amin'ny fananganana tontolo lavitry ny ady sy miaina ao anatin'ny filaminana sy ny firindràna.” Miresaka momba ny famahana ady, ny fampijaliana, ny fampijaliana antserasera sy ny fanodinana zavatra iray tsy ilaina intsony ho akoran-javatra hafa ary ny sisa maro hafa ny boky an-tànana 2013-2014 miresaka izany fandaharana izany, izay mitondra ny lohateny hoe “Taonan'ny Filaminana sy ny Firindrana” .

Indro ny notsongaina avy amin'ny fizarana momba ny fahatakarana sy ny fitantanana ny ady an-dakilasy: “Amin'ny maha-olombelona, tsy azo ihodivirana ny mety hifandirantsika amin'ny hafa satria samy manana ny laharam-pahamehany, ny soatoaviny, ny filàny sy ny faniriany isika rehetra. Araka izany, dia zava-misy sy voajanahary iainantsika ny fifandirana. Tsy voatery manimba ny fifandirana. Ny fomba hamaliantsika ny fifandirana no mamaritra na mahasoa izy na manimba”.

Tsy fantatro hoe firy amin'ity fitaovana na fampianarana ity no tonga mitsitaikataikany any amin'ireo sampana am-polony manerana ny firenena, saingy farafaharatsiny manana sori-dalana mafonja izy ireo. Sori-dalana hoan'ny ankizy manana ray aman-dreny miady amin'iray amin'ireo olana mampatahotra sy manimba indrindra ao Pakistana – dia ny foto-kevitra velomin'ny  fitolomana Talibana.

Maro amin'ireo sekoly hafa ao Pakistan – tsy miankina sy ny an'ny fanjakana no afaka manatsoaka lesona maro ao amin'ny bokin'ny APS sy ny toro-lalana fanazarana mpampianatra.

Farany, tsy ho resy amin'ny alalan'ny baomba na bala ity ady ity, fa amin'ny alalan'ny fanomezana fitaovana hoan'ireo ankizy marefo, izay mety hiatrika foto-kevitra maherisetra mba hahafantaran'izy ireo ireo olon-doza tsy miantra.

Mpitantana ny fanoratana ato amin'ny Global Voices i Sahar Habib Ghazi. Tsy mikasa ny hamakiana ity lahatsoratra ity ho toy ny fanambarana an-gazety avoakan'ny APS izy, ary miala tsiny indrindra raha toy izany ny endriny, saingy mihevitra izy fa ny tantaran'ny APS dia iray amin'ireo tantara goavana indrindra tsy mba voatantara tao Pakistana. Misioka ao amin'ny @SaharHGhazi iz

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.