Mampidi-doza Tsotra Izao Ny fanapahan-Dàlana Fahatàny Ao Bangladesh

Citizens risk their lives to cross roads at Kazi Nazrul Islam Avenue in the capital, just yards away there is a footbridge on the other side. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (30/8/2012)

Manao vy very ny ainy ireo olom-pirenena miampita ny Avenue Kazi Nazrul Islam ao an-drenivohitra, tsy lavitra eo anefa dia efa misy toerana fiampitàna natao ho an'ny mpandeha an-tongotra. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (30/8/2012)

Tamin'ny Novambra lasa teo, nahavita fanentanana naharitra telo andro ny polisy tao Bangladesh mba hanatsaharana ny fiampitàn'ireo mpandeha an-tongotra eny amin'ireo arabe be fifamoivoizana, nefa tsy any anaty faritra natao ho azy (fiampitàna arabe, na mandeha ao ambanin'ny arabe). Nametraka tribonaly mandehandeha ihany koa ny manampahefana mba hanafay amin'ny alàlan'ny lamandy sy mety ho tonga hatramin'ny fampidirana am-ponja ireo mpandeha an-tongotra anjatony izay miampita fahatàny.

Araka ny lazain'ny polisy, dia fanentanana ho fampahatsiarovantena io. Matetika ny olona ao Bangladesh no miampita amin'ireo arabe be mpifamoivoy ka mitsofotsofoka eny anelanelan'ny fiara eny, manohana ireo fiara mandeha amin'ny alàlan'ny fanofahofany tànana fotsiny, raha tokony hampiasa ireo toerana natao hiampitàny, napetraka ho an'ny mpandeha an-tongotra. Sady loza mitatao ho an'ny daholobe ilay fitondrantena no olana ho an'ny fandrindràna ny fifamoivoizana ihany koa.

Tsy zavatra mandeha ho azy ny famaizana ny fiampitàna fahatàny.

Ao amin'ny fanehoankeviny momba ny tantaram-baovao iray ety anaty serasera, milaza ny olona iray mpampiasa aterinto fa tsy maharaka ireo tetezana kely natao ho an'ny mpandeha an-tongotra:

ফুটওভার ব্রিজগুলোতে ওঠানামা করতে খুব কষ্ট হয়। সুস্থ লোকও হাপিয়ে যায়। আন্ডারপাসে ওঠানামাও কষ্টকর। তাই জরিমানা করার আগে এসব প্রতিবন্ধকতা দূর করা দরকার। বিজ্ঞাপন, ব্যানার, ফকির, হকার, বখাটে, টিজার, অন্ধকার, নোংরা- এসব ব্রিজ থেকে অপসারণ করে পরিষ্কার ঝকঝকে রাখা দরকার। সিসিটিভি দিয়ে মনিটর করা দরকার। ওঠানামার জন্য ভাল এস্কেলেটর বা লিফট থাকতে হবে।

Faran'izay manelingelina be ny handeha hiakatra amin'ireny tetezana ireny. Na dia ireo olona salama tsara aza dia reraka ihany miampita amin'ireny zavatra ireny. Maro zanatohatra loatra koa ireo fiampitàna ambanin'ny tany (ary tsy misy tohatra ahodi-milina). Alohan'ny hametrahana sazy ara-bola, tokony hohatsaraina kokoa ny faritra ho an'ny mpandeha an-tongotra. Ireny fiampitàna ambony/ambanin'ny tany ireny dia mazàna no feno mpangataka, mpivarotra mandehandeha, sy ireo mpanao doka, ary rakotra vovoka, afisy, haizina, ary fofona ratsy. Tena tsy maintsy atao ny fikarakarana araka ny tokony ho izy ireny fotodrafitrasa ireny. Tokony hasian-dry zareo fanaraha-maso tsy mitsahatra amin'ny alàlan'ny TV mba hampitsaharana ny fanimbàna/fandrobàna. Tena ilaina ihany koa ny fampiasàna fanakadrihana sy tohatra ahodi-milina amin'ny toerana sasany.

Nanoratra tao amin'ny Facebook, Probhash Amin, mpanao gazety ka niteny hoe :

পথচারীদের ফুটওভারব্রিজ আর আন্ডারপাস ব্যবহারে আপনি উদ্বুদ্ধ করতে পারেন, বাধ্য করতে পারেন না। পুলিশ যেভাবে অফিসগামী ব্যস্ত মানুষদের ছিনতাইকারীর মত দৌড়ে বেল্টে ধরে, কলারে ধরে ভ্রাম্যমান আদালতের সামনে আনছে তা অবশ্যই মানবাধিকার লঙ্ঘন।

Azonao atao ny mandrisika ny olona hampiasa ireo fiampitàna mihantona sy midina ambanin'ny tany ireo, saingy tsy azonao terena ry zareo. Ankehitriny, ny fisamboran'ny polisy eny an-dàlana ireo mpandeha an-tongotra ary fitondràna azy ireny any amin'ny birao toy ny hoe olo-meloka, misintontsintona azy ireo tsy misy fanajàna, dia mazava loatra fa fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

 Naka fomba fijery somary masiatsiaka i Kung Thang, bilaogera, tamin'ny nitenenany hoe tokony ho an'ny mpandeha an-tongotra ny arabe :

পথচারিরাই পথের মালিক ৷ গাড়ি হল গতকালকের সৃস্টি ৷ এই পথে তোমার ইঞ্জিন লাগানো গাড়ি চলতে পারে, তবে সেটা কোনক্রমেই পথচারিদের হাঁটাচলা বন্ধ করে বা চলাচলে বাধা সৃস্টি করে নয় ৷

Ny mpandeha an-tongotra no mpampiasa manan-jo feno amin'ny arabe. Zavatra vao noforonina taty aoriana ny fiara. Afaka mampiasa ny arabe ry zareo saingy tsy amin'ny fandàvana ny zon'ny mpandeha an-tongotra hiampita ny arabe kosa.

Citizens risk their lives in the traffic to cross the road at Kazi Nazrul Islam Avenue in the capital Dhaka. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (30/8/2012)

Manao vy very ny ainy ireo olom-pirenena miampita ny Avenue Kazi Nazrul Islam ao an-drenivohitra, tsy lavitra eo anefa dia efa misy toerana fiampitàna natao ho an'ny mpandeha an-tongotra. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Fizakàmanana Demotix (30/8/2012)

Tsara ny manamarika fa zara raha misy ny jiro fandrindràna fifamoivoizana natao ho an'ireo mpandeha an-tongotra amin'ireny fiampitàna ireny ao Bangladesh.

Rasel Parvez, bilaogera, miteny fa tsy mifanaraka amin'ny maha-olona nahita fianarana ny fihetsiky ny polisy :

পথচারী ট্রাফিক আইন মেনে অন্য সকল সভ্য দেশের মতো রাস্তা পার হবে নিরাপদে, শুধুমাত্র গাড়ীচালকদের নির্বিঘ্নে গাড়ী চালানোর সুযোগ দিতে গিয়ে লোকজনকে আকাশ-পাতালে উঠা নামা করতে হবে- এটা অসভ্য একটা রীতি।

Hiampita ny arabe ireo mpandeha an-tongotra raha misy jiro mpandrindra eo; zavatra efa mahazatra izany any amin'ireo firenena mandroso. Ny fanomezana tombony ny fiara amin'ny fanilihana ny fandehanana an-tongotra ho any amin'ireo fiampitàna ambony na ambanin'ny tany; mandany fotoana izany ary an'ny olona tsy nahita fandrosoana.

Araka ny antontanisa avy amin'ny “Bangladesh Road and Transport Corporation” , fiara 185 isanandro no tonga manatevina laharana ireo efa eny amin'ny arabe tototra ao Dhaka. Manodidina ny 2-5 isanjato fotsiny amin'ny mponina ao an-toerana (ao amin'ny 210.000 eo) no heverina ho manana fiara. Syed Mahbubur Alam, mpisolovava, miteny fa tsy manaraka ny làlan-tsaina tokony harahana ny fanomezana tombony ny ampahany vitsy tahaka izany amin'ny resaka fifamoivoizana :

[…] ঢাকা শহরের প্রায় পঁচানব্বই শতাংশ মানুষ হাঁটা, পাবলিক বাস, সাইকেল এবং রিকশাসহ অন্যান্য গণপরিবহনে যাতায়াত করছে। যার অধিকাংশ পায়ে হেটে চলাচল করে থাকে। নগরে মাত্র ২% মানুষের যাতায়াতের বাহনকে সুবিধা প্রদানের জন্য ৯৫% মানুষের যাতায়াতকে উপেক্ষা করা যুক্তিসংগত নয়।

Eo ho eo amin'ny 95 isanjaton'ny mponina ao Dhaka no mpandeha an-tongotra, mpivoy bisikilety, na mpampiasa fiara fitaterana iombonana. Mandeha eny an-dalambe ny ankamaroan'ireny olona ireny. Tsy rariny ny finiavana tsy hijery ny fitarainan'ny 95 isanjato mba ho fanomezana fahafahampo  an'ireo 2 isanjato monja.

Kallol Mustafa, bilaogera sady mpikatroka mafàna fo avy amin'ny elatra havia, manao fanentanana ho an'ny “zon'ireo maro an'isa mpandeha an-tongotra manoloana ny zon'ny tsirairay amin'ny mpamily.” Araka ny ambaran'i Marufa Rahman, mpampiasa Facebook, tonga hatramin'ny fampiasàna herisetra ara-batana ny polisy amin'ny tranga sasany, rehefa misambotra ireo mpiampita eny rehetra eny.

Raha ny marina, faran'izay mampidi-doza ho an'ny mpandeha an-tongotra ny arabe ao Dhaka. Ho an'ny 2014 samirery, olona 134 no maty niampita arabe, hoy ny tatitry ny gazety Bengali, Prothom Alo. Tao anatin'ny matoandahatsoratra iray, io gazety io ihany no niteny vao tsy ela akory izay, na dia somary nanjavozavo ihany aza, fa mila manao dingana telo hanaovana izay haha-azo antoka ny fifamoivoizana i Bangladesh, na izany ho an'ny fiara, na  ho an'ny mpandeha an-tongotra: (1) mamorona fotodrafitrasa sahaza ny mpandeha an-tongotra, (2) manao fanentanana ho fanabeazana ny daholobe mikasika ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fitsipiky  ny fifamoivoizana, ary (3) mametraka lalàna hentitra hampitsaharana ny fandikàn-dalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.