Mikasa Hanampy Ireo Firenena Hafa Hiady Amin'ny Fandripahana Ala ao Amazonia i Brezila

Ministra do Meio Ambiente Izabella Teixeira (centro)

Minisitra Breziliana Misahana ny Tontolo Iainana Izabella Teixeira (afovoany) manolotra drafi-panampiana amin'ireo firenena hafa misy an'i Amazonia ao amin'ny COP 20. Saripikan'i Gustavo Faleiros.

 Ao Lima i Gustavo Faleiros, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny InfoAmazônia, mpiara-miasa amin'ny Global Voices mba hitatitra ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro (COP 20).

Hiditra an-tsehatra indray ao amin'ireo firenena misy an'i Amazonia hafa i Brezila, izay manana traikefa maherin'ny 30 taona amin'ny fiadiana amin'ny famongarana ala. Nandritra ny Kaonferansa faha-20 n'ny Firenena Mpikambana misahana ny Fikorontanan'ny Toetr'andro (COP 20) tao Lima, Però, nampahafantatra drafitr'asa hanatanterahana rafi-panaraha-maso iarahana amin'ny Fikambanan'ny Fifenekem-piarahamiasa Amazoniana (OCTA) ny governemanta Breziliana sy ny Bankin'ny Fampandrosoana Brezilianina (BNDES).

Araka ny filazan'ny Sekretera Jeneralin'ny OTCA, ilay Sorinameana Robby Dewnarain Ramlakhan, efa eo an-dalana amin'ny alalan'ny Tahirim-bola Amazoniana, manana tahiry 800 tapitrisa dolara tantanin'ny BNDES hanohanana ireo tetikasa ao Brezila sy ireo firenena hafa manerana an'i Amazonia, ny fampiasam-bola 8 tapitrisa dolara.

Tsy averina intsony ireo vola ireo, izay midika fa tsy vola nindramina izany. Nambara nandritra ny lanonana natrehin'ny delegasiona Breziliana sy Peroviana, ny tetikasa dia mikasa hametraka efitra maro fanarahamaso ireo tahiry avy amin'ny zanabolana, hanazatra teknisiana 150 sy hividy fitaovana fanarahamaso omena ireo firenena fito hafa mpikambana ao amin'ny OTCA.

Fanampin'izany, mikasa hanao sarintany manatantara misy ny alan'i Amazonia amin'ny fivelarany manontolo nanomboka taona 2000 ka hatramin'ny taona 2010 ny tetikasa. Tsy tahaka an'i Brezila, izay nanara-maso ny famongorana ala hatramin'ny 1988, dia mbola manangana ny tahiry ara-tantaran'ny ala ao aminy ireo firenena hafa. Hampiasa indray ny fomba efa nampiasain'ny Foibem-pirenena Breziliana hoan'ny Fikarohana An'habakabaka, tompon'andraikitra amin'ny fanisana ny taha ofisialin'ny fihenan'ny ala ao Amazonia Breziliana ny OTCA.

“Samy manana ny mampiavaka azy ny firenena tsirairay avy. Ny 90 isan-jaton'ny fandripahana ala ao Però dia ao amin'ny toerana latsaky ny iray hekitara, izay sarotra araha-maso”, hoy i Gustavo Suarez, mpandrindra ny Fandaharan'asan'ny Alam-pirenena ao Però, maro amin'ireo fandripahana ala no mitranga ao amin'ireo faritra midadasika (jereo ny sarintany fandripahana ala eto ambany).

Ala andalam-piarenana

Tamin'ny Alarobia ihany koa, nanao kabary nandritra ny fivoriana natrehin'ny rehetra tamin'ny kaonferansa ny minisitry ny Tontolo Iainana Breziliana, Izabella Teixeira ary nidera indray ny ezak'i Brezila amin'ny fampihenana ny fandripahana ala. Nilaza ireo tarehimarika farany nambaran'ny governemanta izy – fihenana 18 isan-jato tamin'ny 2014 – izay porofo amin'ny ezak'i Brezila amin'ny fampihenana ny famokarana etona miteraka fiakaran'ny maripana (effet de serre).

Mbola antony voalohany amin'ny fandefasana etona miteraka fihafanan'ny toetr'andro ao Brezila ihany ny fanovana amin'ny fampiasana ny tany (doro ala, fandripahana ala). Mametraka ny firenena amin'ny toerana mendrika amin'ny fifampiraharahana momba ny fikorontanan'ny toetr'andro ny fihenan'ny fandripahana ala ao aminy – miezaka mamolavola fifanekena vaovao ny Firenena Mikambana ankehitriny mba hanalefahana ny antony sy ny vokatry ny fiakaran'ny maripanan'ny tany. Antenaina amin'ny taona hoavy, ao Paris (COP 21), ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana iray hafa ahitana tanjona vaovao, mba hanan-kery amin'ny taona 2020.

“Tsy ny tahan'ny fandripahana ala ihany no nihena hatramin'ny 82% tao anatin'ny 10 taona , fa nahitanay ezaka goavana ihany koa ny fanavaozana ny ala”, hoy ny minisitra. Niresaka momba ny vaovao navoakan'ny TerraClass system avy ao amin'ny INPE herinandro vitsy lasa izy, izay nilaza fa 23 isan-jaton'ny tany ripaka ala any Amazonia no ahitana ala eo am-piarenana. “Mampiseho izany fa nitsahatra tsy nandefa karbona 650 tapitrisa taonina isan-taona i Brezila”.

Sarintany ifandrimbonana momba ny fandripahana ala any Amazonia – angona avy amin'ny INPE (rafitra Prodes) sy ny rafitra Terra-i

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.