Ny Fifamatorana Lalimpàka Eo Amin'i Jamaika Sy Luke Somers Mpaka Sary Atao An-gazetin'ny Slain

Luke Somers in Yemen, wearing a TrenchTown Reading Centre T-shirt, shortly before being captured. Photo courtesy the TrenchTown Reading Centre, used with permission.

Luke Somers tao Yemen, mitafy ny T-shirt an'ny TrenchTown Reading Centre, taloha kelin'ny nisamborana azy. Sary natolotry ny TrenchTown Reading Centre, fampiasàna nahazoana alàlana.

Raha toa ireo namany sy mpiara-piasa aminy mbola eo am-pisaonana an'i Luke Somers, ilay Amerikana mpaka sary fanao an-gazety, maty novonoin'ny Al-Gaida tamin'ny herinandro lasa tao Yemen nandritry ny ezaka fanavotana tsy nahomby nataon'ny Etazonia, misy fanomezam-boninahitra iray tonga avy any amin'ny faritra tsy noeritreretina mihitsy – Karaiba.

Bilaogy iray any Jamaika, ny Petchary, no nandefa fanomezam-boninahitra mahafinaritra sy manohina ny fo ho an'ilay lehilahy fantatr'izy ireo, sady tsy nanadino fa maty novonoin'ny olon'ny Al-Qaida nandritra ilay bemidina ihany koa i Pierre Korkie, Afrikana Tatsimo mpampianatra.

Avy any amin'ny atifanahiny no nahatsiarovan'ilay bilaogera an'i Somers :

Nahalàla an'i Luke Somers izahay aty Jamaika. Mpirotsaka an-tsitrapo tao amin'ny Trench Town Reading Centre izy tamin'ny lohataonan'ny 2010. Izy no nitàna ny lakilasin'ireo Taona Fahatelo tao amin'ilay Akany ary nifantoka tamin'ny fampianarana azy ireo ny fomba fanoratra misy asa famoronana. Tia azy ny ankizy (indrindra fa ny ankizilahy kely izay nihevitra fa lehilahy tsotra fanahy izy). Tia azy ny fiarahamonina; namihina azy ireny izy ary dia mba nofihinin'izy ireo koa avy eo.

Luke Somers with a class at Jamaica's TremchTown Reading Centre. Photo courtesy the centre, used with permission.

Luke Somers niaraka taminà kilasy iray tao amin'ny TremchTown Reading Centre tao Jamaika. Sary natolotry ny akany.

Somers, tahaka izay betsaka efa nataony tao Yemen, dia nifamatotra lalina tamin'ny mponina izay nifanerasera taminy tao Jamaika. Nifandray tsy tapaka tamin'i Roslyn Ellison talen'ny Trench Town Reading Centre izy, saingy na teo aza ny faniriany, tsy niverina tany Jamaika izy talohan'ny nanendrena azy ho any Yemen.

Nanohy ilay lahatsoratra hoe :

Tsy ilaina ny ilazàna fa hoe misaona ny vondrom-piarahamonina ao amin'ny “First Street” […] Sady nahafinaritra no nalàla-tànana i Luke. Tia azy ny olona rehetra. Inona indray no mbola hanampiana an'izay?

Somers taking a lunch break with some of the kids from the TrenchTown Reading Centre. Photo courtesy the centre, used with permission.

Somers niara-nandray ny sakafo antoandrony tamin'ireo mpianatra sasany tao amin'ny TrenchTown Reading Centre. Sary natolotry nu akany, ary nahazoana alàlana.

Niraraka ihany koa ny fanehoana fiaraha-miory sy ny fanomezam-boninahitra tao amin'ny pejy Facebook  an'ny Trench Town Reading Centre. Ny talen'ny akany, Roslyn Ellison, ho fahatsiarovana an'i Somers, dia niteny tao anaty mailaka hoe :

Nampalahelo tokoa ho antsika rehetra [aty Jamaika] ny fahafatesa[ny]. Tovolahy tia miasa sy mikarakara ary nahafinaritra izy. Imbetsaka izy no nitsidika sy nanao asa an-.tsitrapo ho an'ny TrenchTown Reading Centre, tao amin'ny “First Street”, nandritry ny lohataonan'ny 2010. Nanampy anay nanome aina ny Sekolin-Dohataona izy. Nisafidy ny hiaina tao anatin'ilay fiarahamonina izay tsy aiza fa teo amin'ny arabe misy ny akany ihany i Luke, fa tsy nivezivezy nankany afovoan-tanàna nahabe resaka tany. Vetivety [izy] dia tafiditra tanteraka ho isan'ny mpiaina tao amin'ilay faritra ary dia nirotsaka feno sy nitankosona tamin'ireo ankizy sy ny vahoaka.

Tezitra sy tohina ny olona. Toerana raisin'ny maro ho malaza amin'ny herisetra i Trench Town. Kanefa tsy zakan'ny olona any ny hoe olona fantany no niharan-javatra tahaka izany. Mbola niandrandra ny hahita azy indray izahay satria efa naminavina ny hiverina izy. Saingy indrisy, tsy hisy izany. Fohy no niainan'i Luke saingy niaina ny fahafenoana tanteraka sy nandray anjara betsaka izy.

Owen Blakka Ellis, izay nahalàla ihany koa an'i Somers, nanoratra hoe :

Mandria am-piadanana ary misondràta amin-kery ry Luke! Hitohy ho velona hatrany ny fanahinao sy ireo asa tsara nataonao.

Ho toy ny “tovolahy iray mahafinaritra sy maha-te ho tia”  no hahatsiarovana an'i Luke Somers izay, tamin'ny fomba tsy hita hofaritana, nandona ny fon'ny olona tokoa ny asa nataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.