Tanànan'i Arzantina Manome Valisoa ireo Bilaogin-tsekoly Manentana Amin'ny Fampihenana Ny Herisetra Mianjady Amin'ny Vehivavy

An image from one of the Argentinan blogs to receive an award. Decilenoalaviolencia2014.blogspot.com.

Sary avy amin'iray amin'ireo bilaogy Arzantiniana hahazoana loka. Decilenoalaviolencia2014.blogspot.com

Nanao dingana lehibe i Arzantina tamin'ny 2009, raha namoaka ny Lalàna Laharana. 26485, izay mifehy “ny fisorohana, ny sazy, sy ny famongorana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.” Nanomboka tamin'izany, nandritra ny dimy taona farany, nisy ny fitomboan'ny fikambanana misahana manokana ny fanentanana momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Na dia teo aza izany fivoarana izany, mbola mitombo ao Arzantina ny zava-misy (herisetra amin'ny vehivavy). Tamin'ny 2013, nandrakitra vono vehivavy 295 ny firenena, fitomboana16 isanjato raha oharina tamin'ny tahirin-kevitry ny taona 2012.

Nandritra ny telo taona misesy, nanao izay vitany ny filan-kevitry ny tanànan'i Rosario amin'ny fiadiana amin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy, nanatontosa hetsika fanentanana izay manome valisoa hoan'ireo bilaogy tsara indrindra miresaka momba ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy izy. Ny mpandresy tamin'ity taona ity dia ny  Sekoly Ambaratonga Faharoa Fampianaran'Asa (EESO) Sekoly laharana faha.572. Manome torohevitra fiarovana hamantarana ny olon-tiana lehilahy mahery setra ny iray amin'ireo lahatsarin'ny sekoly:

Ao amin'ny lahatsary hafa avy amin'io sekoly io ihany, mpianatra iray antsoina hoe Guido Roldan namintina fohy ny Lalàna laharana. 26485:

Ny sekoly San Martin de Porres Laharana. 3143 kosa no nahazo ny loka faharoa tamin'ny bilaogy mitondra ny lohateny hoe “Decile NO a la Violencia de Género” (mandà ny Herisetra mihatra amin'ny vehivavy). Ao amin'ny lahatsoratra iray, mampiseho ireo tranga maromaro momba ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy izay nitranga tao Arzantina tao anatin'ny taona vitsivitsy ny bilaogy. Nilaza ny raharaha Wanda Taddei, nodoran'ny vadiny ho faty tamin'ny taona 2010 izy ireo. Nahasarika ny saina manokana ny raharaha noho ny fomba nanalefahan'ny fitsarana ny sazin'ilay lehilahy vadiny, rehefa avy nilaza ireo mpisolovavany fa nahavita ny heloka bevava noho ny “fihetseham-po mahery setra” izy. Nitarika adihevitra mafana momba ny tsy fisaziana aterak'izany ity raharaha ity, ary satria koa taty aoriana nanome aingam-panahy tamin'ny raharahan-keloka bevava “copycat”.

Nogadraina mandra-pahafaty ihany ny vadin'i Taddei tatỳ aoriana, taorian'ny fampiakaran'ny fianakaviana ny raharaha tany amin'ny fitsarana ambony, saingy mbola marobe hatrany ireo heloka bevava mitovy amin'izany mitranga manerana an'i Arzantina.

Y el más reciente, el caso de  “Wanda Taddei” en 2010, cuyo crimen derivó en una condena “ejemplar” de prisión perpetua para su esposo, Eduardo Vázquez, ex baterista del grupo Callejeros, de parte de la Cámara Federal de Casación Penal después de varias apelaciones por parte de la familia de la víctima. A partir de ese homicidio fueron registrados más de 50 casos similares, bajo la modalidad de violencia de género incendiaria.

Ny vao haingana indrindra dia ny raharaha “Wanda Taddei” tamin'ny 2010, heloka bevava izay niafara tamin'ny sazy mandra-pahafaty navoakan'ny Fitsarana ambony federaly misahana ny heloka bevava hoan'ny vadin'i Taddei, Eduardo Vázquez, mpively amponga maro anaka teo aloha tao amin'ny tarika Callejeros, taorian'ny fampiakarana ny raharaha imbetsaka nataon'ny fianakavian'ny maty. Taorian'ny vono olona, nandrakitra tranga maherin'ny 50 mitovy amin'izany mikasika ny fandoroana vehivavy ho faty ny fitsarana.

Nahazo ny loka faharoa ihany koa ny sekoly Jesus de Nazareth Sekoly laharana faha- 2046. Tao amin'ny bilaoginy  ny vondrona nanoratra tranga tena misy mifandraika amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy . 

Nilaza ny filoha lefitry ny Filan-kevitry ny tanànan'i Rosario, Norma López, tamin'ny fanombohan'ny lanonana fanolorana ny loka hoe:  

Esta es una actividad muy querida por nosotros porque vemos el trabajo y el esfuerzo que ponen cada una de las escuelas y la forma en que se organizan, así como el interés que aportan para que nos percatemos que somos iguales, porque de eso se trata cuando hablamos de la violencia contra las mujeres.

Heverinay fa zava-dehibe tanteraka ity hetsika ity, satria hitantsika ny asa sy ny ezaka nataon'ny sekoly tsirairay. Hitantsika ireo fikambanana niditra an-tsehatra amin'izany. Hitantsika ihany koa ny tombontsoa asehon'ireo mpianatra amin'ny fanentanana momba ny fitovian-jo, izay zava-dehibe tsara hotadidiana rehefa miresaka momba ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy.

Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantarana manokana nataon'ny Global Voices mikasika ny 16 andro hanafoanana ny herisetra an-tokantrano sy manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.