Mila Fanavotana Mafy Ireo Tigra Ao Azia Atsimo Atsinanana

Malayan tiger. Photo from the Facebook of MYCAT

Tigra ao Malezia. Sary tao amin'ny pejy Facebook MYCAT

Azia Atsimo Atsinanana, toeram-ponenan'ny karazana tigra marobe izay heverina ho tandindonin-doza noho ny fahasimbàn'ny teram-ponenany sy ny fihazàna azy.

Any Malezia, 250 hatramin'ny 340 sisa no tigra dia tavela. Vinavinaina ho efa ambanin'ny 30 sisa ny isan'ny tigra dia ao Kambodza. Manana tigra dia 30 avy koa i Vietnam sy Laos. Manodidina ny 350 ireo tigra Indôsinoà tavela ao amin'ny faritra Greater Mekong. Eo amin'ny 400 ny tigra any Sumatra sisa tavela ao Indonezia.

Mba hampitomboana ny isan'ireo tigra dia ao Malezia dia nanoso-kevitra ny “Malaysian Conservation Alliance for Tigers” na MYCAT fa hametraka andianà mpisafo tigra betsaka kokoa ary hiverina handinika ny fampiharana ny Drafitr'asam-pirenena ho fiarovana ny Tigra sy ny Drafitra fototra napetraka ho fiarovana ireo tigra ao amin'ny Ala Afovoany. Nanainga ny governemanta ihany koa ilay vondrona mba hametraka Fanadihadiana momba ny Tigra manerana ny firenena, ary mikendry ny hampitombo ny isan'ireo tigra dia ho 1.000 ato anatin'ny dimy taona ho avy.

Tiger locations in the Greater Mekong Region. Image from WWF

Ireo toerana misy ny Tigra any amin'ny faritra Greater Mekong. Sary avy amin'ny WWF

Mandritra izany, nandefa fanairana ny WWF momba ny fihenàn'ny isan'ireo tigra dia any amin'ny faritra Greater Mekong, izay tondroiny ho ny toeram-ponenana midadasika indrindra ho an'ireo tigra eto an-tany. Tamin'ny 1998 dia nisy 1.200 ny tigra Indôsinoà tany amin'ireo ala tao Kambodza, Laos, Myanmar, Thailand ary Vietnam saingy efa tafidina ho 350 izy ireo ankehitriny.

Araka ny WWF, hazain'ireo mpihaza ny tigra mba “hamaliana ny tinady tsy mitsaha-mitombo amin'ireo faritra sasany amin'ny tenany ilaina ampiasaina hanaovana fitsaboana nentim-paharazana.” Mizaka ny “fivakivakisan'ny toeram-ponenany” aterak'ireo “fotodrafitrasam-pampandrosoana tsy maharitra” ihany koa ireo Tigra”. Ny tinady ara-barotra amin'ny hena tigra any amin'ireo trano fisakafoana koa dia antony iray mahatonga ny fitohizan'ny fihazàna sy famonoana ireo tigra any an'ala. Mandritra izany, ny fihazakazaky ny fanimbàna ny tany any an'ala ao Sumatra no tena loza mitatao ho an'ireo tigra efa mila ho lany taranaka ao amin'ity nosy ity.

Ity lahatsary ahitàna fandrika azo tao Sumatra ity dia afaka nanaovana fanadihadiana momba ireo zanaka tigra miaina any an'ala ao Sumatra:

Tokony hiara-hiasa amin'ireo mpiaro tontolo iainana ireo governemanta any Azia Atsimo Atsinanana hiarovana ireo tigra dia  sisa tavela any amin'ny faritra. Tena zava-dehibe ny hampahatsiahivan'izy ireo amin'ny vahoaka fa lafo vidy kokoa ny tigra velona raha mitaha amin'ny maty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.