Tapaho Ny Fahanginana: Fanentanana Hamotsorana ireo Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Any Am-ponja

Campaign images by Kalie Taylor and Hugh D'Andrade.

Sary fanentanana avy amin'i Kalie Taylor sy Hugh D'Andrade.

Androany, andron'ny Zon'Olombelona, ampahatsiahivinay izao tontolo izao momba ireo namanay iza nandrava ny fahanginan'ny fangejana amin'ny fanehoana hevitra, fanontaniana, ary ny fieritreretana sahy mitsikera sy zavatra mivaingana amin'ny fomba hamahana ny olana atrehin'izy ireo.

Tsaroantsika androany i Alaa Abd El Fattah sy Bassel Khartabil (antsoina hoe Bassel Safadi), namana roa any am-ponja tsy amin'ny antony izay manohintohina ny hoavin'izy ireo amin'ny maha-mpihevitra zava-baovao sy malalaka azy ireo ao amin'ny tontolo Arabo. Nogadraina nanomboka volana Martsa 2011 tao Syria i Bassel, ary nogadraina imbetsaka tao Ejypta hatramin'ny fitondran'i Mubarak kosa i Alaa.

Manandrata feo miaraka aminay androany amin'ity fanentanana manerantany hoan'i Alaa, Bassel, sy ireo sisa maro izay nogadraina tsy amin'ny antony noho ny hafanam-pon'izy ireo.

Tohano ireo namantsika any am-ponja:

Bassel "Safadi" Khartabil. Photo by Joi Ito via Flickr (CC BY 2.0)

Bassel “Safadi” Khartabil. Sary avy amin'i Joi Ito tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0)

Momba An'i Bassel

Teraka sy lehibe tao Syria i Bassel, ary nanjary manam-pahaizana manokana momba ny fampivelarana rindrambaiko misokatra. Niara-namorona ny orinasam-pikarohana ifarimbonana  Aiki Labs izy, ary tale teknika ao amin'ny Al-Aous, foibem-pikarohana sy famoahana manokana momba ny siansa arkeôlôjika sy ny zavakanto ao Syria. Mpitantana ny tetikasa sy tompon'andraikitra ao amin'ny Creative Commons[fr] ao Syria izy, ary nandray anjara tamin'ny Mozilla Firefox[fr], Wikipedia[fr], Openclipart[fr], sy Fabricatorz ihany koa. Anisan'ireo asa farany nataony ny fanavaozana indray ny sary 3D [refy telo] ny tanàna fahiny Palmyre[fr] ao Syria.

Tamin'ny volana Novambra 2012, nosaloran'ny Foreign Policy ho iray amin'ireo 100 mpihevitra mendrika indrindra manerantany i Bassel. Manam-pahaizana momba ny teknolojia informatika izay te hanampy hampandroso ny fireneny amin'ny alalan'ny fampidirana teknolojian'ny aterineto vaovao any amin'ny oniversite, orinasa sy ny vondrona firaisamonim-pirenena i Bassel. Manamarika ny andro faha-1000 nigadran'i Bassell androany, Andron'ny Zon'Olombelona.

 

Alaa Abd El Fattah with his wife, Manal Hassan. Photo by Lilian Wagdy via Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Alaa sy Manal. Sary avy amin'i Lilian Wagdy tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0)

Momba an'i Alaa

Ejypsiana mpikatroka politika, bilaogera ary mpiaro ny rindrambaiko misokatra i Alaa Abd El Fattah izay nandany ny ankamaroan'ny androny tany am-ponja tao anatin'izay telo taona lasa izay. Nogadraina voalohany tamin'ny taona 2006 tamin'ny fitondran'i Mubarak, nogadraina imbetsaka i Alaa tamin'ny taona 2011 noho ireo fiampangana tsy misy mifandraika amin'ny fikatrohany ela be sy mahasarika. Tamin'ny Desambra 2011, tsy nahita ny fahaterahan'ny zanany lahy Khaled izy raha mbola tany am-ponja.

Tamin'ny volana Jiona 2014, nahazo sazy an-tranomaizina 15 taona tsy nisy fijoroana teo amin'ny fitsarana izy—na dia tao ivelan'ny tokontanim-pitsarana aza tamin'izany fotoana izany.

Na dia navotsotra tao anatin'ny fotoana fohy noho ny fandoavana onitra aza izy tamin'ny volana Septambra, nosamborina indray i Alaa tamin'ny 21 Oktobra. Nankalaza ny faha-33 taonany indray tao am-ponjan'i Torah ao Kairo izy tamin'ny 18 Novambra. Manan-jo hivoaka ny fonjany adiny iray isan'andro izy saingy matetika tsy mahazo mivoaka any an-tokontany. Tamin'ny 10 Desambra, nanomboka ny fitokonany tsy hihinan-kanina nandritra ny 38 izy.

Nahazo sazy an-tranomaizina 3 taona ny anabavin'i Alaa, Sanaa Seif,noho ny fanitsakitsahana ny lalàna henjana mifehy ny fihetsiketsehana ao Ejypta .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.