Lazain'ireo Rosiana Mpampanoa Lalàna Ho Kabarim-Pankahalàna Ny Fihetsik'Ilay Lehilahy Nanohitra Ny Mpandrava Korontana Ara-Poko

Riot police and demonstrators clash in Biryulyovo, October 13, 2013. YouTube.

Fifandonan'ny Polisy mpandrava korontana sy ireo mpaneho hevitra tao Biryulyovo, 13 Oktobra 2013. YouTube.

Efa taona iray mahery izay no lasa hatramin'ny nametrahan'i Konstantin Sankov fanehoankevitra iray notondroina ho fanavakavahana tao amin'ny Vkontakte, tambajotra malaza indrindra ao Rosia. Amin'ity herinandro ity, mety tsy maintsy hizaka ny vokatr'izany izy.

Tamin'ny Oktobra 2013, nipoaka ny korontana tao Biryuluovo, tanàna ivelan'i Môsko, taorian'ny famonoana lehilahy iray avy amin'ny foko Rosiana, teny an-tànan'ny Azerbaijani iray mpanafika raha ny heno. Konstantin Sankov, lehilahy iray avy amin'ny foko Rosiana monina ao St. Petersburg, no naneho hevitra momba ilay tranga, tamin'ny nampiasàny fiteny izay hitan'ireo manampahefana ho feno fankahalàna. Ankehitriny, efa ho taona iray mahery aty aorian'ny nandefasany ilay fanehoankeviny, nentina hiatrika fitsarana izy no niafarny.

Ny dika tena izy amin'ilay fanehoankevitr'i Sankov dia tsy hita notaterin'ireo media na manampahefana maneho hevitra momba io raharaha io, ary efa tsy afaka jerena ao amin'ny Vkontakte intsony koa.

Ny mpampanoa lalàna ao St. Petersburg miteny fa kabarim-pankahalàna ny teny nampiasain'i Sankov, voararan'ilay Andininy 282 mahabe resaka. Ireo Rosiana avy amin'ny tontolo sy sehatra politka samihafa, ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona ary ireo nazi amin'ny endriny vaovao, dia samy miampanga ny polisy ho mampihatra fahatàny ny Andininy 282 mba hisakanana ny fahalalahana maneho hevitra, indrindra fa ety anaty aterineto. Mijoro ho voampanga noho ny “fiantsoana hetsika feno fankahalàna atao aminà vondrona iray i Sankov, voafaritra ao amin'ny teny famaritana manokana ny firenena, ny fiteny, ny fiaviana, na ny faritany”. Raha voaheloka izy dia mety hifonja hatramin'ny dimy taona.

Lazain'ireo mpampanoa lalàna avy amin'ny fanjakàna fa miseho ao anatinà rohin-dahatsary iray navoakany tao amin'ny Vkontakte ny fanehoankevitr'i Sankov. Ny sombiny tamin'ilay lahatsary dia ampahany avy amin'ny fandaharan'ny fahitalavitra nifantoka tamin'ilay famonoana izay niteraka ny korontana tao Biryulyovo. Ny fanambaràna an-gazety navoakan'ny mpampanoa lalànan'ny distrika momba ilay raharaha dia lasa lavitra hatramin'ny fitenenana hoe “hevi-diso momba ny atao hoe rariny” no nitarika an'i Sankov fony izy nampakatra ilay lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.