Sisan-taolana Voamarin'ireo Manampahaizana Mpikirakira Faty Ho An'ny Iray Tamin'ireo Mpianatra Nanjavona Tao Ayotzinapa

Portrait of Alexander Mora Venancio by Kathia Recio from the movement Ilustrators with Ayotzinapa #IlustradoresConAyotzinapa.

Sarin'i Alexander Mora Venancio nataon'iKathia Recio avy amin'ny hetsika “Ilustrators miaraka amin'i Ayotzinapa” #IlustradoresConAyotzinapa.

An'i Alexander Mora Venancio, iray tamin'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra, voasambotra tamin'ny 26 Septambra tao Iguala, atsimo andrefan'i Meksika, rehefa nalain'ny polisy tany an-toerana an-keriny, ireo sisan-taolana hita tao anaty fanariam-pako tany Cocula, tanàna Meksikana iray. 

Ny andiana Arzantina Manampahaizana amin'ny Antrôpôlôzia, niasa ho an'ny fianakavian'ireo mpianatra 43 nanjavona, avy ao amin'ny “Raúl Isidro Burgos”, kolejin'ireo mpampianatra any ambanivohitra ao Ayotzinapa, no nanao ny famantarana.

Lahatsoratra iray ao amin'ny pejy Facebook-n'ny kolejy izay arahan'ireo mpianatra ireo akaiky, voasoratra miaraka amin'ny feon'i Alexander Mora Venancio, no nanamafy ilay vaovao ratsy :

Compañeros a todos los que nos han apoyado soy ALEXANDER MORA VENANCIO.
A través de esta voz les hablo soy uno de los 43 caídos del día 26 de Septiembre en manos del narcogobierno. Hoy 6 de diciembre le confirmaron los peritos Argentinos a mi padre que uno de los fragmentos de mis huesos encontrados me corresponden. Me siento orgulloso de ustedes que han levantado mi voz, el coraje y mi espíritu libertario. No dejen a mi padre sólo con mi pesar, para él significo prácticamente todo, la esperanza, el orgullo, su esfuerzo, su trabajo y su dignidad. Te invito que redobles tu lucha. Que mi muerte no sea en vano. Toma la mejor decisión pero no me olvides. Rectifica si es posible pero no perdones. Este es mi mensaje.
Hermanos hasta la victoria.
SOY ALEXANDER MORA VENANCIO DE EL
PERICÓN, MPIO., DE TECOANAPA, GRO

Ry namana, ho anareo rehetra izay nanohana anay, izaho no ALEXANDER MORA VENANCIO. 
Amin'ny alalan'ity feo ity no itenenako aminareo fa iray amin'ireo 43 lavo tamin'ny 26 Septambra aho, teo an-tànan'ny governemanta mpikirakira zava-mahadomelina. Androany dia namafisin'ireo Arzantina manampahaizana tamin'ny raiko fa ahy ireo sisan-taolana hita. Mahatsiaro ho feno fireharehana aho noho ny aminareo izay nanandratra ny feoko, ny fahasahiako ary ny fanahiko mpandàla ny fahalalahan'ny tsirairay. Aza avela ho irery i Dadako sy ny alahelony, fa ho azy dia izaho no zavatra rehetra, ny fanantenany, ny reharehany, ny ezaka vitany, ny asany, ny maha-olona azy. Manasa anareo aho hanamafy ny tolona. Mba tsy ho zava-poana ny nahafatesako. Raiso izay fanapahankevitra mendrika indrindra saingy aza manadino ahy. Ahitsio raha azo atao saingy aza manaiky fifonana. Ity no hafatro.
Ry rahalahy, hatramin'ny fandresena.
IZAHO NO ALEXANDER MORA VENANCIO AVY ANY EL PERICON, FARI-BOHITRA TECOANAPA , FANJAKAN'I GUERRERO.

Niteraka hetsi-panoherana goavana ilay vaovao, hetsika notarihan'ny ray aman-drenin'ireo mpianatra nanjavona, izay nanao diabe niala teo amin'ny sarivongana “El Angel de la Independencia” nankany amin'ny sarivongan'ny Revôlisiona tao an-tanànan'i Meksiko.

Nazavain'i Felipe de la Cruz, mpitondra tenin'ireo fianakaviana, fa tamin'ny harivan'ny Zoma ireo fianakaviana no nahazo vaovao avy amin'ilay andiana Arzantina manampahaizana amin'ny fikirakirana faty ao amin'ny Escuela Normal de Ayotzinapa (Sekoly fanofanana mpampianatra). De la Cruz nanampy hoe :

No le lloremos a Alexander. Que sepa que no vamos a descansar hasta que haya justicia. Faltan 42 y los queremos con vida.

Aza mitomany an'i Alexander. Tsy hitsahatra isika mandra-pahazo ny rariny. Mbola 42 no tsy hitantsika ary ilaintsika velona izy ireny.

Ary dia ireto ny sasany tamin'ny fanehoankevitra :

 MAP, ry Alexandre Mora Venancio, iray tamin'ireo 43 izay nihetsika ary nampihovitrovitra an'i Meksiko. Rariny sy fahamarinana.

Areheto miaraka amin'ny anareo ny afoko.  

 Ny fanjakana no namono azy, ny fanjakana no naka azy an-keriny, Fanjakana Meksikana mpamono olona.

 “Tsy hitomany an'i Alexander Mora Venancio isika. Hivelatra ho toy ny revôlisiona ny fahalavoany”: Felipe de la Cruz

Ny tolonao dia toloko. Ny hirifirinao dia hirifiriko. Tsy tokony ho faty i Alexander Mora Venancio, takianay ny rariny

Niala tamin'ny lisitr'ireo 22.000 tsy hita popoka i Alexander Mora Venancio ka nanatevina ny an'ireo 125.000 namoy ny ainy. Tsy hitsahatra hitaky ny rariny isika

Taorian'ny nandraisan'izy ireo sy ireo namany hafa ny fiara fitateram-bahoaka tamin'ny 26 Septambra no tsy hita nanjavonana ireo mpianatra ireo, tamin'ny hetsi-panoherana iray tao Iguala. Nosamborin'ny polisin'i Iguala ry zareo ary toa hoe natolotra ny “gang” – mpamatsy zava-mahadolelina – tany amin'ny faritra iray, ary novonoina tany Cocula. Raha araka ny lazain'ireo manampahefana, nodoran'ilay gang ny faty ary ny sasany nariany tany an-drenirano.

Ilay raharaha dia nampibaribary ny kolikoly sy ny tsy fahombiazan'ny governemanta Meksikana amin'ny fifehezana ny herisetra izay mandravarava ny firenena ary nitarika ho aminà hetsi-panoherana hitakiana ny rariny sy ny fametraham-pialàn'ny Filoha Meksikana Enrique Peña Nieto.

Araho ny fandrakofanay manokana ny raharaha #Ayotzinapa [ang.].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.