Naverin'ny Mpifidin'i Orogoay Tamin'ny Asany Taloha Ny Filoha Teo Aloha Tabaré Vázquez

Foto compartida en Flickr por Montecruz Foto de Tabaré Vázquez durante un acto de campaña.

Sary nozaraina tao amin'ny Flicker avy amin'i Montecruz Foto ahitana an'i Tabaré Vázquez nandritra ny fampielezankevitra.

Hiverina amin'ny toerany teo aloha amin'ny maha-ffilohan'i Orogoay azy i Tabaré Vázquez rehefa nandresy 13 isanjato ambonin'ny an'ny mpifanandrina aminy tao amin'ny firenena. 

Voafidy i Vázquez tamin'ny 30 Novambra raha nahazo vato 1.226.105 (55,04 isanjato) manoloana ny Nationalista nifanandrina taminy Luis Lacalle Pou izay nahazo vato 939.074. Nahazo fitantarana avy amin'ireo sehatra fampitam-baovao malaza manerana an'i Amerika Latinina sy Espaina ny fandresena avy amin'ny fiaraha-mientana ankavia Manda Midadasika (Frente Amplio) misy azy manoloana amin'ny mpifaninana aminy. Ny lahatsoratra amin'ny teny espaniola, “Ilay Filoha Mihantsy Ady Amin'ny Sigara, nivoaka tamin'ny voalohany desambra tao amin'ny gazety avy any Madrid antsoina hoe El Mundo no nanome ny antsipirihan'ny asa miandry ny filoha vaovao-taloha hiasa “miaraka amin'ny Orogoaiana rehetra.” 

Tokony ho tamin'ny 8:30 hariva, nandritra ny andron'ny fihodinana faharoa, ny ampaham-bokatra nivoaka voalohany miaraka amin'ny fanombanana mifototra amin'ny vokatry ny fihodinana voalohany dia efa nanondro an'i Vázquez ho mpandresy. Tsy ela taoriana ny filoha amin'izao fotoana José Mujica dia nihaona tao amin'i Vázquez sy Raúl Sendic mpiray lisitra aminy tao amin'ny trano fandraisam-bahiny Four Points hanome ny fiarahabana azy.

Tamin'ny fanambarana voalohany nataony i Vázquez, izay efa filoha tamin'ny 2005-2010, no naneho ny faniriany hahita marimaritra iraisana amin'ireo antoko mpanohitra eo amin'ireo lohahevitra lehibe: fahasalamana, fanabeazana, filaminana ary fiarahamonina tsy misy rahoraho eo amin'ny olom-pirenena. Vantany vao fantatra ny voka-pifidianana, dia nikabary nanoloana ireo mpanohana azy niandry teny an'arabe i Vázquez, nanamafy indray ny toerana ijoroany: “Azo tanterahina ny zava-drehetra eo ambanin'ny Lalampanorenana sy ny lalàna. Tsy misy na inona na inona azo atao ivelan'ny Lalampanorenana sy ny lalàna.” 

Maro tamin'ny seha-pampahalalam-baovao iraisampirenena no nanasongadina fa nandeha am-pilaminana ny fifidianana fihodinana faharoa teo amin'ny kandidà roa tonta nanerana ny firenena;  fa na dia ny andro ratsy nanjaka tamin'io andro io aza tsy nahasakana ny mpifidy hanalavitra azy ireo amin'ny biraom-pifidianana. 

Nametraka ny fandresen'i Vázquez eo amin'ny Pejiny voalohany ny gazety Argentiniana Página 12 tamin'ny lohateny manao hoe, “Nihanidadasika ny Manda.Niarahaba an'i Vázquez tamin'ny alalan'ny telefônina ny filohan'i Arzantina Cristina Fernández tamin'ny takarivan'ny Alahady, araka ny antsipirihan'ny tantara ao amin'ny www.uypress.net.

Nanomboka feno avy hatrany ny fandaharam-potoanan'ny filoha voafidy taorian'ny fandreseny, ka tafiditra amin'izany ireo fanambarana sy ny fanamafisana ho an'ny kabinetrany ho fikarakarana ny fametrahana azy amin'ny voalohany ny volana Marsa.  

Tao amin'ny tambajotran-tserasera, nisy ireo mpifidy sasantsasany no nanana kisangisangy manoloana ny fanentanana, nanao hetsika tsy loah-body, tahaka an'i María Noel Pereira (@heymarianoel) sy ny “Kentsom-Peon'ny Vatam-Pifidianana”: 

Nitatitra ny fankalazana ny fandresena nizotra tao amin'ny tanàna manamorona sisintany tao Chuy ny fandaharam-baovao Informativo de Radio Oceánica (@infcentral): 

Nampanantena i Vázquez, 74 taona, manampahaizana manokana momba ny homamiadana, nampanantena ny hanohy ny fandaharan'asam-panampiana ara-tsosialy nataon'ny fitondrana avy amin'ny elatra ankavia teo aloha. Ny filoha voafidy izay fantatra amin'ny ady amin'ny sigara, dia nampanantena ny hitazona ny lalàna mampanara-dalàna ny rongony (marijuana); saingy tsy hametraka ny fototra tsotra indrindra izy ary nampitandrina fa raha tsy mahomby ilay izy dia haverin-dalana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.